Akeldama
(Akeldamà) [Sahan-dra].
Anarana niantsoan’ny Jiosy an’ilay tany novidina tamin’ny “vola” azon’i Jodasy Iskariota “tamin’ny tsy fahamarinana.” Ny vola namadihany an’i Kristy Jesosy mantsy no nividianana an’io tany io. (As 1:18, 19) Maro no milaza azy io ho i Hakk ed-Domm (midika hoe “Vidin-dra”), toerana mitovy tantana eo amin’ny sisiny atsimon’ny Lohasahan’i Hinoma, vao miakatra kelin’ny tehezan’ny “Havoanan’ny Torohevitra Ratsy.” Misy trano fasiana taolam-paty eo amin’io toerana io, saingy efa rava ilay izy. Eo atsimoatsinanana kelin’izy io no misy ny Minzar Hakal Demaʼ (Monasiteran’i Akeldama), izay naorina teo ambonin’ny lava-bato natao fasana taloha.
Milaza ny Asan’ny Apostoly 1:18 fa “nividy saha” i Jodasy, izany hoe ny vola nomeny no nividianana an’ilay saha, na ny nataony no nahatonga an’ilay saha hovidina. Tantarain’ny Matio 27:3-10 mantsy fa nampiasain’ny mpisorona ireo farantsa volafotsy 30 (raha sekely dia 66 dolara) natsipin’i Jodasy tao amin’ny tempoly mba hividianana an’ilay “Sahan-dra.” Sahan’ny mpanefy tanimanga izy io talohan’izay fa novidin’ny mpisorona “mba hatao fandevenam-bahiny.” (Jereo SAHAN’NY MPANEFY TANIMANGA.) Efa hatramin’ny taonjato voalohany no natao toeram-pandevenana ny toerana voalaza fa nisy an’ilay saha.
Nahoana no nolazain’i Matio hoe tenin’i Jeremia ilay faminaniana ao amin’ny Zakaria 11:12, 13?
Nilaza i Matio fa tanteraka “izay nampilazaina an’i Jeremia mpaminany.” Indraindray, dia ny bokin’i Jeremia no voalohany tao amin’ilay fitambaram-boky nantsoina hoe “Mpaminany Tatỳ Aoriana.” Tsy ny faminanian’i Jeremia ihany anefa no tao fa ny an’i Zakaria koa. (Ampit. Lk 24:44.) Toa tao amin’ny Zakaria 11:12, 13 no nakan’i Matio an’io teny io, fa nolazainy tamin’ny fomba hafa fotsiny, ary nampihariny tamin’ilay zava-nitranga nanatanteraka azy. Notarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra izy tamin’izy nanao izany. Sahan’ny mpanefy tanimanga ilay tany, ka noheverina hoe tsy misy ilana azy intsony ka vidin’andevo iray no mba sahaza ho vidiny.