Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Adoni-zedeka

Adoni-zedeka

(Adônì-zedèka) [Ny Tompo (Tompoko) dia Fahamarinana].

Mpanjaka tao Jerosalema izy, rehefa niady mba hahazoana ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. Natambatr’i Adoni-zedeka tamin’ny tafik’ireo fanjakana kely tany andrefan’i Jordana ny tafiny, mba hanoherana ny tafik’i Josoa izay nandresy fanjakana maro. (Js 9:1-3) Ireo Hivita mponina tao Gibeona kosa nifidy ny hihavana tamin’i Josoa. Te hamaly faty noho ny nataon’izy ireo i Adoni-zedeka sady te hisakana an’izay mbola te hihavana tamin’ny Israelita fahavalony, ka nakambany tamin’ny tafik’ireo mpanjaka amorita efatra ny tafiny. Nanao fahirano sy niady tamin’i Gibeona izy ireo. Namonjy an’ireo Gibeonita anefa i Josoa, ka resiny tanteraka ireo tafika nivondrona ireo. Nandositra tany Makeda ireo mpanjaka dimy ary voahidy tao anaty lava-bato. I Josoa mihitsy no namono an’i Adoni-zedeka sy ireo mpanjaka efatra, teo anatrehan’ny miaramila israelita. Nahantony teo amin’ny tsato-kazo ny fatin’izy ireo, ary natsipy tao amin’ilay lava-bato avy eo. Lasa fasan’izy ireo ilay lava-bato.​—Js 10:1-27.