Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afo

Afo

Zava-dehibe teo amin’ny fiainan’ny olona fahiny ny afo, toy ny ankehitriny ihany. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa nilaina ny afo rehefa nanadio sy nanefy ary nandrendrika metaly, nahandro sakafo, nanafana trano, nanolotra sorona, ary nandoro emboka manitra. Manimba zavatra koa anefa ny afo rehefa tsy voafehy, ka anisan’ireo zavatra efatra tsy milaza hoe: “Aoka izay!” (Oh 30:15, 16) Noharin’i Jakoba tamin’ny afo àry ny lela tsy voafehy.​—Jk 3:5-8; ampit. Oh 16:27.

Nahay ny atao hoe afo ny mpivady voalohany. Napetrak’i Jehovah teo amin’ny ilany atsinanan’ny zaridainan’i Edena mantsy “ireo kerobima sy ny lelan-tsabatra izay sady mirehitra no mihodinkodina”, rehefa noroahiny hiala tao izy ireo. (Ge 3:24) Mety ho nentin’i Kaina sy Abela teo anoloan’ireo kerobima ireo ny fanatitra natolony ho an’i Jehovah. Azo inoana fa nampiasa afo izy ireo tamin’izay (na dia tsy resahin’ny Baiboly mivantana aza), na nanantena fa handatsaka afo handevonana ny fanatiny ireo kerobima. (Ge 4:3, 4) Tsy maintsy ho nampiasa afo mahamay be i Tobala-kaina rehefa nanefy varahina sy vy, satria mari-pana 1535° C vao mampitsonika vy. (Ge 4:22) ‘Nodorana tao anaty lafaoro’ ny biriky namboarina taorian’ny Safodrano, nefa nisy koa nohamainina tamin’ny masoandro fotsiny. (Ge 11:3) Fanaon’ny olona taloha ny nitondra na naka afo, satria sarotra be ny nandrehitra afo.​—Ge 22:6; Is 30:14.

Nampiasain’Andriamanitra sy ny vahoakany. Nisy anjelin’i Jehovah niseho tamin’i Mosesy tao anaty lelafo, teo amin’ny voaroy nirehitra nefa tsy nety levona. (Ek 3:2) Nisy andry afo nitarika ny Israelita namakivaky ny tany efitra, rehefa alina. Teo ambonin’ny tranolay ilay andry rehefa nijanona izy ireo, ho porofo fa nanatrika teo i Jehovah. (Ek 13:21; 40:38) Nidona-tsetroka ny Tendrombohitra Sinay rehefa nanome Lalàna ho an’ny Israely i Jehovah, satria tamin’ny alalan’ny afo no nanehoany ny voninahiny.​—Ek 19:18; 24:17.

Tao amin’ny tranolay masina sy tempoly. Nampiasaina tao amin’ny tranolay sy ny tempoly ny afo. Nandoro emboka manitra teo ambonin’ny alitaran’ny emboka manitra ny mpisoronabe, isa-maraina sy teo anelanelan’ny takariva roa. (Ek 30:7, 8) Voalazan’ny Lalàna fa tokony havela hirehitra foana ny afo teo ambonin’ny alitaran’ny fanatitra dorana. (Le 6:12, 13) Nino ny Jiosy sy ny olona maro hoe Andriamanitra no nandrehitra an’ilay afo tamin’ny fomba mahagaga. Tsy milaza izany anefa ny Baiboly. Nomen’i Jehovah toromarika mantsy i Mosesy hoe tokony ‘hitondra vainafo eo ambony alitara sy handahatra kitay eo ambony afo’ ny zanakalahin’i Arona, vao nametraka fanatitra teo ambonin’ilay alitara. (Le 1:7, 8) Efa taorian’ny nametrahana an’ireo mpisorona (i Arona sy ny zanany) teo amin’ny toerany sy taorian’ny nanolorana an’ireo fanatitra, vao nandevona an’ireo fanatitra teo ambonin’ilay alitara ny afo avy tamin’i Jehovah, izay mety ho avy tamin’ilay rahona teo ambonin’ny tranolay. Ny ‘handoro tanteraka ny fanatitra dorana sy ireo taviny teo ambony alitara’ àry no antony nampisy an’ilay afo tamin’ny fomba mahagaga, fa tsy ny handrehitra ny kitay teo amin’ilay alitara akory. Azo inoana fa fitambaran’ilay afo avy tamin’Andriamanitra sy ilay afo efa teo ambony alitara, ilay afo tsy nitsahatra nirehitra teo ambony alitara. (Le 8:14–9:24) Nandatsaka afo handevonana an’ireo fanatitra natolotra tamin’ny fitokanana ny tempoly koa i Jehovah, raha vao vita ny vavak’i Solomona.​—2Ta 7:1; jereo koa Mpts 6:21; 1Mp 18:21-39; 1Ta 21:26, izay milaza fa nandatsaka afo i Jehovah rehefa nekeny ny fanatitry ny mpanompony.

