Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ady Any Amin’ny Fitsarana

Ady Any Amin’ny Fitsarana

Raharaha alamin’ny fitsarana; fihainoan’ny mpitsara an’ireo mitory sy torina; fitsarana. Riv no matoanteny hebreo tena ampiasaina momba ny ady toy izany, ary midika hoe “mifanditra; miady; mitory eo anatrehan’ny fitsarana” izy io. (Ge 26:20; De 33:8; Oh 25:8) Nadika hoe “ady; fifandirana; ady eo amin’ny fitsarana” ny anarana avy amin’izy io. (Ek 23:2; De 17:8; Sl 35:23) Nadika indraindray hoe “fitsarana; zo; ady” ny teny hebreo hoe din (didim-pitsarana). (Jb 35:14; Sl 140:12; Oh 22:10) Ny tanjon’ny mpanompon’i Jehovah mitsara raharaha iray, dia ny hanao izany mifanaraka amin’izay takin’Andriamanitra sy hampihatra ny rariny ary hampandoa onitra raha ilaina. Nilaza tamin’ny mpitsara israelita i Mosesy fa toy ny hoe Andriamanitra mihitsy no mitsara an’izay adin’olona notsarain’izy ireo.​—De 1:16, 17.

Nisy raharaha notsaraina tao amin’ny zaridainan’i Edena, mba hahitana hoe inona no zava-nisy sy zavatra niadian-kevitra, ahoana no hampahafantarana izany, ary inona no didim-pitsarana. Nampanantsoin’i Jehovah i Adama sy Eva ary nalainy am-bavany. Efa fantany daholo izay nitranga, nefa nohenoiny izy ireo ary navelany hilaza ny fiarovan-tenany rehefa nolazaina ny fiampangana azy ireo. Niaiky heloka izy ireo ka navoakan’i Jehovah ny didy. Nanao ny rariny sy naneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izy rehefa nampihatra izany. Namindra fo koa izy satria tsy tonga dia novonoiny ho faty i Adama sy Eva fa navelany hanan-taranaka.​—Ge 3:6-19.

Nanome modely momba ny fomba fitsara eo i Jehovah Andriamanitra Mpitsara Fara Tampony. (Ge 3:1-24) Tokony hofantarina sy hofotopotorana àry hoe inona no nitranga mba hanaovana ny rariny, nefa koa mba hamindrana fo raha mbola azo atao ihany. (De 16:20; Oh 28:13; ampit. Mt 5:7; Jk 2:13.) Nadio ny fitondran-tena sy ny fivavahan’ny firenen’Israely ary voaro ny zon’ny tsirairay sy ny an’ny vahiny sy mpiavy, rehefa narahina ny fitsipik’Andriamanitra. (Le 19:33, 34; No 15:15, 16; De 1:16, 17) Voalazan’ny Lalàna ny fomba hitsarana ady madio, heloka madinika, heloka bevava (toy ny fahotana amin’Andriamanitra sy ny Fanjakana), olona tsy mifankahazo na mifanditra, ary olona, fianakaviana, foko, na firenena manao fahadisoana.

Fomba fitsara. Raha niady ny olona roa, dia nampirisihina hifandamina irery fa tsy hifanditra. (Oh 17:14; 25:8, 9) Afaka nanatona mpitsara izy ireo, raha tsy voalaminy ilay olana (Mt 5:25), araka ny torohevitr’i Jesosy. (Mt 18:15-17) Tsy sarotra ary tsy nisy fombafomba be ny nitory tany amin’ny fitsarana talohan’ny andron’i Mosesy sy teo ambanin’ny Lalàna. Efa niorina ny Fitsarana Avo Jiosy vao nisy fombafomba narahina. Nilamina sy tsy nataotao foana anefa ny fitsarana. Nahazo nitory daholo na vehivavy na mpanompo na vahiny, ka afaka nanantena ny hahazo rariny ny rehetra. (Jb 31:13, 14; No 27:1-5; Le 24:22) Nanatrika teo ilay voampanga ary afaka nilaza ny fiarovan-tenany izy. Tsy nisy mpampanoa lalàna tamin’ny andron’ny loham-pianakaviana fahiny sy teo amin’ny firenen’Israely, ary tsy nila mpisolovava ny voampanga. Tsy nandoa vola koa na ny mpitory na ny notorina.

