Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahio

Ahio

(Ahìo) [fanafohezana ny hoe Ahia; na mety hidika hoe Rahalahy Kely].

1. Toa zanakalahin’i Beria, sady zafikelin’i Elpala, avy amin’ny fokon’i Benjamina.​—1Ta 8:12-16.

2. Benjamita, zanakalahin’i Jeiela tamin’i Maka.​—1Ta 8:29, 31; 9:35-37.

3. Zanakalahin’i Abinadaba avy any Kiriata-jearima. Rehefa nafindra tany Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena, dia nentina tamin’ny sarety vaovao, ka nandeha teo anoloana i Ahio. I Oza rahalahiny kosa maty tsy tra-drano satria nikasika an’ilay Vata masina.​—2Sa 6:3, 4; 1Ta 13:7-10.