Akany
Toerana amboarin’ny vorona na biby mba hitaizany ny zanany; trano na tanàna nahaterahana na nonenana fony fahazaza.—Oh 27:8; Is 10:14; 16:2.
Samy hafa ny toerana misy ny akany, ny habeny, ary ny fomba anaovan’ny vorona azy, arakaraka izay ilany azy. Misy manao akany eo amin’ny tany, fasika (eo amin’ny tany na harambato koa ny ‘akanin’ny’ bibilava; Is 34:15, Kat.), ahitra, kirihitra, vatolampy, hazo, lavaka amin’ny vatan-kazo, hantsana amoron-dranomasina, tendrombohitra, lavaka anaty tranon’olona, na eny ambony rano eo anelanelan’ny bararata. Rantsankazo, ravinkazo, ahidrano, volonondry, landihazo, vilona, mololo, volonkazo, volon’ny biby na vorona na soavaly, volombolon’ny zavamaniry, tapa-damba sy ny sisa no anaovany azy. Miaro ny vorona amin’ny mpiremby, oram-baratra, hafanana ary hatsiaka ny akaniny.
‘Manorina ny akaniny eny amin’ny avo’ ny voromahery, ary ‘mitoetra sy matory eny amin’ny harambato, dia eny amin’ny tendrony maranitra sy eny amin’ny toerana sarotra aleha.’ Tena hendry àry ny Mpamorona azy. (Jb 39:27, 28) “Manaitaitra an’izay ao amin’ny akaniny” ny voromahery, rehefa mandrisika na manosika ny zanany hiala ao mba hampianarany azy hanidina. Toy ilay vorona manara-maso sy miahy ny zanany vao miana-manidina koa i Jehovah, rehefa nikarakara an’ilay firenen’Israely vao niforona, tamin’izy ireo niala tany Ejipta sy namakivaky ny tany efitra ary nanorim-ponenana tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—De 32:11; jereo VOROMAHERY.
Misy koa voromailala manao akany eny amin’ny harambato, toy ny eny an-tsefatsefa-bato na ao amin’ny lava-bato eny akaikin’ny Ranomasina Maty. Mety ho izany no tao an-tsain’i Jeremia tamin’izy nanameloka an’i Moaba izay nonina teny amin’ilay faritra. Hoy izy: “Ilaozy ny tanànanareo, ka mitoera ao amin’ny harambato, ry mponin’i Moaba ô! Aoka ianareo ho toy ny voromailala manao ny akaniny eny akaikin’ny vava lavaka.”—Je 48:28; ampitahao amin’ny tenin’i Balama ao amin’ny No 24:21.
Ny vorona hafa kosa nanao akany teny amin’ny ravina matevin’ny sederan’i Libanona, izay azony nialofana sy niafenana mandavantaona. Porofo koa izany fa miahy ny zavaboariny Andriamanitra.—Sl 104:16, 17.
Voararan’ny Lalàna ny hoe naka atody na zana-borona tao amin’ny akaniny sady namono ny reniny, satria lasa lany tamingana ilay vorona. Tsy tokony hovonoina ny reniny fa avela hanatody indray.—De 22:6, 7.
Hoy ny mpanora-dalàna iray tamin’i Jesosy: “Mpampianatra ô, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao.” Hoy anefa izy: “Ny amboadia manan-davaka hisitrihana, ary ny voro-manidina manam-pialofana [na “akany”], fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana izay hametrahany ny lohany.” (Mt 8:19, 20; Lk 9:57, 58) Nila nahafoy fiainana mampiadana àry io lehilahy io ka tsy maintsy natoky tanteraka an’i Jehovah, raha te ho mpianatr’i Jesosy. Mifanaraka amin’izany ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy ny mpianany hoe: “Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio”, sy ny teniny hoe: “Koa tsy afaka ny ho mpianatro tokoa izay tsy mahafoy ny fananany rehetra.”—Mt 6:11; Lk 14:33.
Heviny an’ohatra. Avo toerana toy ny akanin’ny voromahery ny tendrombohitra nonenan’i Edoma. Nanambony tena sy nirehareha koa anefa izy, ka nomelohin’Andriamanitra.—Je 49:15-18; Ob 1-4; ampitahao amin’ny fanamelohan’Andriamanitra an’i Babylona ao amin’ny Ha 1:6; 2:6-11.
Nijoalajoala ireo hazon’i Libanona, ary sarobidy ny hazo sederany ka nampiasain’ny mpanjaka sy mpanefohefo hanorenana trano, hoy i Jeremia tamin’izy nanameloka an’i Jerosalema. Saika sedera avokoa no nanaovana ny lapan’ny mpanjakan’ny Je 22:6, 23.
Joda sy ny tranom-panjakana tao Jerosalema. Toy ny hoe ‘nonina tany Libanona’ àry ny mponin’i Jerosalema, ary ‘nanao akany teny amin’ny sedera’ nefa haetry, hoy i Jeremia.—“Efitrefitra.” Nadika hoe “efitrefitra” (Prot., TV) na “efitra” (Sg) ny hoe kinnim (heb.; “akany”) ao amin’ny Genesisy 6:14. Efitra kely tao anatin’ny sambofiara namboarin’i Noa izy ireny. Toy ny akanim-borona ireny satria nanome fiarovana sy fialofana ho an’ireo olona sy biby tamin’ny fotoana nisian’ny loza.