Akada
(Akàda).
Iray tamin’ireo tanàna efatra naorin’i Nimroda, rehefa ‘niandoha ny fanjakany.’ (Ge 10:10) Maro no mihevitra azy io ho ilay tanàna fahiny atao hoe Agadé. Tsy fantatra anefa hoe taiza no nisy azy io.
Antsoina hoe Akada koa ilay faritra avaratra manontolo tamin’ilay nantsoina tatỳ aoriana hoe Babylonia. Toa nanjary nalaza i Akada tamin’ny andron’i Sargona I (tsy ilay Sargona ao amin’ny Is 20:1), rehefa lasa tanànan’ny mpanjaka na tanàna lehibe indrindra tao amin’ilay faritra. Nantsoina hoe Somera kosa ny faritra atsimon’i Mezopotamia. Ireo faritra roa ireo nitambatra no lasa Babylonia. Ao amin’ny soratra babylonianina, dia nantsoina foana hoe “mpanjakan’i Akada” ireo mpitondra tany, mandra-paharesin’i Babylona tamin’ny 539 T.K. Resahin’ny Varingarin’i Kyrosy fa nandray ny anaram-boninahitra hoe “Mpanjakan’i Babylona, mpanjakan’i Somera sy Akada” ilay nandresy an’i Babylona.
Toa nahay nanao taozavatra tsara tarehy sy tombo-kase voakaly tsara kokoa noho ny Somerianina ny Akadianina. Antsoina hoe akadianina ankehitriny ny fiteny fahiny nampiasain’ny Asyrianina sy Babylonianina.