Ady, II
Fifamelezan’ny mpifahavalo mba handresena na hamonoana ny andaniny. Maromaro ny teny hebreo ilazana ny hoe miady, ka anisan’izany ilay avy amin’ny fototeny matoanteny karav, izay midika hoe “manatona”, izany hoe manatona hiady. Midika hoe “ady” ny teny grika hoe pôlemôs, ary avy amin’ny fototeny ilazana tafika mitoby ny matoanteny hoe strateoô.
Milaza ny Baiboly fa “nankany Asyria” i Nimroda ka nanorina tanàna tany. Azo inoana fa nanafika ny tanin’i Asyra zanak’i Sema izy tamin’izay. (Ge 10:11) Nifehy tanàna maromaro (toa nanamorona ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Maty daholo) nandritra ny 12 taona i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama, tamin’ny andron’i Abrahama. Notereny hanompo azy ny mponina tao amin’ireny tanàna ireny. Nikomy anefa izy ireny, ka notafihin’i Kedorlaomera sy ny mpiray dina taminy. Resin’i Kedorlaomera ny tafik’i Sodoma sy Gomora, ka nobaboiny ny fananany, ary azony babo koa i Lota zana-drahalahin’i Abrahama. Nangonin’i Abrahama àry ny mpanompony 318 voaofana, ka lasa nanenjika an’i Kedorlaomera izy sy ny namany telo lahy nanao fifanekena taminy. Azony indray ireo olona sy zavatra nobaboina. Tsy naka zavatra ho azy anefa i Abrahama, fa ny hanavotra an’i Lota mpanompon’i Jehovah fotsiny no tiany hatao. I Abrahama no voalohany resahin’ny Baiboly hoe mpanompon’Andriamanitra niady. Nankasitrahan’i Jehovah ilay ady, matoa nitso-drano an’i Abrahama i Melkizedeka, mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra.—Ge 14:1-24.
Ady nandidian’Andriamanitra. “Mpiady mahery” sy “Andriamanitry ny tafika” i Jehovah. (Ek 15:3; 2Sa 5:10; Sl 24:8, 10; Is 42:13) Mpamorona sy Mpanjaka Fara Tampony izy, ka manan-jo handringana na hanome alalana ny handringanana an’ireo tsy tan-dalàna na hiady amin’izay rehetra tsy manaiky hankatò ny lalàny. Izany koa no takin’ny rariny. Rariny àry raha noringaniny tamin’ny Safodrano ny ratsy fanahy, noravany i Sodoma sy Gomora, ary naripany ny tafik’i Farao.—Ge 6:5-7, 13, 17; 19:24; Ek 15:4, 5; ampit. 2Pe 2:5-10; Jd 7.
Nampiasainy ny Israelita. Notendren’i Jehovah hampihatra ny didim-pitsarany tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. Mbola tsy niady mihitsy ilay firenena, talohan’ny nanafahana azy avy tany Ejipta. (Ek 13:17) Nandresy “firenena fito be mponina sady mahery” noho izy anefa ny Israelita. Nitarika azy ireo mantsy Andriamanitra ka nanaporofo fa izy no “Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Andriamanitry ny tafiky ny Israely.” “Tsy sabatra na lefona [tokoa] no amonjen’i Jehovah, satria an’i Jehovah ny ady.” (De 7:1; 1Sa 17:45, 47; ampit. 2Ta 13:12.) Nasehon’ny Israelita koa fa nankatò ny didin’Andriamanitra izy ireo rehefa nandeha niady, na dia notandindomin-doza aza ny ainy.—De 20:1-4.
Noferany ny firenena hotafihina. Noraran’Andriamanitra ny Israelita tsy hanafika na hiady tamin’ny firenena na tany hafa ankoatra an’izay nanomezany alalana azy ireo. Tsy tokony hiady tamin’i Edoma sy Moaba ary Amona, ohatra, izy ireo. (De 2:4, 5, 9, 19) Nanafika azy ireo anefa ireo firenena ireo tatỳ aoriana. Voatery niaro tena àry ny Israelita ka niady taminy. Nampian’Andriamanitra izy ireo tamin’izany.—Mpts 3:12-30; 11:32, 33; 1Sa 14:47.
