Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Akasia

Akasia

(akasià) [heb.: shittah].

Hazo fahita tany amin’ny tany efitra nandalovan’ny Israelita. Nahazoan’izy ireo hazo fisaka lava (efa ho 4,5 m ny lavany, araka ny Ek 36:20, 21) nanamboarana ny tranolay masina azo nafindrafindra izy io. Tsy noresahin’ny Soratra Masina intsony io hazo io, rehefa tafiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo, ka mety ho tsy fahita firy tany Palestina izy io. Azo inoana àry fa ilay karazany atao hoe Acacia seyal sy Acacia tortilis io hazo io. Mbola fahita any Negeba sy any amin’ny faritr’i Sinay ny hazo akasia, ary misy koa any amin’ny Lohasahan’i Jordana atsimon’ny Ranomasin’i Galilia, saingy tsy misy any amin’ny faritra avaratr’i Palestina.

Hazo akasia any amin’ny Saikinosin’i Sinay, no nanamboarana ny tranolay masina

Midika hoe “riaka” ny teny arabo hoe seyal, ary ny lohasaha falehan-driaka no ahitana akasia. Ivarinan’ny riaka amin’ny fotoanan’ny orana ireny lohasaha ireny, izay fahita any amin’ny faritra ngazana manodidina ny Ranomasina Maty, sy mianatsimo hatrany amin’ny Tany Efitr’i Arabia ary ny Saikinosin’i Sinay. Hoy àry ny Joela 3:18: “Hisy loharano hifantsitsitra avy ao an-tranon’i Jehovah. Ary izy io hanondraka ny lohasaha falehan-driakan’ny Hazo Akasia”, izay toerana maina matetika. (Jereo SITIMA No. 2.) Hoy koa i Jehovah: “Hampaniriko any an-tany efitra ny sedera sy ny akasia sy ny mirta ary ny hazo mitera-menaka.” (Is 41:19) Any an-tany efitra no anirian’ny akasia, nefa hiara-maniry aminy ny hazo telo maniry amin’ny tany lonaka, noho ny rano hanondrahan’Andriamanitra azy.​—Is 41:17, 18.

Be tsilo ireo sampan’ny akasia misandrahaka, ary lava ny tsilony. Lasa kirihitra matevina ireo akasia mifanakaiky satria mifaningotra ireo sampany. Saika hoe shittim (mr.) foana àry no ilazan’ny Baiboly ny akasia. Mety hahatratra 6 ka hatramin’ny 8 m ny haavon’ny akasia, kanefa ivaiva toy ny kirihitra izy matetika. Malemilemy sy misy lainy ny raviny, mavo mamerovero ny voniny mandrakotra azy, ary lava mahia sy mifaingoka ny fonon’ny voany. Voafono hodiny mainty matevina ilay hazo mafy be sy malamalama ary mavesatra izay tsy laitran’ny bibikely. Tena nety àry raha akasia (izay naniry tany an-tany efitra) no nanaovana ny tranolay masina sy ireto fitaovany ireto: Vata misy ny fifanekena (Ek 25:10; 37:1), latabatry ny mofo aseho (Ek 25:23; 37:10), alitara (Ek 27:1; 37:25; 38:1), sy bao filanjana azy rehetra ireo (Ek 25:13, 28; 27:6; 30:5; 37:4, 15, 28; 38:6), andry nanantonana ny ridao sy lamba fanakonana (Ek 26:32, 37; 36:36), ary ireo rafitry ny tranolay (Ek 26:15; 36:20) sy ny barany nanakambanana azy ireo (Ek 26:26; 36:31).

Mbola tian’ny mpandrafitra mahay ny akasia satria malamalama, mateza, ary mivolondaoranjy sy mivolontsôkôlà tsara tarehy. Akasia no lahin’ny rafitry ny vatam-paty nampiasain’ny Ejipsianina fahiny. Akasia koa no nanamboarany sambo. Ahazoana ditin-kazo amidy ny karazan’akasia sasany.