Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahaza

Ahaza

(Ahàza) [fanafohezana ny hoe Joahaza, izay midika hoe “I Jehovah Anie Hihazona; I Jehovah dia Nihazona”].

1. Zanakalahin’i Jotama mpanjakan’ny Joda. Vao 20 taona i Ahaza tamin’izy nanomboka nanjaka, ary naharitra 16 taona ny fanjakany.​—2Mp 16:2; 2Ta 28:1.

I Hezekia no zanak’i Ahaza, ary 25 taona i Hezekia tamin’izy nanomboka nanjaka. Midika izany fa tsy ampy 12 taona akory i Ahaza rehefa niteraka azy. (2Mp 18:1, 2) Matetika no eo anelanelan’ny 12 sy 15 taona ny lehilahy no manomboka afaka miteraka, any amin’ny tany tsy dia mafana loatra. Mety ho alohan’izay anefa any amin’ny tany mafana kokoa. Samy hafa koa ny fomban-tany, eo amin’ny resaka fanambadiana. Hazavain’ny boky iray nataon’i E. Littmann (Zeitschrift für Semitistik und verwandte Gebiete, Leipzig, 1927, Boky Faha-5, p. 132) fa fahita ny hoe mbola ankizy nefa efa manambady any amin’ny faritra misy ny Tany Nampanantenaina, na dia ankehitriny aza. Tantarain’ilay boky fa nisy mpirahalahy (8 taona sy 12 taona) izay samy nanambady, ka ny vadin’ilay zokiny aza mbola iray kilasy taminy. Milaza anefa ny sora-tanana hebreo iray (Peshitta syriàka) sy ny sora-tanana sasany amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ao amin’ny 2 Tantara 28:1, hoe efa “dimy amby roapolo taona” i Ahaza tamin’izy nanomboka nanjaka.

Na ahoana na ahoana, dia azo lazaina fa maty tanora ihany i Ahaza sady nalaza ho nanao ratsy. Niroborobo ny fanompoan-tsampy tao amin’ny fanjakany, na dia niasa mafy aza i Isaia sy Hosea ary Mika mpaminany. Tsy vitan’ny hoe navelan’i Ahaza hanompo sampy ny vahoakany, fa izy mihitsy koa no nanao sorona tsy tapaka ho an’ny sampy. Vitany hatramin’ny nandoro ny zanany ho sorona teo amin’ny Lohasahan’i Hinoma. (2Mp 16:3, 4; 2Ta 28:3, 4) Feno olana àry tany Joda nandritra ny fitondran’i Ahaza, noho izy nanaraka ny fivavahan-diso. Niray dina i Syria sy ny fanjakan’ny Israely mba hanafika avy tany avaratra. Nanararaotra nanafika avy tany atsimoatsinanana koa ny Edomita, ary ny Filistinina namely avy tany andrefana. Lasan’ny fahavalo koa ny seranan-tsambon’i Elata, tany amin’ny Hoalan’i ʽAkaba, nefa tena nilaina izy io. Nandritra ny fanafihan’ny fanjakan’ny Israely, dia novonoin’i Zikry, lehilahy matanjaka avy any Efraima, ny iray tamin’ny zanakalahin’i Ahaza Mpanjaka sy ny lehilahy roa mpiara-miasa akaiky taminy. Nisy 120 000 koa no maty tany Joda, ary 200 000 teo ho eo no lasa babo. Tsy afaka niverina tany Joda ireo babo ireo, raha tsy niditra an-tsehatra i Odeda mpaminany sy ireo lohany teo amin’ny taranak’i Efraima.​—2Ta 28:5-15, 17-19; 2Mp 16:5, 6; Is 7:1.

‘Nipararetra ny fon’i’ Ahaza rehefa nandre hoe niray dina ny Syrianina sy ny Israely, mba handringana ny Joda sy hametraka olona tsy taranak’i Davida eo amin’ny fitondrana. Nanome toky an’i Ahaza, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, anefa Andriamanitra fa tsy hitranga izany. Tsy tokony ho nipararetra intsony i Ahaza. Nasaina nangataka famantarana tamin’Andriamanitra izy. Hoy anefa izy: “Tsy hangataka aho, sady tsy hitsapa toetra an’i Jehovah.” (Is 7:2-12) Nanome an’izao famantarana izao i Jehovah, na izany aza: Hisy tovovavy ho bevohoka, ka hiteraka zazalahy atao hoe Imanoela (Momba Antsika (Anay) Andriamanitra), ary mbola tsy ho lehibe akory io zaza io dia hitsahatra ny fandrahonan’i Syria sy ny Israely ny fanjakan’ny Joda.​—Is 7:13-17; 8:5-8.

