Ahazia
(Ahazìa) [Nihazona i Jehovah].
Mpanjaka roa no nantsoina hoe Ahazia, ka ny iray mpanjakan’ny Israely ary ny iray an’ny Joda.
1. Zanakalahin’i Ahaba sy Jezebela, ary mpanjakan’ny Israely nandritra ny roa taona, nanomboka tamin’ny 919 T.K. tany ho any. Nivavaka tamin’i 1Mp 22:51-53) Raha vao maty ny rain’i Ahazia, dia nohararaotin’i Moaba izany ka nikomy tamin’ny Israely izy ireo. Tsy nandoa hetra be intsony àry izy ireo, izany hoe tsy nila nanome zanak’ondry 100 000 sy ondrilahy 100 000 mbola tsy nohetezana. (2Mp 1:1; 3:4, 5) Nosoratan’i Mesa, mpanjakan’i Moaba, teo amin’ny Vato Moabita io fikomiana io. Tsy niady mba hifehezana an’i Moaba intsony i Ahazia, angamba noho ny loza nanjo azy taorian’ilay fikomiana. Maty tanora izy vokatr’io loza io.
Bala toy ny ray aman-dreniny izy. (Nanao fifanekena i Ahazia sy Josafata mpanjakan’ny Joda hoe hanao orinasa fanamboarana sambo tao Eziona-gebera, teo amin’ny Hoalan’i ʽAkaba. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra anefa izany, satria ratsy fanahy i Ahazia. Rendrika àry ireo sambo namboarin’izy ireo. (2Ta 20:35-37) Nangataka tamin’i Josafata i Ahazia, mba hisy tantsambo avy tamin’ny fanjakan’ny Israely handeha tamin’ireo sambo, niaraka tamin’ireo tantsambo avy tamin’ny fanjakan’ny Joda. (1Mp 22:48, 49) Nanda anefa i Josafata. Toe-javatra roa no mety ho nitranga ka nahatonga izany: Mety ho talohan’ny naharendrika an’ireo sambo i Ahazia no nanao an’io fangatahana io. Raha izany no izy, dia mety hoe tsy natoky an’i Ahazia i Josafata ary natahotra sao hanafika ny Joda ny fanjakana tany avaratra. Mety ho taorian’ny naharendrika an’ireo sambo koa anefa ilay fangatahana. Raha izay no nitranga, dia mety ho i Ahazia indray no nihevitra fa tsy nahay ireo tantsambon’i Josafata matoa rendrika ireo sambo. Nanolo-kevitra àry izy mba hamboarina ireo sambo simba ary hampiasaina indray, ka hisy tantsambo avy amin’ny fanjakan’ny Israely handeha amin’izy ireo. Nanda àry i Josafata satria efa fantany fa tsy nankasitrahan’Andriamanitra ilay tetikasa.
Nianjera avy teo amin’ny makarakaran’ny efitranony (angamba zavatra nanarona ny hirika fidiran’ny hazavana) tany an-tampon-trano i Ahazia, ka narary mafy tsy afa-nihetsika teo am-pandriana. (2Mp 1:2) Toy ny hoe tsy nisy ilay tena Andriamanitra taminy, ka tany amin’i Bala-zeboba (midika hoe “Tompon’ny Lalitra”), andriamanitry ny Filistinina, izy no naniraka olona mba hahalalany raha ho sitrana izy, na tsia. Notsenain’i Elia mpaminany teny an-dalana ireo iraka, ary nilazany fa tsy hiala eo am-pandriana intsony i Ahazia fa ho faty. Niverina ireo iraka ary nampita izany hafatra izany. Tsy nanetry tena anefa i Ahazia fa naniraka miaramila 50 niaraka tamin’ny lehiben’izy ireo, mba haka an’i Elia ho any aminy. Nipetraka tany an-tendrombohitra i Elia tamin’izay, ary nolazain’ireo taminy ny didin’ny mpanjaka hoe: “Midìna ianao.” Nolevonin’ny afo anefa ireo miaramila ireo, ary toy izany koa ny antoko-miaramila faharoa nalefan’ny mpanjaka. Mafy loha ilay mpanjaka ka mbola naniraka antoko-miaramila fahatelo, ary saika maty koa ireo raha tsy niangavy an’i Elia ilay lehiben’izy ireo mba ‘hitsimbina’ ny ainy sy ny ain’ny miaramilany. Nidina i Elia taorian’izay ary nilaza teo anatrehan’i Ahazia fa ho faty izy. Maty tokoa i Ahazia, ary i Jorama rahalahiny no nanjaka nandimby azy, satria tsy nanan-janakalahy izy.—2Mp 1:2-17.
