Adonia
(Adonìa) [Tompo i Jehovah].
1. Zanakalahy fahefatra naterak’i Davida tany Hebrona. I Hagita no reniny.—2Sa 3:4, 5.
Nisy itovizany be tamin’i Absaloma rahalahiny hafa reny i Adonia, satria samy “tena tsara tarehy” izy roa lahy sady tia fahefana. (1Mp 1:5, 6; ampit. 2Sa 14:25; 15:1.) Voaresaka be ao amin’ny Baiboly i Adonia, rehefa akaiky ho faty i Davida. Nirehareha izy hoe izy no ho mpanjakan’ny Israely manaraka, nefa i Jehovah efa nilaza fa i Solomona no handova ny fanjakana. (1Ta 22:9, 10). Nihevitra i Adonia hoe izy no ho mpanjaka, satria lahimatoa izy, ary efa maty i Amnona sy Absaloma ary angamba koa i Kileaba. Tsy mba nafenimpenin’i Adonia izany faniriany izany, toy ny nataon’i Absaloma ihany. Tsy nanitsy azy koa ny rainy. Nitady olona hanohana azy izy, ka azony ny fon’i Joaba lehiben’ny tafika sy Abiatara filohan’ny mpisorona. (1Mp 1:5-8) Nanao fety be sy nanao sorona izy tany akaikin’i En-rogela, tany akaikin’i Jerosalema, ka nasainy ny ankamaroan’ny ankohonan’ny mpanjaka, ankoatra an’i Solomona sy Natana mpaminany ary Benaia. Nazava be fa ny tanjony dia ny hanambarana azy ho mpanjaka.—1Mp 1:9, 10, 25.
Nanao zavatra haingana i Natana mba hisakanana ny tetik’i Adonia. Nasainy nampahatsiahy an’i Davida i Batseba, renin’i Solomona, fa efa nianiana i Davida hoe i Solomona no handova ny fanjakana. Niseho teo anatrehan’ny mpanjaka koa i Natana raha vao vita ny tenin’i Batseba, ary nanamafy izany sady nanazava fa efa halohalika ny ranombary. Toa te hilaza koa izy fa nanapa-kevitra irery i Davida nefa tsy nampahafantatra izany tamin’ireo mpiara-miasa taminy akaiky. (1Mp 1:11-27) Nanome baiko avy hatrany àry i Davida mba hanosorana an’i Solomona ho mpanjaka hiara-manjaka aminy sy handimby azy. Faly be ny vahoaka, ka nitabataba ary ren’ireo niara-nisakafo tamin’i Adonia izany. Tsy ela dia tonga ny zanak’i Abiatara mpisorona, ary nilaza fa efa nambaran’i Davida hoe lasa mpanjaka i Solomona. Niparitaka avy hatrany ireo mpanohana an’i Adonia, fa i Adonia kosa nankany amin’ny tokotanin’ny tranolay masina mba hitady fiarovana. Nilaza i Solomona fa hamela ny helony raha tsy hanao ratsy izy.—1Mp 1:32-53.
Rehefa maty anefa i Davida, dia nankany amin’i Batseba i Adonia, ary niangavy an’i Batseba mba hisolo tena azy tany amin’i Solomona ka hangataka an’i Abisaga ho vadiny. Vadikelin’i Davida sady mpikarakara azy io tovovavy io. Hoy i Adonia: “Tokony ho ahy ny fanjakana, ary izaho no nandrandrain’ny Israely rehetra ho lasa mpanjaka.” Toa te hilaza izy hoe tsy nomena azy ny zony. Niaiky koa anefa izy fa avy tamin’i Jehovah izany. (1Mp 2:13-21) Nahoana izy no nangataka an’i Abisaga? Angamba fotsiny tiany hisy takalony ny namoizany ny fanjakana, nefa koa tena mety hoe mbola naniry mafy hahazo fahefana izy. Fanao tany Atsinanana fahiny mantsy ny hoe izay handimby ny mpanjaka ihany no tokony hahazo ny vady sy ny vadikelin’ny mpanjaka. (Ampit. 2Sa 3:7; 16:21.) Nihevitra àry i Solomona fa mbola te ho mpanjaka ihany i Adonia, ka nanome baiko ny hamonoana azy izy. Notanterahin’i Benaia avy hatrany ilay baiko.—1Mp 2:22-25.
2. Levita iray nirahin’i Josafata hampianatra tao amin’ireo tanànan’i Joda.—3. Anisan’ireo “lohandohany teo amin’ny vahoaka”, izay niaraka tamin’ny andriana sy Levita rehefa nasiana tombo-kase ilay fieken-keloka nataon’ireo Israelita nody an-tanindrazana, tamin’ny andron’i Nehemia sy Ezra. Mety ho olona iray anisan’ny taranany koa anefa no nanisy an’ilay tombo-kase. (Ne 9:38; 10:1, 14, 16) Misy milaza fa i Adonia ihany ilay Adonikama nanana taranaka 666, izay niverina avy tany Babylona niaraka tamin’i Zerobabela, tamin’ny 537 T.K. (Ezr 2:13) Toa marina izany rehefa ampitahaina ny anaran’ireo solontenan’ny vahoaka izay nanisy an’ilay tombo-kase (Ne 10) sy ny anaran’ireo lohandohany tamin’izay niverina avy tamin’ny fahababoana (Ezr 2).