Naminany i Isaia fa “ho rava” ao anatin’ny “dimy amby enimpolo taona” i Efraima. (Is 7:8) Hoy ny boky Fanazavana ny Baiboly Manontolo (nataon’i Jamieson sy Fausset ary Brown), momba an’io fe-potoana io: “Herintaona na roa taona taorian’izay [taorian’ny nilazan’i Isaia an’ilay faminaniana] no nataon’i Tiglato-pilesera sesitany ny Israely. (2Mp 15:29) Io no nanaovana sesitany azy voalohany. Nataon’i Salmanesera sesitany indray ny Israely, roapolo taona teo ho eo taorian’izay, tamin’ny andro nanjakan’i Hosea. (2Mp 17:1-6) Ny sesitany farany anefa no tena ‘nandrava’ ny Israely ‘tsy ho firenena.’ I Esara-hadona no nanao izany tamin’ny taona faha-22 nanjakan’i Manase, izany hoe 65 taona taorian’ny nilazan’i Isaia an’ilay faminaniana. Nentiny ho babo i Manase mpanjakan’ny Joda, ary nozanahin’ny hafa firenena i Samaria taorian’izay (jereo Ezr 4:2, 3, 10; 2Mp 17:24; 2Ta 33:11).”

Teo ambany fahefan’i Asyria, ary maty tatỳ aoriana. Tsy nino an’i Jehovah anefa i Ahaza, satria natahotra an’i Syria sy Israely mpiray dina. Tsy nandinika tsara izy ka naleony nandefa tsolotra ho an’i Tiglato-pilesera III, mpanjakan’i Asyria, mba hanampiany azy. (Is 7:2-6; 8:12) Marina fa nanafika an’i Syria sy Israely io mpanjakan’i Asyria tia fahefana io, nefa tsy nitondra vahaolana naharitra ho an’i Ahaza izany. “Nampahory azy fa tsy nampahery azy” izany tamin’ny farany (2Ta 28:20), satria lasa teo ambany fahefan’i Asyria ny Joda, noho ny nataony.

Mpanjaka teo ambany fahefan’i Asyria i Ahaza izao. Toa nasaina nankany Damaskosy izy mba hanome voninahitra an’i Tiglato-pilesera III. Nahafinaritra azy ilay alitaran’ny mpanompo sampy hitany tany, ka nalainy tahaka. Nasainy nanamboatra alitara toa an’ilay izy i Oria mpisorona, mba hapetraka teo anoloan’ny tempolin’i Jerosalema. Sahy nanolotra sorona teo ambonin’io “alitara lehibe” io i Ahaza, avy eo. Ilay alitara varahina efa fampiasa kosa nasainy nafindra fa hodinihiny izay hatao amin’ilay izy. (2Mp 16:10-16) Nopotipotehiny ny varahina tamin’ny ankamaroan’ireo fitaovana tao amin’ny tempoly, ary nafindrany ny fanaka hafa. “Noho ny amin’ny mpanjakan’i Asyria” no nanaovany izany rehetra izany, angamba mba handoavana an’ilay hetra be notakina tamin’ny Joda, na mba tsy hahitan’ilay Asyrianina matimatin-karena ny harena sasany tao amin’ny tempoly. Nohidian’i Ahaza ny varavaran’ny tempoly ary “nasiany alitara isaky ny zoron-dalana tao Jerosalema.”​—2Mp 16:17, 18; 2Ta 28:23-25.

Maty i Ahaza, rehefa avy nanjaka 16 taona. Tsy nahay nitondra izy sady nampiroborobo ny fanompoan-tsampy. Marina fa nalevina “tao amin’ny Tanànan’i Davida” toy ny razany izy (2Mp 16:20), nefa tsy nampidirina tao amin’ny fasan’ireo mpanjaka. (2Ta 28:27) Voatonona ao amin’ny lisitr’ireo mpanjaka nifandimby izy rehefa misy fitanisana tetirazana.​—1Ta 3:13; Mt 1:9.

Hita ao amin’ny soratra nataon’i Tiglato-pilesera III ny anaran’i Ahaza, saingy nosoratany hoe Yaohazi.

2. Zafiafin’i Jonatana, zanak’i Saoly Mpanjaka.​—1Ta 8:35, 36.