Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Akbora

Akbora

(Akbôra) [Voalavo Mitsambikina].

1. Rain’i Bala-hanana mpanjakan’i Edoma fahafito.​—Ge 36:38, 39; 1Ta 1:49.

2. Zanakalahin’i Mikaia, sady tandapa natokisan’i Josia Mpanjaka. (2Mp 22:12) Nantsoina hoe “Abdona zanak’i Mika” koa izy. (2Ta 34:20) Naniraka an’i Akbora sy olona efatra hafa i Josia mba hanontany an’i Holda mpaminanivavy momba izay tokony hatao, satria fantatra avy tao amin’ilay bokin’ny Lalàna vao hita fa tezitra be i Jehovah. (2Mp 22:8-14) I Akbora no rain’i Elnatana, andriana tao an-dapan’i Joiakima Mpanjaka. Azo inoana koa fa dadan’ny dadaben’i Joiakina Mpanjaka io Akbora io.​—Je 26:22; 36:12; 2Mp 24:8.