Tonga hiady tamin’ny Israely koa ny mpanjakan’i Amona, tamin’ny andron’ny Mpitsara. Nalain’ny Israely mantsy, hono, ny taniny. Nilaza anefa i Jefta fa tsy marina izany. Niady tamin’ireo mpanafika izy avy eo, satria ‘izay rehetra noroahin’i Jehovah tsy ho eo anatrehany no horoahinay’, hoy izy. Tsy navelany hahazo tamin’ilay tany nomen’Andriamanitra ny Israely izy ireo, na dia eram-paladia aza.—Mpts 11:12-27; jereo JEFTA.
Ady masina. Nohamasinina aloha ny tafika, vao nandeha niady. (Js 3:5; Je 6:4, f.a.p.; 51:27, 28) Tsy maintsy nidio araka izay notakin’ny Lalàna ny tafiky ny Israely, izay nisy tsy Jiosy (anisan’izany i Oria Hetita, izay angamba hafa firenena noforana rehefa niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy). Tsy nahazo nanao firaisana tamim-behivavy izy ireo, na dia tamin’ny vadiny aza, rehefa niantafika. Tsy nisy mpivaro-tena àry nanaraka ny tafiky ny Israely. Tsy tokony haloto koa izy ireo na ny tobiny.—Le 15:16, 18; De 23:9-14; 2Sa 11:11, 13.
Nivadika tamin’i Jehovah anefa ny Israely tatỳ aoriana ka tsy maintsy nofaizina. Namely azy àry ny tafiky ny firenen-kafa. Toy ny hoe ‘nohamasinina’ ireny tafika ireny, satria ‘natokan’i’ Jehovah hampihatra ny didim-pitsarany ara-drariny. (Je 22:6-9; Ha 1:6) Nolazain’i Jehovah fa ‘nohamasininy’ koa ireo tafika (indrindra fa ny an’ny Medianina sy Persianina) nandrava an’i Babylona.—Is 13:1-3.
Te hahazo harem-be ny mpaminany sandoka tany Israely, ka ‘niantso ady masina’ rehefa tsy nisy nanome sakafo azy. Sitrak’Andriamanitra, hono, ny nataon’izy ireo, nefa izy ireo nampahory sy nanenjika ary namono an’ireo tena mpaminany sy mpanompon’Andriamanitra.—Mi 3:5; Je 2:8; Ft 4:13.
Fiantsoana ho miaramila. Ny lehilahy israelita 20 taona no ho miakatra no voantso ho miaramila, araka ny baikon’i Jehovah. Nilaza i Josèphe fa tsy nanao miaramila intsony izay 50 taona no ho miakatra. (Rakitry ny Ela Jiosy, III, 288 [xii, 4]) Adin’i Jehovah no nataon’ny Israely ka nasaina nody izay miaramila kanosa na saro-tahotra tsy ampy finoana. Hanakivy ny hafa fotsiny mantsy izy ireo. Tsy voantso hiady koa ireo lehilahy vao nahavita trano, sy vao nanao tanimboaloboka ka mbola tsy nisantatra ny vokatra. Nanan-jo hifaly tamin’izay nisasarany mantsy izy ireo. Tsy nandeha niady nandritra ny herintaona koa izay lehilahy vao nampaka-bady. Ho afaka hiteraka sy hahita ny zanany izy amin’izay. Hita amin’izany fa tena miahy ny fianakaviana i Jehovah. (No 1:1-3, 44-46; De 20:5-8; 24:5) Tsy voantso ho miaramila mihitsy ny Levita, satria nanompo tao amin’ny toerana masina. Ny fanampiana ny vahoakany hifandray tsara aminy mantsy no zava-dehibe kokoa tamin’i Jehovah noho ny fiarovan’ny tafika.—No 1:47-49; 2:32, 33.