Nankany amin’ny mpitsara izay nanana ady madio na ady heloka. Nampanantsoina ilay voampanga sy ireo vavolombelona, ary natao ampahibemaso ilay fakana am-bavany, matetika teo am-bavahadin’ny tanàna. (De 21:19; Rt 4:1) Nanontany an’ireo mpitory sy notorina ny mpitsara, nandinika ny porofo, nihaino an’ireo vavolombelona, ary namoaka didy avy hatrany. Nalefa tany amin’ny fitsarana ambony ilay raharaha raha sarotra be na raha tsy ampy ny porofo. Nampiharina avy hatrany ny sazy, toy ny kapoka na famonoana ho faty. Tsy nisy fampidirana am-ponja teo ambanin’ny Lalàna. Nambenana kosa ny olo-meloka iray raha nilaina ny nanontany an’i Jehovah.​—Le 24:12; jereo FITSARANA; HELOKA SY SAZY.

Voasazy foana izay meloka, na iza izy na iza, fa tsy azo navela ho afa-maina. Tsy maintsy nampiharina ny sazy na naloa ny onitra notakin’ny Lalàna. Nitondra fanatitra tany amin’ny toerana masina ilay olo-meloka avy eo, mba ho afaka hihavana amin’Andriamanitra indray. Natao handrakofana ny fahotany mantsy ilay fanatitra. (Le 5:1-19) Meloka koa ireo nanota tsy nahy, ka tsy maintsy nanao fanatitra handrakofana ny fahotany. (Le 4:1-35) Tsy maintsy nanonitra sy nanome fanatitra noho ny heloka ireo namitaka, nanambaka, na naka zavatra an-keriny, rehefa nibebaka sy nibaboka an-tsitrapo.​—Le 6:1-7.

Porofo. Tsy maintsy nanao tatitra sy nijoro ho vavolombelona izay nahita olona nanao an’ireto: Nivadi-pinoana, nitaona ny hafa hikomy, namono olona (nandoto ny tany) na nanao heloka bevava hafa. Raha tsy izany dia nambara ampahibemaso hoe nozonin’Andriamanitra izy. (Le 5:1; De 13:8; ampit. Oh 29:24; Es 6:2.) Tokony ho roa anefa, fara fahakeliny, ny vavolombelona. (No 35:30; De 17:6; 19:15; ampit. Jn 8:17, 18; 1Ti 5:19; He 10:28.) Tokony hilaza ny marina izy ireo (Ek 20:16; 23:7), ary nasaina nianiana indraindray. (Mt 26:63) Tsy maintsy nianiana ilay vavolombelona raha nahiahina, nefa izy irery no nahita izay nitranga. (Ek 22:10, 11) Toy ny hoe nitsangana teo anatrehan’i Jehovah ireo notsarain’ny mpitsara na notsaraina tao amin’ny toerana masina, ka nilain’ny vavolombelona ny nitadidy hoe hataon’Andriamanitra ampamoaka izy. (Ek 22:8; De 1:17; 19:17) Tsy nahazo nandray kolikoly izy, na nanaiky hoteren’ny ratsy fanahy handainga na hitetika ny hanao ratsy (Ek 23:1, 8), na nanaiky ho voatariky ny maro na hiandany amin’ny mpanankarena na mahantra notsaraina. (Ek 23:2, 3) Tsy tokony hiahotra hijoro ho vavolombelona izy na dia havany akaiky aza ilay nandika lalàna, ka nivadi-pinoana na nikomy, ohatra.​—De 13:6-11; 21:18-21; Za 13:3.

Raha nandainga ny vavolombelona, dia nampiharina taminy ny sazy saika hampiharina tamin’ny voampanga. (De 19:17-21) Ireo vavolombelona no tsy maintsy nitora-bato voalohany an’izay nomelohina ho faty. Tokony hafana fo hiaro ny fivavahana marina sy madio ary hanaisotra izay ratsy teo amin’ny Israely mantsy izy ireo. Tsy ho sahiny koa ny hijoro ho vavolombelona mandainga raha tsy hoe tena mafy fo angaha izy, satria fantany fa izy no ho voalohany hamono ho faty an’ilay voaheloka.​—De 17:7.

