Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahasoerosy

Ahasoerosy

(Ahasoeròsy).

Anarana na anaram-boninahitra iantsoana mpitondra telo, ao amin’ny Soratra Hebreo.

1. Rain’i Dariosy Medianina voaresaka ao amin’ny Daniela 9:1. Mbola tsy fantatra ankehitriny hoe mpanjaka iza marina io Ahasoerosy io.

2. I Cambyse angamba ilay Ahasoerosy resahin’ny Ezra 4:6. Izy no nandimby an’i Kyrosy, ilay nandresy an’i Babylona sy nanafaka an’ireo Jiosy. Nandefasan’ny fahavalon’ny Jiosy taratasy fiampangana an’ireo Jiosy izy raha vao nanjaka kelikely. Tamin’ny 529 ka hatramin’ny 522 T.K. i Cambyse no nanjaka.

3. Azo inoana fa i Ksersesy I, zanak’i Dariosy Lehibe (Dariosy Hystaspe) mpanjaka persianina, ilay Ahasoerosy resahin’ny bokin’i Estera. Voalaza ao fa nanjaka tamin’ny faritany 127 i Ahasoerosy (Ksersesy I), hatrany India ka hatrany Etiopia. Saika tao Sosana foana ny renivohiny.​—Es 1:1, 2.

Toa nisaina nanomboka tamin’ny taona niarahany nanjaka tamin-drainy ny taona nanjakany, ao amin’ny bokin’i Estera. Midika izany fa tamin’ny 496 T.K. izy no nahazo fahefana, ary tamin’ny 495 T.K. ny taona voalohany nanjakany. (Jereo PERSA, PERSIANINA.) Nanao fanasambe izy tamin’ny taona fahatelo nanjakany. Nasainy nankeo koa i Vasty vadiny, mba haseho amin’ny olona sy ny andriana ny hatsaran-tarehiny. Tsy nety anefa i Vasty, ka nirehitra ny fahatezeran’i Ahasoerosy. Tsy nekeny ho vadiny intsony àry i Vasty. (Es 1:3, 10-12, 19-21) Nifidy an’i Estera Jiosy tao anatin’ny virjiny maro izy ho solon’i Vasty, tamin’ny taona fahafito nanjakany. (Es 2:1-4, 16, 17) Nisy didy navoaka tamin’ny taona faha-12 nanjakany fa haripaka ny Jiosy rehetra. Navelany hampiasa ny peratra fanombohan-kaseny i Hamana praiminisitra, mba hanao sonia an’io didy io. Nandamòka anefa ilay tetika noho ny fisalovanan’i Estera sy Mordekay havany. Nahantona i Hamana, ary nisy didy hafa indray navoaka hoe manan-jo hamely an’ireo mpanafika azy ny Jiosy.​—Es 3:1-11; 7:9, 10; 8:3-14; 9:5-10.

“Nampanao asa an-terivozona tao amin’ilay tany sy tany amin’ireo nosin-dranomasina i Ahasoerosy Mpanjaka”, tatỳ aoriana. (Es 10:1) Mifanitsy tsara amin’izay nataon’i Ksersesy izany, satria namita ny ankamaroan’ireo zavatra naorin’i Dariosy rainy tao Persepolisy izy.

Toa i Ksersesy I koa ilay mpanjaka “fahefatra” resahin’ny Daniela 11:2, ka i Kyrosy Lehibe sy Cambyse II ary Dariosy Hystaspe no mpanjaka telo talohany. Nisy mpanjaka persianina fito nifandimby taorian’i Ksersesy. Izy anefa no mpanjaka persianina niady farany tamin’i Gresy, ilay ho lasa firenena matanjaka indrindra, araka ny voalazan’ny andininy manaraka.​—Da 11:3.