Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Adrameleka

Adrameleka

(Adramelèka).

1. Zanakalahin’i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria. I Adrameleka sy Sarezera rahalahiny no namono an’i Sankeriba rain’izy ireo, raha mbola niankohoka tao an-tranon’i Nisroka andriamaniny tao Ninive izy io. Nitsoaka nankany Ararata izy ireo avy eo, angamba tany amin’ny faritra be tendrombohitra nisy an’i Armenia taloha, any andrefan’ny Ranomasina Caspienne ankehitriny. (2Mp 19:35-37; Is 37:36-38) Nanoratra i Esara-hadona, izay nandimby an’i Sankeriba rainy, fa nifanandrina tamin’ny tafik’ireo namono an-drainy izy tao Hanigalbat, ka nandresy.

2. Andriamanitra nivavahan’ireo Sefarvita. Anisan’ny firenena resin’ny mpanjakan’i Asyria izy ireo, ka namponeniny tao Samaria rehefa avy nataony sesitany ny foko folon’ny Israely. Ho an’i Adrameleka sy Anameleka no nanaovan’ireo Sefarvita sorona ny zanany tao anaty afo.​—2Mp 17:22-24, 31, 33.