Ahitra
Zavamaniry anisan’ny Gramineae (fianakaviamben’ny ahitra), toy ny voamadinika, fary, volotsangana, ary izay maniry eny amin’ny tampon-tanety sy kijana. Tsy dia hoatr’izany anefa no anasokajian’ny olona ny ahitra, na ankehitriny aza, ka tsy azo inoana hoe navahan’ny Hebreo fahiny ny atao hoe bozaka sy tena ahitra.
Noforonina tamin’ny andro fahatelo (Ge 1:11-13) ny ahitra. Samy mihinana karazana ahitra ny olona sy ny biby. Mety ho ahitra koa anefa ny sakafon’ireo biby izay hohanin’ny olona na hazain’ny biby hafa. Manadio rivotra ny ahitra rehefa tarafin’ny masoandro, toy ny zavamaniry hafa ihany, satria mifoka gazy karbonika ary mamoaka oksizenina ampy ho an’ny olona sy biby. Misandrahaka ny fakany ka tsy kaohin’ny riaka ny tany aniriany. Avy amin’i Jehovah tokoa àry ny ahitra, hoatran’ny tara-masoandro sy orana izay tena ilain’ny ahitra mba haniriany tsara.—Sl 104:14; 147:8; Za 10:1; 2Sa 23:3, 4; Jb 38:25-27; Mt 5:45.
Fantatry ny Israelita fa malazo ny ahitra danihin’ny hainandro rehefa main-tany. Marina àry ny hoe mihelina toy ny an’ny ahitra ny fiainan’ny olona, fa tsy maharitra mandrakizay toa an’i Jehovah sy ny ‘teniny.’ (Sl 90:4-6; 103:15-17; Is 40:6-8; 51:12; 1Pe 1:24, 25) Toy ny ahitra mora malazo koa ny mpanao ratsy. (Sl 37:1, 2) Ny mpankahala an’i Ziona sy izay ho resin’ny miaramila kosa toy ny ahitra tsy lalim-paka maniry eny amin’ny tafo tanimanga, ka mainan’ny rivotra mafana avy any atsinanana na malazo raha mbola tsy ongotana akory.—Sl 129:5, 6; 2Mp 19:25, 26; Is 37:26, 27.
“Hihamatanjaka toy ny ahitra mitsimoka”, izany hoe hahazo hery vao, ny taolan’ny mpanompon’Andriamanitra ho tafaverina any amin’ny taniny.—Is 66:14; ampit. Is 58:9-11.