Agabo
(Agàbo).
Mpaminany kristianina nidina tany Antiokia any Syria, niaraka tamin’ny mpaminany hafa, tamin’ilay taona nipetrahan’i Paoly tany. Avy tany Jerosalema izy ireo no niainga.
Notarihin’ny fanahy i Agabo, mba hilaza fa “tsy ho ela dia hisy mosary lehibe hanerana ny tany onenana.” (As 11:27, 28) Tanteraka tokoa ilay faminaniana tamin’ny andron’i Klaodio Mpanjaka (41-54). Niresaka momba an’io “mosary lehibe” io ilay Jiosy mpahay tantara atao hoe Josèphe.—Rakitry ny Ela Jiosy, (XX, 51 (ii, 5); XX, 101 (v, 2).
Tonga tany amin’i Paoly tany Kaisaria i Agabo, rehefa hifarana ny dia misionera farany nataon’i Paoly (taona 56 tany ho any). Nalainy ny fehikibon’i Paoly ka nofatorany tamin’iny ny tongotra aman-tanany, mba hampahafantarana fa hosamborina i Paoly any Jerosalema.—As 21:8-11.