Porofo hita maso sy fandinihana ny toe-javatra. Raha nisy biby fiompy napetrak’olona tany amin’ny namany nefa noviravirain’ny bibidia ilay biby, dia hoentin’ilay namany ny fatin’ilay biby ho porofo, ka tsy ho meloka izy. (Ek 22:10-13) Raha nampangain’ny lehilahy iray hoe tsy virjiny ny vadiny tamin’ny andro nampakarany azy, dia azon’ny rain-dravehivavy nentina teo anatrehan’ny mpitsara ny lamba fitafy novelarina teo amin’ny fandrianan’ilay mpivady vao, ho porofo hoe diso ilay fiampangana. (De 22:13-21) Nekena indraindray ny porofo hita maso, na dia tamin’ny andron’ny loham-pianakaviana fahiny aza. (Ge 38:24-26) Nodinihina koa ny toe-javatra. Raha tao an-tanàna ny zazavavy efa fofombadin’olona no nisy nanolana, dia nanaiky izy matoa tsy niantsoantso mafy. Meloka àry izy.​—De 22:23-27.

Nahiahina ho nanitsakitsa-bady. Azon’ny lehilahy nentina teo anatrehan’ny mpisorona ny vadiny nahiahiny ho nanitsakitsaka azy, na dia tsy nibaboka aza ravehivavy na tsy nisy nahita. I Jehovah izay nahita sy nahalala ny zava-drehetra no nitsara azy. Tsy nampijalijalina akory ravehivavy. Tsy nankarary azy koa na nampiharihary azy ho meloka na tsia ilay zavatra nampiasaina, fa i Jehovah no nitsara azy sy namoaka didim-pitsarana. Tsy naninona izy raha tsy nanan-tsiny, ary tokony hataon’ny vadiny izay hahabevohoka azy. Raha meloka kosa izy, dia ho voa ny taovam-pananahany ka tsy ho afaka hiteraka intsony izy. Tsy nentina hotsarain’i Jehovah toy izany anefa izy raha nisy vavolombelona roa, fa nomelohin’ny mpitsara ary notoraham-bato.​—No 5:11-31.

Taratasy. Nisy isan-karazany izy ireny. Tokony homen’ny lehilahy taratasy fisaraham-panambadiana, ohatra, ny vady nisarahany. (De 24:1; Je 3:8; ampit. Is 50:1.) Nisy koa ny tetirazana, toy ny ao amin’ny Tantara Voalohany. Natao koa ny taratasy fifampivarotana rehefa nisy tany novidina. (Je 32:9-11) Maro ny taratasy nosoratana, ary mety ho nisy notehirizina sy naseho tany amin’ny fitsarana.​—2Sa 11:14; 1Mp 21:8-14; 2Mp 10:1; Ne 2:7.

Fitsarana an’i Jesosy. Ny nitsarana sy nanamelohana an’i Jesosy Kristy no fitsarana tsy ara-drariny indrindra. Efa nikaon-doha hamono azy ho faty ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy. Izay àry no efa masaka tao an-tsain’ireo mpitsara ireo raha mbola tsy notsarainy akory i Jesosy. (Mt 26:3, 4) Nomen’izy ireo vola koa i Jodasy mba hamadika azy. (Lk 22:2-6) Fantatr’izy ireo fa ratsy ny nataony ka tsy nisambotra azy tao an-tempoly tamin’ny andro antoandro izy ireo, fa niandry alina vao nandefa vahoaka nitondra kibay sy sabatra hisambotra azy tao amin’ny toerana mangingina tany ivelan’ny tanàna.​—Lk 22:52, 53.

