Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afobe

Afobe

Ny nandikan’ny Fandikan-teny Katolika indraindray ny teny grika hoe haides. Ny teny hebreo hoe sheʼôhl kosa nadikany in-13 hoe “fonenan’ny maty” ary in-53 hoe “seoly.” Ny Fandikan-tenin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy indray nandika ny sheʼôhl in-33 hoe “helo”, nefa koa nandika azy io in-31 hoe “fasana”, ary indray mandeha avy hoe “lavaka” sy hoe “ambany.” Ny haides kosa nadikany impolo hoe “helo.”

Hita etsy ambony fa saika nadikan’ny Fandikan-teny Katolika foana hoe “seoly” ny hoe sheʼôhl, na dia nadikany hoe “fonenan’ny maty” koa aza izy io. Nadikany hoe “afobe” na “fitoeran’ny maty” kosa ny hoe haides. Ny Fandikan-teny Protestanta indray mampiasa ny hoe “fiainan-tsi-hita” rehefa nandika in-65 ny hoe sheʼôhl, sy rehefa nandika ny hoe haides ao amin’ireo andininy 10 ahitana azy io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Nadikany foana hoe “helo” anefa ny teny grika hoe geenna (malagasy: Gehena), toy ny nataon’ny Baiboly maoderina hafa koa.

Hoy ny Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (1981, Boky Faha-2, p. 187) momba ny nandikana an’ireo teny hebreo sy grika ireo hoe “afobe” na “helo”: “HAIDES ... Mifanitsy amin’ny hoe ‘Sheôl’ ao amin’ny T.T. [Testamenta Taloha]. Mampalahelo fa nadika hoe ‘Afobe’ izy io ao amin’ny T.T. [Testamenta Taloha] sy T.V. [Testamenta Vaovao] ao amin’ny [Dikan-teny Nahazoan-dalana].”

Hoy ny Rakipahalalan’i Collier (1986, Boky Faha-12, p. 28) momba ny hoe “Afobe”: “Io no nandikana ny teny hebreo hoe Sheôl ao amin’ny Testamenta Taloha, sy ny teny grika hoe Haides ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Testamenta Vaovao. Ny fonenan’ny maty rehetra anefa ny hoe Sheôl ao amin’ny Testamenta Taloha, na tsara fitondran-tena na tsia ilay olona fony fahavelony. Tsy mahafa-po àry ilay dikan-teny hoe ‘afobe’, rehefa jerena ny dikan’io teny io ankehitriny.”

Tsy mitovy mihitsy amin’ny dikan’ny hoe “afobe” na “helo” tany am-boalohany ny fanazavana azy io ao amin’ilay tononkalo malaza nataon’i Dante (poety italianina, taonjato faha-14) sy ny Paradisa Very nataon’i Milton, izay mahatonga ny olona hino hoe toeram-pijaliana izy io. Efa ela be talohan’i Dante sy Milton anefa no nisy nino hoe toeram-pijaliana ny “afobe.” Hoy ny Rakipahalalana Iraisam-pirenena Grolier (1971, Boky Faha-9, p. 205): “Toerana fanadiovana sy famerenana ho lavorary indray ny afobe, amin’ny Hindoa sy Bodista. Ny Silamo kosa mino hoe toerana fanasaziana mandrakizay izy io.” Ny mpanompo sampy tany Babylona sy Ejipta fahiny koa nino hoe mijalijaly ny olona sasany aorian’ny fahafatesana. Nino ny Babylonianina sy Asyrianina hoe ‘toerana feno zava-mampihorohoro ny tontolon’ny maty, sady anjakan’ireo andriamanitra sy demonia matanjaka be sy lozabe.’ Tsy hodorana mandrakizay izay “any ankoatra”, hoy ny asa soratra ejipsianina fahiny, saingy feno “lavaka misy afo” handefasana ny “voaheloka” any.​—Ny Fivavahan’i Babylonia sy Asyria, nataon’i Morris Jastrow, zanany, 1898, p. 581; Boky ho An’ny Maty, misy sasin-teny nataon’i E. Budge, 1960, p. 135, 144, 149, 151, 153, 161, 200.

Efa hatry ela ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina no mampianatra hoe misy ny “afobe” na “helo.” Hoy àry Ny Rakipahalalana Amerikanina (1956, Boky Faha-14, p. 81): ‘Nadikan’ireo mpandika Baiboly tany am-boalohany foana hoe afobe ny teny hebreo hoe Sheôl sy ireo teny grika hoe Haides sy Gehena. Lasa nisafotofoto sy tsy nazava tamin’olona àry ny hevitr’ilay teny. Mbola tsy nazava ihany izany tatỳ aoriana, na dia nohavaozina aza ny fandikana ny Baiboly. Ireo teny hebreo sy grika ireo ihany mantsy no nampiasain’ireo mpandika teny, saingy ireo litera fotsiny no nadikany.’ Afaka mampitaha an’ireo andininy ahitana ireo teny hebreo sy grika ireo anefa ny mpianatra Baiboly malala-tsaina ka mahatakatra ny tena dikan’izy ireo, rehefa tsy miovaova ny fomba nandikana azy.​—Jereo FASANA; GEHENA; HAIDES; SHEÔL; TARTARA.