Lalàna momba ny fanafihana sy fanaovana fahirano. Nanome toromarika momba ny fanafihana an’i Kanana i Jehovah. Tsy maintsy haripaky ny Israelita ireo firenena fito voatonona ao amin’ny Deoteronomia 7:1, 2, anisan’izany ny zaza amam-behivavy, ary horavany tanteraka ny tanànany. (De 20:15-17) Ny tanàna hafa kosa nanontaniana aloha raha tsy te hiady. (De 20:10-15) Nomena toky izy ireo fa tsy hovonoina, ary ny vehivavy tsy hovetavetaina. Mety ho nandrisika an’ilay tanàna hitolo-batana izany, ka tsy hisy ra mandriaka. Raha nitolo-batana ilay tanàna, dia tsy ho novonoina ireo mponina tao fa noterena hanao fanompoana. Raha tsy nitolo-batana kosa izy io, dia ho novonoina ny lehilahy rehetra, sao hikomy any aoriana. “Ny zaza amam-behivavy” ihany no tsy novonoina. Azo antoka fa virjiny ireo ‘vehivavy’ ireo. Resahin’ny Deoteronomia 21:10-14 mantsy fa hitomany noho ny alahelony an’ny ray aman-dreniny fa tsy am-badiny, ireo vehivavy babo mety ho nalain’ny Israelita ho vady. Ny virjiny ihany koa no tsy novonoin’ny Israelita, rehefa nandresy an’ireo Midianina izy ireo talohan’izay. Niaro ny Israelita tsy ho voataona hanaraka fivavahan-diso, sy tsy ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana izany. (No 31:7, 17, 18) (Hazavaina ao amin’ny hoe KANANA, KANANITA [Azon’ny Israelita i Kanana], fa ara-drariny raha nandidy ny handripahana an’ireo Kananita Andriamanitra.)
Tsy azo nokapaina mba hampiasaina hanaovana fahirano ny hazo fihinam-boa. (De 20:19, 20) Notapahina ny hoza-tongotry ny soavalin’ny fahavalo, nandritra ny ady. Azo antoka fa novonoina ireny soavaly ireny rehefa vita ilay ady.—Js 11:6.
Ady nataon’ny Israely tsy nankasitrahan’Andriamanitra. Niady seza ny Israelita sasany nivadika tamin’Andriamanitra. Anisan’izany i Abimeleka, izay niady tamin’ny tanànan’i Sekema sy Tebeza, tamin’ny andron’ny Mpitsara. (Mpts 9:1-57) Anisan’izany koa i Omry izay niady tamin’i Zimry sy Tibny, ka lasa mafy orina ny fanjakany teo amin’ny foko folo. (1Mp 16:16-22) Tsy niantehitra tamin’i Jehovah intsony ny Israelita tatỳ aoriana, fa niantehitra tamin’ny tafika sy ny soavaly ary ny kalesy. “Feno soavaly” àry tany Joda tamin’ny andron’i Isaia, ary “tsy tambo isaina ny kalesiny.”—Is 2:1, 7.
Tetikady fahiny. Nirahina hijery taratra ny tany iray ny mpitsikilo indraindray, talohan’ny hanafihana azy io. Tsy hanakorontana na hitaona olona hikomy na hanongam-panjakana akory no anton-diany. (No 13:1, 2, 17-19; Js 2:1; Mpts 18:2; 1Sa 26:4) Notsofina ny trompetra rehefa novorina ny miaramila hiady na nasaina hivondrona hanao zavatra. (No 10:9; 2Ta 13:12; ampit. Mpts 3:27; 6:34; 7:19, 20.) Nozaraina ny tafika indraindray, mba hamely ny fahavalo teo amin’ny andaniny roa. Nisy koa miaramila niafina tany ambadiky ny tanàna mba hanafika azy io, na nanao tari-dositra hamandrihana ny fahavalo. (Ge 14:15; Js 8:2-8; Mpts 7:16; 2Sa 5:23, 24; 2Ta 13:13) Nisy fotoana koa nasain’i Jehovah nandeha teo alohan’ny miaramila ny mpanao hira fiderana. Niady ho an’ny Israely Izy tamin’izay. Nataony nisahotaka ny fahavalo ka nifamono.—2Ta 20:20-23.
