Ahozata
(Ahozàta) [Fananana].
Naman’i Abimeleka mpanjaka filistinina, mpanjakan’i Gerara. “Namany akaiky” i Ahozata ary niaraka taminy rehefa nitsidika an’i Isaka tany Beri-sheba izy. (Ge 26:23, 26) Eo ny Baiboly no miresaka voalohany momba ny “namana akaiky”, izany hoe olona akaikin’ny fo sy atokisana ary angatahana torohevitra, na omena fahefana ho mpitondra teny.—Jereo NAMANA (Naman’ny mpanjaka).