Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afeka

Afeka

(Afèka) [Fanambanin’ny Renirano].

1. Tanàna azo inoana fa tany avaratr’i Sidona, ary anisan’ny nolazain’i Jehovah tamin’i Josoa fa mbola tokony halaina. (Js 13:4) Misy milaza azy io ho i Afaqa (Afqa ankehitriny) tokotokony ho 39 km any atsinanana avaratratsinanan’i Beyrouth. Any no misy ny loharanon’i Nahr Ibrahim (Adonisy taloha), izay mikoriana mankany Byblos any amoron-tsirak’i Mediterane.

2. Tanàna tany amin’ireo tendrombohitra, any amin’ny faritra atsimon’i Joda, ary voalaza fa tany akaikin’i Hebrona. (Js 15:48, 53, 54) Misy manam-pahaizana mihevitra azy io ho i Kirbet el-Hadaba, tokotokony ho 6 km any atsimoandrefan’i Hebrona. Misy loharano roa eo akaikin’i Kirbet el-Hadaba, ary nahitana sisan-javatra tamin’ny andron’ny Israelita tany amin’ilay faritra.

3. Tanàna tao amin’ny faritanin’i Asera, saingy tsy vitan’ilay foko ny naka azy. (Js 19:24, 30) Afika no iantsoan’ny Mpitsara 1:31 azy io. Misy milaza azy io ho i Tell Kordaneh (Tel Afek), tokotokony ho 8 km any atsimo atsimoatsinanan’i Ako.

4. Tanàna azo inoana fa teo amin’ny Lemak’i Sarôna, rehefa jerena ireo tanàna voatonona miaraka aminy. Anisan’ireo mpanjaka novonoin’i Josoa ny mpanjaka tao. (Js 12:18) Taonjato maro tatỳ aoriana, talohan’ny naha mpanjaka an’i Saoly, dia nitoby tao ny Filistinina talohan’ny handresen’izy ireo ny Israely, izay nitoby tao Ebenezera teo akaiky teo. (1Sa 4:1) Misy mihevitra an’io Afeka io ho tany Ras el-ʽAin (Tel Afek hafa fa tsy ilay etsy amin’ny No. 3) any amin’ny loharanon’ny Reniranon’i Yarkona. Miresaka momba an’i Afeka ny asa soratra ejipsianina sy asyrianina. Voalaza fa teo amin’ny nisy an’i Afeka fahiny no naorina ilay tanànan’i Antipatria resahin’ny Asan’ny Apostoly 23:31. Nanonona ny hoe “tilikambo iray antsoina hoe Afeko” i Josèphe rehefa niresaka momba an’i Antipatria. (Ny Adin’ny Jiosy, II, 513 [xix, 1]) Tokotokony ho 35 km tany atsinanan’izy io no nisy an’i Silo, toerana nakan’ny Israelita ny Vata misy ny fifanekena.

5. Tanàna azo inoana fa teo amin’ny Lemak’i Jezirela, teo anelanelan’ny tanànan’i Sonema sy Jezirela. Tamin’ilay ady nifanaovan’ny Filistinina sy ny Israelita (ady nahafatesan’i Saoly Mpanjaka), dia tao Sonema ny Filistinina tamin’ny voalohany, fa teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa kosa ny Israelita. (1Sa 28:4) Milaza ilay fitantarana avy eo hoe nandroso nankany Afeka ny Filistinina fa ny Israely kosa nidina nankeo amin’ilay loharano tao Jezirela. Nandamina indray ny tafiny tao Afeka ireo andriana mpiray dinan’ny Filistinina ka hitany fa niaraka tamin’i Akisy tao amin’ny vodilaharana i Davida sy ny olony. Nalefan’izy ireo nody ny tafik’i Davida ny ampitso maraina, ary nankany an’ady tany Jezirela ny Filistinina. (1Sa 29:1-11) Natosiky ny Filistinina avy tao Jezirela hiverina tany amin’ny Tendrombohitra Gilboa ny Israelita rehefa resy. Tany vao nifarana ilay fandripahana ary maty i Saoly sy ny zanany telo lahy.​—1Sa 31:1-8.

Misy manam-pahaizana milaza fa tsy nosoratana araka ny filaharany ireo zava-nitranga nahatonga an’iny ady iny ka ilay Afeka teo amin’ny Lemak’i Sarôna ihany ity Afeka ity. (Jereo  AFEKA No. 4.) Miombon-kevitra amin’izany i Yohanan Aharoni. Hoy izy: “Somary nohafohezina ny fitantarana an’iny ady iny, rehefa nampidirina ilay resaka momba an’i Davida. Mbola azo arahina tsara anefa izay nitranga. Namory ny tafiny tao Afeka teo amin’ny loharanon’i Yarkona ireo mpitondra filistinina. (1Sa 29.1) Niomana ho any Jezirela izy ireo tamin’izay (and. 11). ‘Nitoby teo akaikin’ilay loharano tao Jezirela’ ny tafik’i Saoly (and. 1); nilahatra hiady teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa izy ireo iray andro talohan’ilay ady. Teny ampitan’izy ireo tao Sonema no nitoby ny Filistinina (1Sa 28.4). Rehefa nifarana ilay ady, dia ny Filistinina no nandresy, fa i Saoly sy ny zanany telo lahy kosa maty tamin’ilay fandosirana tany Gilboa.”​—Ilay Tany Resahin’ny Baiboly, nadika sy nataon’i A. Rainey, 1979, p. 290, 291.

6. Tanàna resahin’ny 1 Mpanjaka 20:26. Tao no resy i Beni-hadada II, mpanjakan’i Syria. Nandositra tany amin’io tanàna io ny Syrianina, kanjo nianjeran’ny manda ny 27 000 tamin’izy ireo. (1Mp 20:29, 30) Toa io Afeka io koa ilay toerana efa nolazain’i Elisa mpaminany talohan’ny hahafatesany, fa handresen’ny Israelita ny Syrianina amin’ny hoavy. (2Mp 13:17-19, 25) Misy manam-pahaizana milaza fa tao amin’ilay faritra nisy ny tanàna kelin’i Afiq na Fiq, tokotokony ho 5 km any atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia, no nisy an’io Afeka io. Ny sisan-javatra tranainy indrindra hita tao anefa dia tamin’ny taonjato fahefatra T.K. Nisy sisa tavela tamin’ny tanàna voaro mafy iray kosa hita tsy lavitra teo, tao ʽEn Gev, eo amoron’ny Ranomasin’i Galilia. Voalaza fa tanàna voaro mafy tamin’ny taonjato fahafolo ka hatramin’ny taonjato fahavalo T.K. izy io.