Matetika no nifampitolona na nifamely akaiky ireo miaramila mpifahavalo, ka nampiasa sabatra, lefona, lefom-pohy, zana-tsipìka, vatom-pilotra, sy ny toy izany. Tsy nampiasa soavaly na kalesy ireo Israelita nanafika ny Tany Nampanantenaina, fa niantehitra tamin’ny herin’i Jehovah. (De 17:16; Sl 20:7; 33:17; Oh 21:31) Efa tatỳ aoriana vao nampiasa izany izy ireo, toy ny nataon’ny Ejipsianina sy ny firenen-kafa. (1Mp 4:26; 20:23-25; Ek 14:6, 7; De 11:4) Nanana kalesin’ady nisy lelan’antsy nipoitra avy teo amin’ny ivon-kodiarany, ny tafiky ny hafa firenena sasany.—Js 17:16; Mpts 4:3, 13.
Niova ny tetikady tatỳ aoriana. Tsy dia nanamboatra fitaovam-piadiana hoenti-manafika intsony ny Israelita, fa ny fiarovana ny tanànany no tena nimasoany. Nanamboatra “fitaovam-piadiana noforonin’ny lehilahy mahay”, ohatra, i Ozia mpanjakan’ny Joda, nefa nataony hiarovana an’i Jerosalema fotsiny ireny. (2Ta 26:14, 15) Nampahalaza ny tafik’i Asyria sy Babylona kosa ireo manda sy tovon-tany nanaovany fahirano. Afaka nanafika ny toerana avo sy tsy dia nisy mpiaro teo amin’ny mandan’ilay tanàna àry izy ireo. Nisolampy ilay tovon-tany, ary nasiana tilikambo nisy lohondry vy. Avy teo amin’ilay tilikambo ny mpandefa zana-tsipìka sy mpampiasa pilotra no nanafika. Nampiasa fitaovana fandefasana vatobe koa ny tafika nanao fahirano. (2Mp 19:32; Je 32:24; Ezk 4:2; Lk 19:43) Niaro an’ilay tanàna kosa ireo mpandefa zana-tsipìka, mpampiasa pilotra, miaramila nanipy hazo mirehitra avy teny ambony manda sy tilikambo na nandefa izany tamin’ny alalan’ny fitaovana tao an-tanàna. (2Sa 11:21, 24; 2Ta 26:15; 32:5) Raha tanàna nimanda no notafihina, dia nataon’ireo mpanafika aloha izay tsy hahazoan’ilay tanàna rano. Raha fantatr’ilay tanàna kosa fa hatao fahirano izy, dia matetika no notampenany ny loharano teny amin’ny manodidina mba tsy hahazo rano ny fahavalo.—2Ta 32:2-4, 30.
Rehefa nandresy ny mpanafika, dia notampenany indraindray ny lavadrano sy loharano rehetra, norarahany vato ilay toerana, ary indraindray nofafazany sira.—Mpts 9:45; 2Mp 3:24, 25; jereo FIADIANA, FITAOVAM-PIADIANA; TOERANA VOARO MAFY.
Nilaza i Jesosy fa hisy ady. Tsy tia niady i Jesosy, ary nilaza fa “ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Mt 26:52) Nilaza tamin’i Pilato koa izy fa raha anisan’ity tontolo ity ny Fanjakany, dia ho niady ny olony mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy izy. (Jn 18:36) Hatao fahirano anefa i Jerosalema ka ho rava, hoy izy, ary hatonta amin’ny tany ny ‘zanany’ (mponina tao). Nanda an’ilay Mesia mantsy izy ireo.—Lk 19:41-44; 21:24.
Naminany toy izao i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany: “Handre ady sy filazana ady ianareo, nefa aza raiki-tahotra. Tsy maintsy hitranga izany, nefa mbola tsy ho tonga ny farany. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana.” (Mt 24:6, 7; Mr 13:7, 8; Lk 21:9, 10) Tanteraka izany tamin’ny taonjato voalohany sy tamin’izy nanomboka nanjaka tany an-danitra.