Nentina tany an-tranon’i Anasy aloha i Jesosy. Mpisoronabe taloha izy io, ary mbola nanana fahefana lehibe. I Kaiafa vinantolahiny no mpisoronabe tamin’izay. (Jn 18:13) Nalaina am-bavany i Jesosy ary nasiana tehamaina. (Jn 18:22) Nentina nifatotra tany amin’i Kaiafa mpisoronabe izy avy eo. Nampiditra vavolombelona mandainga maro ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fitsarana Avo Jiosy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangan’ireo, afa-tsy ny an’ny anankiroa izay nanolana ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 2:19. (Mt 26:59-61; Mr 14:56-59) Farany, nampianiana an’i Jesosy ny mpisoronabe hilaza raha izy no Kristy Zanak’Andriamanitra. Nanaiky i Jesosy, ary niresaka tsy mivantana an’izay voalazan’ny Daniela 7:13. Nandrovitra ny akanjony ilay mpisoronabe, ary nilaza tamin’ilay Fitsarana fa nanevateva an’Andriamanitra i Jesosy. Nomelohina ho faty àry izy. Nororana ny tarehiny avy eo, nasiana totohondry izy, ary nesoesoina. Nifanohitra tamin’ny Lalàna daholo anefa izany.​—Mt 26:57-68; Lk 22:66-71; ampitahao De 25:1, 2 sy Jn 7:51 ary As 23:3.

Rehefa vita tamin’iny alina iny ilay fitsarana tsy ara-dalàna, dia nivory vao maraina ny Fitsarana Avo Jiosy, ary nikaon-doha sy nanamafy an’ilay didy navoakany. (Mr 15:1) Nafatony indray i Jesosy, ary nentiny tany an-dapan’i Pilato Governora, satria hoy ireo: “Tsy azonay atao ny mamono olona.” (Jn 18:31) Nampangainy ho nandrara tsy handoa hetra amin’i Kaisara sy nilaza ny tenany ho Kristy mpanjaka i Jesosy. Homelohin’ny Romanina mantsy izy raha nampangaina hoe nitaona olona hikomy fa tsy hoe nanevateva an’ilay Andriamanitry ny Jiosy. Namotopototra an’i Jesosy i Pilato, saingy tsy nahita hoe inona no azo iampangana azy, ka nilaza tamin’ny Jiosy fa tsy hitany izay helok’i Jesosy. Rehefa fantany hoe Galilianina i Jesosy, dia faly izy nandefa azy tany amin’i Heroda izay nifehy an’i Galilia. Nanontany an’i Jesosy i Heroda, ary nanantena hahita azy hanao famantarana, nefa tsy nety nanao izy. Nanaraby sy nanao azy ho fihomehezana àry i Heroda, ary namerina azy tany amin’i Pilato.​—Lk 23:1-11.

Nitady hevitra hanafahana an’i Jesosy araka ny fanao tamin’izany i Pilato, nefa tsy nanaiky ny Jiosy fa naleony lehilahy nitaona olona hikomy sy namono olona no nafahana. (Jn 18:38-40) Nasain’i Pilato nokaravasina àry i Jesosy, ka nampijalin’ny miaramila indray. Nentin’i Pilato teo ivelany izy avy eo, ary mbola saika hafahany. Hoy anefa ny Jiosy: “Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy! Fantsiho!” Farany, nandidy ny hamantsihana an’i Jesosy i Pilato.​—Mt 27:15-26; Lk 23:13-25; Jn 19:1-16.

Inona avy ny lalàn’Andriamanitra nodikain’ny mpisorona jiosy nitsara an’i Jesosy Kristy?

Ireto ny sasany amin’izany: Nanao kolikoly (De 16:19; 27:25); niray tetika sy nanamboamboatra ny didim-pitsarana ary namadika ny rariny (Ek 23:1, 2, 6, 7; Le 19:15, 35); nampiasa vavolombelona mandainga (Ek 20:16); nangataka ny hanafahana mpamono olona (Barabasy), ka toy ny hoe nandatsa-dra izy ireo ary naloto ilay tany (No 35:31-34; De 19:11-13); nampisahotaka vahoaka na ‘nanaraka ny maro mba hanao ratsy’ (Ek 23:2, 3); nanaraka ny lalàn’ny firenen-kafa satria niantsoantso mafy mba hofantsihana i Jesosy, ary nandika an’ilay lalàna hoe toraham-bato na vonoina ho faty ny olo-meloka fa tsy ampijalijalina vao hahantona eo amin’ny tsato-kazo (Le 18:3-5; De 21:22); nanaiky mpanompo sampy (Kaisara) fa tsy Jiosy ho mpanjaka ka nanda an’ilay Mpanjaka nofidin’Andriamanitra (De 17:14, 15); ary meloka ho namono olona (Ek 20:13).