Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Akaia

Akaia

(Akaià).

Faritra kely iray tany Peloponezy, talohan’ny fandresen’ny Romanina tamin’ny 146 T.K. Teo amin’ny morontsiraka atsimon’ny hoalan’i Korinto no nisy an’i Akaia, teo amin’ny toerana mitovitovy amin’ilay antsoina ankehitriny hoe Akaia.

SARITANY: Akaia

Nantsoin’i Homère hoe Akaianina ny Grika, tao amin’ireo tononkalony. Rehefa resy ny Grika, dia matetika ny Romanina no niantso an’i Gresy manontolo hoe Akaia, satria tena nalaza ilay antoko politika natanjaka indrindra tany Gresy nantsoina hoe Vondron’i Akaia (tanàna maromaro mpiray dina).

Lasa niantsoana an’i Peloponezy iray manontolo sy ny ampahany tamin’ny kontinanta nisy an’i Gresy ny hoe Akaia, tamin’ny taona 27 T.K., rehefa nalamin’i Aogosto Kaisara i Makedonia sy Akaia, izay samy faritany tany Gresy. Ny Antenimieran-doholona Romanina no nitantana ny raharaham-panjakana tao amin’ny faritanin’i Akaia, ka governoram-paritra no nitondra avy tao Korinto (renivohitr’i Akaia). (2Ko 1:1) Anisan’ny tanànan’i Akaia resahin’ny Soratra Grika Kristianina koa i Atena sy Kenkrea. Matetika no tononina miaraka ny faritanin’i Akaia sy ny faritanin’i Makedonia, izay teo avarany.​—As 18:1, 18; 19:21; Ro 15:26; 16:1; 1Te 1:7, 8.

Mpanjaka tao amin’ny faritanin’i Mésie no nasain’i Tiberio nifehy an’i Akaia sy Makedonia tamin’ny taona 15, ho setrin’ny fitarainana noho ny fidangan’ny hetra. Ny tao Mésie foana no nitondra an’i Akaia sy Makedonia hatramin’ny taona 44. Tamin’io taona io i Klaodio Mpanjaka no namerina ny fitondrana an’ireo faritany ireo tamin’ny Antenimieran-doholona, ka ny governoram-paritra tany Korinto indray no nitondra azy ireo. Misy tsy mahalala izany ka manakiana ny voalazan’ny Baiboly hoe nentina teo anatrehan’i Galio “governoram-paritr’i Akaia” i Paoly. (As 18:12) Nisy soratra hita anefa tany Delphes, ka voaporofo fa governoram-paritra atao hoe Gaio no nitondra an’i Akaia, tamin’ny fotoana nanoratan’i Lioka mpahay tantara ny bokin’ny Asan’ny Apostoly.​—Jereo GALIO.

Nilaza ny apostoly Paoly fa nalala-tanana ny Kristianina tany amin’ny faritanin’i Akaia, satria nanao fanomezana ho an’ireo rahalahiny nahantra tany Jerosalema. (Ro 15:26) Nijanona ela tany Akaia i Paoly, tamin’ny dia misionera faharoa sy fahatelo nataony, ary nasehony hoe tena tiany ny rahalahy tany.​—2Ko 11:10.