Izay notakin’ny Lalàna sy fampiharana didim-pitsarana. Noraran’ny Lalàn’i Mosesy ny fandrehetana afo rehefa Sabata. (Ek 35:3) Raha nitatra ny afo ka tonga hatrany amin’ny sahan’olon-kafa, dia tsy maintsy nanonitra an’izay may ilay nandrehitra azy. (Ek 22:6) Tsy maintsy nodorana ny akanjo na zavatra vita tamin’ny hoditra nisy habokana tsy nety afaka. (Le 13:53-58) Raha nisy olona nandika lalàna sasany, dia notoraham-bato ho faty aloha izy vao nodorana ny fatiny. (Le 20:14; 21:9; Js 7:15, 25) Novonoina tamin’ny sabatra ny mponina tao amin’izay tanàna israelita nivadi-pinoana, ary avy eo nodorana ilay tanàna sy ny zavatra azo babo tao.​—De 13:12-16.

Nisy nodoran’ny Israelita ny tanànan’ny fahavalony. (No 31:10; Js 6:24; 11:11-13) Nodorany koa ny sary sokitra nivavahan’izy ireo sy ny tsato-kazony masina. (De 7:5, 25; 12:3) Nataony tao anaty afo izay metaly azony babo, mba hanadiovana azy ireny.​—No 31:22, 23.

Imbetsaka i Jehovah no nampiasa afo rehefa nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ny mpanao ratsy. (No 11:1; 16:35; 2Mp 1:10-12; Jd 7) Nilatsaka “toy ny afo” ny fahatezerany, rehefa noravan’ny Babylonianina i Joda sy Jerosalema nivadi-pinoana tamin’ny 607 T.K. Nodorana koa ilay tanàna tamin’izay. (2Mp 25:9; Ft 2:3, 4) Nampitandrina an’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny i Jaona Mpanao Batisa, fa hatao batisa amin’ny afo izy ireo. Tanteraka izany rehefa noravan’ny Romanina i Jerosalema tamin’ny taona 70 ary nodorany ny tempoly.​—Mt 3:7-12.

Nampiasain’ny mpanohitra an’Andriamanitra. Nampiasa afo koa ny mpanohitra an’Andriamanitra, rehefa nandrahona sy namono tamin-kabibiana ary nanao sorona. Tezitra tamin’i Jefta, ohatra, ny Efraimita ka nandrahona azy hoe: “Hodoranay miaraka amin’ny tranonao ianao.” Norahonan’ireo Filistinina 30 lahy mpanotrona an’i Samsona koa ny fofombadin’i Samsona hoe hodorany izy sy ny ankohonan-drainy, raha tsy asainy atoron’i Samsona azy ny valin’ny ankamantatra iray ary avy eo lazainy amin’izy ireo. Nodoran’ny Filistinina tokoa ilay vehivavy sy ny rainy, rehefa avy nalefan’i Samsona nankeny an-tanimbolin’ireo mpanompo sampy ireo ny amboadia 300 nisy fanilo nifatotra teo amin’ny rambony. (Mpts 12:1; 14:15; 15:4-6) Nandatsaka afo “avy tany an-danitra” i Satana Devoly, rehefa navelan’Andriamanitra hitsapa ny finoan’i Joba.​—Jb 1:12, 16.

Ireo firenena kananita kosa nandoro ny zanany ho sorona ho an’ny sampiny. Noraran’i Jehovah tsy hanao sorona ny zanany ny Israelita, ary nilaza izy fa hovonoina ho faty izay manao izany. Mbola nanao sorona ny zanany tao amin’ny Lohasahan’i Hinoma ihany anefa ny Israelita mpanompo sampy. (Le 20:2-5; De 12:31; 2Ta 28:1-3; Je 7:31; 19:5) Nofaranan’i Josia mpanjaka tsy nivadika izany fanao mahatsiravina izany, rehefa nozimbazimbainy i Tofeta tao amin’ny Lohasahan’i Hinoma mba tsy ho mendrika ny hatao toeram-pivavahana intsony.​—2Mp 23:10; jereo MOLEKA.

Heviny an’ohatra. Ampiarahina amin’ny teny hoe afo na hoe mirehitra na mandoro ny hoe fitiavana (To 8:6), filan’ny nofo (Ro 1:27; 1Ko 7:9), hatezerana sy didim-pitsarana (Is 30:30; Ml 4:1), ary fihetseham-po lalina (Lk 24:32; 2Ko 11:29, Prot.). Saika tsy hiresaka momba ny tenin’i Jehovah intsony i Jeremia nefa tsy vitany izany, satria toy ny afo nirehitra voahidy tao amin’ny taolany ny teniny. (Je 20:9) Antsoin’ny Baiboly hoe afo mandevona i Jehovah, satria madio tanteraka izy sady mitaky ny hanompoana azy irery ihany, ary handringana an’izay manohitra azy. (De 4:24; 9:3) Mirehitra toy ny afo ny hafanam-pony sy ny hatezerany, ary toy ny afo ny “lelany” sy ny teniny. (Sl 79:5; 89:46; Is 30:27; Je 23:29) Manao ny anjely mpanompony ho afo mandevona koa i Jehovah, ary ho levon’ny afon’ny hafanam-pony “ny tany.”​—Sl 104:1, 4; Ze 3:8; jereo koa Da 7:9, 10.