2. Zanakalahin’i Jorama sy Atalia, ary mpanjakan’ny Joda nandritra ny herintaona (t. 906 T.K.). Zanak’i Ahaba sy Jezebela i Atalia reniny. Tamin’ny fotoana nanjakan’ny rainy, dia notafihin’ny Filistinina sy ny Arabo ny Joda, ary nobaboin’izy ireo ny zanakalahin’i Jorama rehetra afa-tsy Joahaza (Ahazia) faralahiny. (2Ta 21:16, 17; 22:1) Vao 22 taona i Ahazia tamin’izy nahazo seza fiandrianana. Mpanjakazaka i Atalia reniny ka nitaona azy hanao ratsy. (2Mp 8:25-27; 2Ta 22:2-4) Niaraka tamin’i Jorama (anadahin-dreniny), mpanjakan’ny Israely, i Ahazia mba hiady tamin’i Syria tany Ramota-gileada. Naratra i Jorama vokatr’izany, ary namangy azy tany Jezirela i Ahazia tatỳ aoriana.—2Mp 8:28, 29; 9:15; 2Ta 22:5, 6.
Toa mifanohitra ny fitantarana roa momba ny nahafatesan’i Ahazia. (2Mp 9:21-28; 2Ta 22:7-9) Azo inoana anefa fa toy izao no zava-niseho, rehefa ampifanarahina ireo fitantarana ireo: Nihaona tamin’i Jorama sy Ahazia i Jeho, tany akaikin’i Jezirela. Novonoin’i Jeho i Jorama, fa i Ahazia kosa nandositra. Tsy tonga dia nanenjika azy i Jeho fa nanohy ny diany nankany Jezirela mba handringana ny ankohonan’i Ahaba. Niezaka niverina tany Jerosalema i Ahazia tamin’izay, nefa tao Samaria ihany no tongany, ary niafina tao izy. Nanenjika an’i Ahazia ireo miaramilan’i Jeho ka nahatratra azy tao Samaria. Nosamborin’ireo izy ary nentiny tany amin’i Jeho tany akaikin’i Ibleama, tanàna tsy lavitra an’i Jezirela. Mbola tao anatin’ny kalesiny i Ahazia, teny an-dalana hiakatra tany Gora, tany akaikin’i Ibleama, rehefa hitan’i Jeho ka nasainy novonoin’ny miaramilany. Dia nasian’ireo i Ahazia ka naratra. Mbola navelan’ireo handeha anefa izy, ka nandositra tany Megido, ary tany izy no maty noho ny ratrany. Nentina mba halevina tany Jerosalema ny fatiny taorian’izay. Mifameno àry fa tsy mifanohitra ireo fitantarana momba ny nahafatesany.
Milaza ny 2 Tantara 22:7 fa “avy tamin’Andriamanitra” ny nahafatesan’i Ahazia. Nampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra àry i Jeho, rehefa namono azy. Ninamana tamin’ny ankohonan’i Ahaba mantsy i Ahazia nefa nomelohin’Andriamanitra io ankohonana io. Antsoina koa hoe “Azaria” i Ahazia ao amin’ny 2 Tantara 22:6 (“Ahazia” anefa no hita ao amin’io andininy io ao amin’ny sora-tanana hebreo 15), ary antsoina hoe “Joahaza” izy ao amin’ny 2 Tantara 21:17; 25:23 (lasa tovona ny anaran’Andriamanitra eo fa tsy tovana).