Ahimana
(Ahimàna).
1. Rahalahin’i Sesay sy Talmay. Azo inoana fa fianakaviambe telo anakita nonina tany Hebrona ry Ahimana sy Sesay ary Talmay, tamin’ny Israelita nijery taratra ny tany Kanana tamin’ny 1512 T.K. (No 13:22, 28, 33) Resin’i Kaleba sy ny Jodianina ireo Anakita ireo, taona maro tatỳ aoriana, ka noroahiny hiala tao Hebrona.—Js 14:10-15; 15:13, 14; Mpts 1:10.
2. Levita azo nitokisana anisan’ny mpiandry vavahadin’i Jerosalema, taorian’ny sesitany tany Babylona.—1Ta 9:17, 18.