Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahidratsy

Ahidratsy

Zavamaniry toa tsy hita izay ilana azy. Teny samihafa tany am-boalohany no nadikan’ny Baiboly hoe “ahidratsy”, saingy tsy tena fantatra hoe zavamaniry inona izy ireny, na dia misy manam-pahaizana miezaka mamantatra azy aza.

Toa avy amin’ny fototeny midika hoe “maimbo” ny hoe bôʼshah (heb.), ka ilazana karazana zavamaniry maimbo na “ahidratsy maimbo” angamba. Nilaza i Joba fa raha nivadika tamin’Andriamanitra izy, dia aoka ho ahidratsy maimbo no haniry ho solon’ny vary orza.​—Jb 31:40.

Heverina fa zavamaniry sy ahidratsy misy tsilo, izay maniry eny an-tanimboly ary vetivety dia mandrakotra tany lao kosa, ny hoe hôhah (heb.). (Jb 31:40; Is 34:13; Ho 9:6) Toa ilazana koa ny tsilo anagorobahana ny taovam-pisefoan’ny trondro mba hitondrana azy ny hoe hôhah. (Jb 41:2) Noresahina tao amin’ny fampitahana koa izy io. (To 2:2) Mety handratra ny tenany sy ny hafa ny mamo mihazona tsilo. Toy izany koa ny tsisy saina mampiasa ohabolana tsy araka ny tokony ho izy, satria tsy hainy ny heviny. (Oh 26:9) Nilaza i Joasy mpanjakan’ny Israely fa toy ny tsilo mangataka ny hanao fifanarahana ara-panambadiana amin’ny sederan’i Libanona i Amazia mpanjakan’ny Joda, izay nirehareha ka te hiady taminy.​—2Mp 14:8, 9; 2Ta 25:18.

Toa karazana ahidratsy maniry amin’ny tany tsy voakarakara na lao kosa ny hoe shayit (heb.). (Is 5:6; 7:23-25; 27:4) Nadika hoe “ahidratsy” izy io, ary ilazana ny olona tsy misy ilana azy fa nivadika ka tokony haringana.​—Is 9:18, 19; 10:17-19; ampit. Da 4:20-22.

Nadika hoe “tsilo” ny hoe kimmôhs (heb.; mr.) ao amin’ny Ohabolana 24:31, ary toa ilazana ahidratsy isan-karazany.​—Jereo TSILO.

Heverina fa tsimparifary (Lolium temulentum) ilay ahidratsy (gr.: zizania) ao amin’ny fanoharan’i Jesosy. (Mt 13:24-30, 36-43) Mitovy be amin’ny vary izy io rehefa maniry, fa rehefa masaka vao hita hoe tsy izy, satria misy voany kely mainty. Mifamatopatotra amin’ny fakam-bary koa ny fakany. Tsy tsara àry ny manongotra azy alohan’ny fotoana. Hahita loza izay mihinana voam-bary miharo voan-tsimparifary. Mahafanina na manapoizina sy mahafaty mihitsy aza ny mofo vita amin’ny lafarinina be voan-tsimparifary. Avy amin’ny holatra maniry ao anatin’ny voan-tsimparifary mantsy ilay poizina.