Ady ataon’i Kristy, ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka.” Nomen-dRainy “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” i Jesosy Kristy Tompo, rehefa nitsangana tamin’ny maty. Hiady amin’ny fahavalon’Andriamanitra rehetra izy ka handringana azy ireo. Hampisy fiadanana mandrakizay izy avy eo, araka ilay anaram-boninahiny hoe “Andrianan’ny Fiadanana.”—Mt 28:18; 2Te 1:7-10; Is 9:6.
Milaza ny Salamo 2:7, 8 sy 110:1, 2 fa hasain’i Jehovah ‘hangataka an’ireo firenena ho lovany’ ny Zanany, ka halefany ‘hanjaka eo anivon’ny fahavalony.’ (He 10:12, 13) Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana koa izay nitranga rehefa lasa Mpanjaka any an-danitra i Kristy. Hitany fa nisy ady tany an-danitra, raha vao ‘teraka ilay zazalahy’ hifehy an’ireo firenena amin’ny tehim-by. Nitarika ny tafiky ny lanitra i Mikaela, na i Jesosy Kristy (jereo MIKAELA No. 1), mba hiady tamin’ilay Dragona na i Satana Devoly. Nazera tetỳ an-tany ny Devoly sy ny anjeliny taorian’ilay ady. (Ap 12:7-9) Nisy feo mafy tany an-danitra avy eo nanao hoe: “Ankehitriny dia tonga ny famonjen’Andriamanitsika sy ny heriny ary ny fanjakany sy ny fahefan’ny Kristiny.” Faly tokoa ny anjely fa tsy misy mpanelingelina intsony! Ny tany kosa hahita loza, anisan’izany ny ady, satria hoy ihany ilay feo: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.”—Ap 12:10, 12.
Rehefa nazera tetỳ an-tany i Satana, dia nataony lasibatra ny mpanompon’Andriamanitra na ny sisa amin’ny ‘taranaky ny vehivavy, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy nanankinana ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.’ Miady amin’izy ireo i Satana, ka sady manenjika azy (misy aza maty mihitsy) no manao izay hampahalemy ny finoany. (Ap 12:13, 17) Resahin’ny Apokalypsy (toko 13, 17-19) hoe iza avy no ampiasain’i Satana hamely azy ireo. Resahiny koa fa handresy ireo olona masina tarihin’i Jesosy Kristy ireo.
“Adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” Resahin’ny Apokalypsy toko faha-19 ilay ady lehibe indrindra mbola tsy nisy toy izany, hitranga eto an-tany. Antsoina hoe “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” izy io. Ho voataonan’ny “fanambarana avy amin’ny demonia” ilay “bibidia [an’ohatra] sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny”, ka hivondrona hiady amin’i Jehovah sy Jesosy Kristy, Mpitarika ny tafiky ny lanitra. (Ap 16:14; 19:19) Tsy hisy handray anjara amin’io ady io ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany. “Hiady amin’ny Zanak’ondry” ireo mpanjakan’ny tany. “Haharesy an’ireo anefa ny Zanak’ondry satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka izy.” (Ap 17:14; 19:19-21; jereo HARA-MAGEDONA.) Hofatorana 1 000 taona i Satana Devoly aorian’io ady io, ‘mba tsy hahafahany hamitaka ny firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona.’—Ap 20:1-3.
Hanjaka eto an-tany ny fiadanana mandritra ny 1 000 taona. Milaza ny salamo fa “mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany [i Jehovah]. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona. Dorany ny kalesin’ady.” Tanteraka voalohany tamin’ny Israely izany rehefa nopotipotehin’i Jehovah ny fitaovam-piadian’ny fahavalon’izy ireo, ka nandry feizay izy ireo. Handry feizay koa ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany, rehefa mandresy an’ireo tia ady i Kristy amin’ny Hara-magedona. (Sl 46:8-10) Hanefy ‘ny sabany ho angadinomby sy ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka’ ireo hiaina mandrakizay eto an-tany, ary tsy “hianatra ady intsony.” “Fa ny vavan’i Jehovah Tompon’ny tafika no efa niteny.”—Is 2:4; Mi 4:3, 4.
