Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahitra Masira

Ahitra Masira

[Heb.: malloah].

Sakafo nohanin’ny mahantra, ary resahin’ny Baiboly indray mandeha monja. (Jb 30:4) Heverina fa avy amin’ny fototeny midika hoe “sira” ny teny tany am-boalohany, ary nadika koa hoe “anambodihena” (Prot.), “tsimokazo mangidy” (Kat.), ary “anan-dia” (DIEM). Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo kosa nanao hoe halima (gr.; “ahitra masira”, LXX, Bagster), ao amin’ny Joba 30:4. Toa ilazana ny tsiron’ilay zavamaniry masira na ny faritra aniriany ny hoe halima, toy ny hoe malloah ihany.

Maro no mihevitra fa karazana tsikobokobondanitra (Atriplex halimus) ilay malloah resahin’ny Baiboly. Mahatratra 1 ka hatramin’ny 2 m ny haavony. Maniry amin’ny tany misy sira io hazo madinika io, ary misy voninkazo kely volomparasy, rehefa lohataona. Kely matevina sy marikivy ny raviny.