Ainona
(Ainòna).
Toerana “nisy rano be.” Tao i Jaona Mpanao Batisa no nanao batisa olona taorian’ny Paska taona 30. (Jn 3:23) Tany akaikin’i Saleima, izay toa toerana be mpahafantatra, no nisy azy io. Tsy fantatra hoe taiza marina no nisy an’i Ainona sy Saleima. Nilaza anefa i Eusèbe evekan’i Kaisaria, izay niaina tamin’ny taonjato fahatelo sy fahefatra, fa tany amin’ny Lohasahan’i Jordana no nisy azy ireo, tokony ho 12 km tany atsimon’i Beti-sana. Any amin’iny faritra iny mantsy no misy an’i Tell Ridga (Tel Shalem), izay voalaza fa i Saleima. Misy loharano maromaro any akaikin’izy io, ka mifanaraka tsara amin’izay nolazain’i Eusèbe momba an’i Ainona.