Tsy hisy ady intsony. Resahin’ny Apokalypsy fa havoaka avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka namatorana azy i Satana Devoly, rehefa tapitra ny 1 000 taona. Hitaona olona maro indray izy hiady amin’ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra. Hisy ‘afo hilatsaka avy any an-danitra’ anefa handevona an’ireo fahavalo ireo. Ho foana mandrakizay àry ny ady.—Ap 20:7-10.
Ady ataon’ny Kristianina. Tsy miady amin’ny nofo aman-dra ny Kristianina (Ef 6:12), fa manao ady ara-panahy kosa. Nilaza ny apostoly Paoly fa ny “lalàn’ny ota” ao anatin’ny Kristianina no miady amin’ny “lalàn’Andriamanitra” na ny ‘lalàn’ny saina’ (saina voavolavolan’Andriamanitra).—Ro 7:15-25.
Tena mafy io ady io, satria mila miezaka mafy ny Kristianina vao handresy. Matoky anefa izy fa handresy noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy, sy noho ny fanampian’ny fanahiny. (Ro 8:35-39) Hoy i Jesosy momba ilay ady: “Miezaha mafy dia mafy hiditra amin’ny varavarana tery.” (Lk 13:24) Hoy koa ny apostoly Petera: “Fadio ny filan’ny nofo, fa miady [strateoôntai] amin’ny fanahy ireny.”—1Pe 2:11, Prot.; ampit. Jk 4:1, 2.
Amin’ny fanahy ratsy. Tsy maintsy miady amin’ny demonia koa ny Kristianina, satria hararaotin’ny demonia ny fironan-dratsiny mba hitaomana azy hanota. (Ef 6:12) Ampiasain’ny demonia koa ireo olona feheziny mba haka fanahy na hanohitra na hanenjika ny Kristianina, ka hahatonga azy ireo hivadika amin’Andriamanitra.—1Ko 7:5; 2Ko 2:11; 12:7; ampit. Lk 4:1-13.
Amin’ny fampianaran-diso. Nilaza koa i Paoly fa nisy ady nataon’izy sy ireo mpiandraikitra voatendry hikarakara ny fiangonana kristianina. (2Ko 10:3) Nisy lehilahy sahisahy ratsy nantsoiny hoe “apostoly sandoka” mantsy, teo anivon’ny fiangonan’i Korinto. Voataonan’izy ireo hanindrahindra olona ireo Kristianina tany, ka niteraka fisaratsarahana sy sekta izany. (2Ko 11:13-15) Nanjary nanaraka olona izy ireo, satria nilaza fa an’i Apolosy, na an’i Paoly, na an’i Kefasy. (1Ko 1:11, 12) Hadinon’izy ireo fa solontenan’i Kristy fotsiny ry Paoly sy ny namany, ka niara-nanatratra tanjona iray. Lasa araka ny nofo izy ireo (1Ko 3:1-9), satria ‘araka ny fironan’ny nofo’ ny fomba fijeriny. Tsy “olona araka ny fanahy” no fahitany an’ireo mpiandraikitra, fa ny bika aman’endriny, ny fahaizany, ny toetrany sy ny toy izany no nifantohan’izy ireo. Hadinon’izy ireo fa notarihin’ny fanahin’Andriamanitra ilay fiangonana, ary io fanahy io no nahatonga an’i Paoly sy Petera ary Apolosy hahavita ny andraikiny, ho voninahitr’Andriamanitra.
Hoy àry i Paoly: “Eny, izao no fitalahoako: Rehefa eo aminareo aho, dia mba tsy ho voatery ho 2Ko 10:2-5.
