Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Akisy

Akisy

(Akìsy).

Filistinina mpanjakan’i Gata tamin’ny andron’i Davida sy Solomona. Zanakalahin’i Maoka na Maka izy, ary antsoina hoe Abimeleka ao amin’ny teny mampiditra ny Salamo faha-34. Mety ho anaram-boninahitra toy ny hoe Farao àry ny hoe Abimeleka.​—1Sa 27:2; 1Mp 2:39.

Indroa i Davida no nialokaloka tany amin’i Akisy Mpanjaka, tamin’izy nandositra an’i Saoly. Nody adala izy tamin’ny voalohany, satria nahiahina ho fahavalo. Tsy nosamborin’i Akisy àry izy, satria noheveriny ho olona adaladala ka tsy natahorany. (1Sa 21:10-15; Sl 34:t.m.; 56:t.m.) Niaraka tamin’ny miaramila 600 mbamin’ny fianakavian’ireo kosa i Davida, tamin’izy tonga fanindroany tany. Nomen’i Akisy azy ireo àry i Ziklaga mba honenany. Nihevitra i Akisy fa nanafika tanàna jodianina izy ireo, nandritra ny herintaona sy efa-bolana nipetrahan’izy ireo tany. Ny Gesorita sy ny Girzita ary ny Amalekita anefa no norobain’i Davida. (1Sa 27:1-12) Natoky tanteraka an’i Davida i Akisy ka nataony mpiaro azy izy, rehefa niomana hanafika an’i Saoly Mpanjaka ny Filistinina. Efa handeha hiady mihitsy izy ireo no nandefa an’i Davida sy ny miaramilany hiverina tany Ziklaga i Akisy, rehefa noteren’ireo “andriana mpiray dinan’ny” Filistinina. (1Sa 28:2; 29:1-11) Toa tsy novonoina i Akisy rehefa lasa mpanjaka sy niady tamin’i Gata i Davida. Mbola velona izy tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka.​—1Mp 2:39-41; jereo GATA.