Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Agata

Agata

Vatosoa fanao ravaka ary karazana kalsedoanina, izany hoe karazana vatokaranana (quartz) miloko.

Rehefa mipetraka tsikelikely ao anaty lavadavaka amin’ny vato sasany ny silisy ao anaty rano ka manome sosona maromaro, dia lasa agata amin’ny endriny boribory toy ny kanety maro be. Misy amin’ireo sosona maromaro ireo tantera-pahazavana ary misy tsy tantera-pahazavana. Maro loko koa ireo sosona ireo vokatry ny piti-javatra madinika kely ao aminy, izay tsy inona fa zavatra simika misy vy. Hita miaraka ao amin’ny agata ny loko mavo, volontsôkôlà, volondavenona, manga, na mainty. Milahadahatra tsara tarehy ireo loko ireo, ka indraindray lasa toy ny tsipitsipika miavaka, ary indraindray mifangaroharo sy manjavozavo. Mafy kokoa noho ny tsỳ (acier) ny agata, ary azo kosehina hangilatra be.

Mety ho nentin’ny Israelita avy tany Ejipta ny agata nampiasain’izy ireo tany an-tany efitra. Milaza i Pline Zokiny fa nahitana agata mena misy tsipitsipika madinika fotsy tany akaikin’i Thèbes. Io angamba no karazana agata napetaka tamin’ilay “saron-tratra fitsarana” nanaovan’ny mpisoronabe, ary voasokitra teo amin’izy io ny anaran’ny foko iray tamin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely. Agata (heb.: shevôh, karazana vatosoa) ilay vato teo afovoany tamin’ny laharana fahatelo tamin’ny saron-tratra nanaovan’i Arona.​—Ek 28:2, 15, 19, 21; 39:12.