sahy araka ilay fahasahiana eritreretiko, ka tsy handray fepetra henjana amin’ny sasany izay mihevitra anay ho velona araka ny nofo. Fa na dia velona amin’ny maha nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny fironan’ny nofonay. Fa tsy araka ny nofo ny fitaovam-piadianay, nefa mahery, satria Andriamanitra no nanao azy ho mahery mba handravana zavatra efa mafy orina. Fa mandrava fisainana mbamin’ny zavatra avo rehetra atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay, ary baboinay hankatò an’i Kristy ny hevitra rehetra.”—Hoy koa izy tamin’i Timoty, izay navelany tany Efesosy mba hikarakara ny fiangonana tany: “Ankiniko aminao izany didy izany, ry Timoty zanako, araka ny faminaniana izay nanondro mivantana anao, mba ho ireny faminaniana ireny no hoentinao manohy ny ady tsara, ka hitananao finoana sy feon’ny fieritreretana madio.” (1Ti 1:18, 19) Niady tamin’ny fanirian’ny nofo mpanota i Timoty, ary notoherin’ny fahavalon’ny fahamarinana. Tsy maintsy niady koa anefa izy mba tsy hisy fampianaran-diso na olona mety hanimba finoana ho tafiditra teo anivon’ny fiangonana (1Ti 1:3-7; 4:6, 11-16), ary mba tsy hisy ho voataonan’ny mpivadi-pinoana, izay nolazain’i Paoly fa ho avy rehefa maty daholo ny apostoly. (2Ti 4:3-5) Tsy maintsy nanao ady mafy àry i Timoty.
Afaka nilaza tamin’i Timoty i Paoly hoe: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho.” (2Ti 4:7) Tsara fitondran-tena sy nanompo foana i Paoly ka tsy nivadika tamin’i Jehovah sy Jesosy Kristy, na dia notoherina sy nampijalina ary nenjehina aza. (2Ko 11:23-28) Niantsoroka tsara ny andraikiny tamin’ny naha apostolin’i Jesosy Kristy Tompo azy koa izy, ary niady mafy mba hanampiana ny fiangonana hadio foana sy tsy hisy pentina, ho virjiny madio sy “andry sy tohana ho an’ny fahamarinana.”—1Ti 3:15; 1Ko 4:1, 2; 2Ko 11:2, 29; ampit. 2Ti 2:3, 4.
Omen’Andriamanitra izay ilainy ny Kristianina. Miaramilan’Andriamanitra ny Kristianina, ka omeny izay ilainy mba hivelomana. Hoy i Paoly momba ny zon’izay manampy ny hafa: “Aiza no hisy miaramila mianto-tena?”—1Ko 9:7.
Ny Kristianina sy ny adin’ireo firenena. Tsy mandray anjara mihitsy amin’ny adin’ireo firenena na foko na antoko politika ny Kristianina. (Jn 18:36; Ef 6:12) Miresaka momba ny nataon’ireo Kristianina voalohany ilay lahatsoratra hoe TAFIKA (Ireo fantatra ho Kristianina voalohany).
Ady hafa. Niady tamin’ny tafik’i Jabina mpanjakan’i Kanana ny Israely, ka nandresy. Hoy i Baraka sy Debora momba ny nahatonga an’ilay ady: “Nifidy andriamani-baovao ny [Israely]. Tamin’izay no nisian’ny ady teny am-bavahady.” (Mpts 5:8) Nahita loza tokoa ny Israely raha vao nivadika tamin’i Jehovah ka nanompo sampy. Tonga nanafika teo am-bavahadin’ny tanànany mihitsy ny fahavalo. Hoy àry ny mpanao salamo: “Raha tsy i Jehovah no miambina ny tanàna, dia very maina ny fiaretan-torin’ny mpiambina.”—Sl 127:1.
Hoy i Solomona: “Tsy misy manana fahefana amin’ny aina ka hoe hahatana ny ainy, ... sady tsy misy afa-miala amin’ny ady.” (Mpto 8:8) Tsy misy tokoa olona efa ho faty ka mahatana ny ainy na ny hery mamelona azy, ary mahasakana azy io tsy hiverina amin’Andriamanitra Loharanon’aina, mba ho velona ela kokoa. Tsy misy olona mahasakana ny andro ahafatesany. Tsy misy afa-miala amin’ny ady ataon-dRafahafatesana amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Tsy afaka mangataka olon-kafa mpanota ho faty hisolo azy ny mpanota iray, ka hoe ho afa-miala amin’ny fahafatesana. (Sl 49:6-9) I Jehovah ihany no afaka manafaka antsika amin’izy io, noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. “Tahaka ny nanjakan’ny ota sy ny fahafatesana, no hanjakan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa koa amin’ny alalan’ny fanambarana ho marina, izay hahazoana fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.”—Ro 5:21.