Mitsapa, mandrendrika, manadio. Oharina amin’ny afon’ny mpandrendrika metaly, na afo fanadiovana volamena sy volafotsy, “ilay iraky ny fifanekena.” Hampiasa an’io irany io àry i Jehovah mba hanadiovana “ny taranak’i Levy.” (Ml 3:1-3; jereo MANADIO SY MANDRENDRIKA METALY.) Sedraina amin’ny afo ny fitaovam-panorenana mba hahitana ny hatsarany. Nasongadin’ny apostoly Paoly àry fa fitaovana tsy mety may no tokony hanorenana eo ambonin’ilay fototra, dia i Jesosy Kristy.​—1Ko 3:10-15.

Samy nampiasana afo sy sira ny sorona natolotra tao amin’ny tempoly. (Le 2:9, 13; Ezk 43:24) Ilazana zavatra tsy mety simba ary koa tsy fivadihana ny sira, araka ilay fitenenana hoe “fifaneken-tsira.” (2Ta 13:5, f.a.p.) Inona kosa no asehon’ilay afo?

Noharin’ny apostoly Petera tamin’ny “afo” misedra finoana ny fitsapana sy fahoriana manjo ny Kristianina. (1Pe 1:6, 7) Nilaza koa izy fa toy ny afo mandoro ny fijaliana noho ny fahamarinana. Hoy izy tamin’ny mpiray finoana taminy: ‘Aoka tsy hahavery hevitra anareo ilay afo mandoro eo aminareo. Natao hitsapana anareo mantsy izany afo izany. Miombom-pijaliana amin’i Kristy ianareo, mba hifalianareo sy hiravoravoanareo mandritra ny fampiharihariana ny voninahiny.’ (1Pe 4:12, 13) Misy vokany tsara izany fijaliana izany, araka ny tenin’i Paoly hoe: “Ny fahoriana mahatonga fiaretana.” (Ro 5:3) Matanjaka sy mafy orina kokoa ny finoan’ny olona niaritra fitsapana mivaivay toy ny “afo mandoro”, noho izy tsy nivadika.​—As 14:22; Ro 12:12.

Fandringanana. Ny afo no tena nampiasaina taloha rehefa nandringana na nandrava. (Js 6:24; De 13:16) Noharin’i Jesosy tamin’ny “afo” àry indraindray ny fandringanana ny ratsy fanahy. (Mt 13:40-42, 49, 50; ampit. Is 66:24; Mt 25:41.) Nampitandrina ny mpianany izy hoe tsy tokony havelan’izy ireo hahatonga azy hanota na ny tanany na ny tongony na ny masony, sao hatsipy any amin’ny Gehena izy ireo. Hoy izy avy eo: “Tsy maintsy hiraraka amin’ny rehetra ny afo, toy ny firaraky ny sira.” Te hilaza izy fa hiraraka amin’izay “rehetra” tsy manaraka an’io fampitandremany io ny ‘afon’ny’ Gehena, izany hoe ho ringana mandrakizay izy ireo.​—Mr 9:43-49; jereo GEHENA.

Nilaza i Petera fa ‘tehirizina ho amin’ny afo ny lanitra sy ny tany ankehitriny.’ Tsy afo ara-bakiteny izany fa fandringanana mandrakizay, rehefa jerena ny teny manodidina sy ny andinin-teny hafa. Ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra ihany no ringan’ilay Safodrano tamin’ny andron’i Noa, fa tsy potika ny lanitra sy ny tany. Toy izany koa fa ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny tontolo ratsy ankehitriny ihany no horinganina, rehefa haharihary i Jesosy Kristy miaraka amin’ny anjeliny mahery ao amin’ny afo midedadeda.​—2Pe 3:5-7, 10-13; 2Te 1:6-10; ampit. Is 66:15, 16, 22, 24.

Ilazana fandringanana mandrakizay koa ny afo ao amin’ny Apokalypsy sy Ezekiela. Voalaza, ohatra, fa hamely an’i Babylona Lehibe “ny tandroka folo” sy “ilay bibidia”, ary handoro azy amin’ny afo. (Ap 17:16, 17) Ho tezitra be i Jehovah rehefa manafika ny vahoakany i Goga sy ny tafiny, ka handatsahany afo sy solifara izy ireo. Hatao kitay mandritra ny fito taona ny fitaovam-piadian’ireo mpanafika ireo. (Ezk 38:19, 22; 39:6, 9, 10) Ho levon’ny afo izay firenena mikomy rehefa afahana i Satana, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Hatsipy ao amin’ny farihy afo, izany hoe ny fahafatesana faharoa, ny Devoly sy izay rehetra tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.​—Ap 20:7-10, 15; 21:8; jereo FARIHY AFO; HINOMA, LOHASAHAN’I.