Ahinoama
(Ahinoàma) [Rahalahy Mahafinaritra].
1. Vadin’i Saoly Mpanjaka ary zanakavavin’i Ahimaza. Toa izy no renin’i Jonatana.—1Sa 14:49, 50.
2. Vehivavy Jezirelita vadin’i Davida. (1Sa 25:43; 2Sa 2:2) Nanaraka an’i Davida izy tamin’i Davida voatery nonina tany Filistia, ary anisan’ireo nentin’ny Amalekita mpandroba an’i Ziklaga koa izy, saingy avotra soa aman-tsara. (1Sa 27:3; 30:5, 18) Niteraka an’i Amnona lahimatoan’i Davida izy tatỳ aoriana, tany Hebrona.—2Sa 3:2; 1Ta 3:1.