Adriela
(Adrièla).
Zanakalahin’i Barzilay, avy any amin’ny tanànan’i Abela-mehola.
Nomen’i Saoly ho vadin’i Adriela i Meraba zanany vavimatoa, na dia efa nampanantenainy an’i Davida aza. (1Sa 18:17-19) Tatỳ aoriana, dia natolotra hovonoina daholo izy dimy lahy zanak’i Adriela, mba ho fandrakofam-pahotana noho i Saoly nitetika handripaka ny Gibeonita. (2Sa 21:8, 9) Milaza io fitantarana io hoe i Mikala, fa tsy i Meraba, no renin’izy dimy lahy. Maty tsy nanan-janaka anefa i Mikala (2Sa 6:23) sady tsy voalaza na aiza na aiza mihitsy hoe lasa vadin’i Adriela. Misy mpandika teny àry mihevitra fa fahadisoan’ny mpanao dika soratra ilay anarana hoe Mikala. Saika ny sora-tanana hebreo rehetra anefa no ahitana ilay hoe Mikala. Voalazan’ny lovantsofina àry fa maty tanora i Meraba zokin’i Mikala, rehefa avy niteraka dimy lahy tamin’i Adriela, ka i Mikala no nitaiza ireo zana-drahavaviny ireo. Izany no antony nilazana hoe zanak’i Mikala izy ireo. Hoy ny Baiboly nadikan’i Isaac Leeser momba ny 2 Samoela 21:8: “Ary koa izy dimy lahy zanak’i Mikala zanakavavin’i Saoly, dia ireo zanak’i Adriela izay notezainy.”