Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ako

Ako

(Àko).

Tanàna misy seranan-tsambo, antsoina koa hoe Akko, na Akra, na Ptolemaisy. Eo amin’ny tendrony avaratry ny Helodranomasin’i Ako (na Helodranomasin’i Haïfa [Mifraz Hefa]) no misy azy io. Mandroso mankao amin’ny Ranomasina Mediterane ny tanjon’ny Tendrombohitra Karmela (tokotokony ho 13 km any atsimon’i Ako), ka izay no nampisy an’io helodranomasina io.

Ako (Ptolemaisy tatỳ aoriana). Nijanona tao ny apostoly Paoly tamin’ny diany farany ho any Jerosalema

Voalaza fa teo amin’ny dongona Tell el-Fokkar (Tel ʽAkko) no nisy an’io tanàna kananita io, tamin’ny andron’ny Mpitsara. Tokotokony ho 1 km avy eo amin’ilay helodranomasina no nisy azy io, izany hoe 1,8 km any atsinanan’ny mandan’ilay antsoina ankehitriny hoe Tanàna Tranainy. Tamin’ny andron’ny Persianina, nanomboka tamin’ny taonjato fahenina T.K., dia niitatra niankandrefana hatrany amin’ilay saikinosy any amin’ny tendrony avaratry ny Helodranomasin’i Haïfa ilay tanàna. Tany no nisy ny seranan-tsambo nanomboka hatreo. Tamin’ny andron’ny Kristianina, dia lasa anisan’ny tanànan’i Ako ilay saikinosy. Anisan’ny faritr’i ʽAkko ankehitriny i Ako.

Tokotokony ho 39 km any atsimon’i Tyro i Ako. Vitsy seranan-tsambo ny morontsirak’i Palestina ka i Ako no lehibe indrindra, mandra-panorin’i Heroda Lehibe an’ilay fefiloha nankany an-dranomasina nanaovany an’i Kaisaria ho seranan-tsambo. Kely kokoa i Ako raha ampitahaina amin’ireo seranan’i Fenisia any avaratra, sady tsy voaro amin’ny rivotra. Tsara toerana anefa izy io, satria akaikin’ny Lemak’i Jezirela (Esdraelona) izay tena mamokatra. Maromaro koa ny lalana fivezivezen’ny entam-barotra nampitohy an’io seranana io tamin’i Galilia, sy ny Lohasahan’i Jordana ary ny tanàna hafa tany atsinanana. Avy tao Ako no nanondranana hazo sy taozavatra ary voamadinika.

Anisan’ny anjara tanin’i Asera tao amin’ny Tany Nampanantenaina i Ako, nefa tsy noroahiny ireo Kananita nonina tao. (Mpts 1:31, 32) Indray mandeha ihany i Ako no miseho ao amin’ny Soratra Hebreo, fa imbetsaka kosa any amin’ny tantara tsy ara-baiboly. Miverina imbetsaka izy io ao amin’ireo Takelaka Hita tao Amarna. Resahin’ny asa soratra hafa fa nofehezin’i Sankeriba sy Asorobanipala (samy mpanjaka asyrianina) i Ako. Lazain’ny boky iray tsy anisan’ny Baiboly fa i Ako no foibe nanohitra ny fitondran’ny Makabeo. (1 Makabeo 5:15, 22, 55; 12:45-48; 13:12) Efa Ptolemaisy no niantsoana azy tamin’izay, anarana avy tamin’i Ptolémée II Philadelphe tany Ejipta.

Zanatany romanina i Ptolemaisy (Ako) tamin’ny andron’i Klaodio Mpanjaka, ary nisy Kristianina tao tamin’ny andron’ny apostoly. Nandalo iray andro tao Ako (nantsoina hoe Ptolemaisy) i Paoly rehefa niverina avy nanao ny dia misionera fahatelo, ka nitsidika an’ireo rahalahy tao, talohan’ny hankanesany tany Kaisaria sy tany Jerosalema.​—As 21:7.

Ny tanànan’i Haïfa izay mifanatrika amin’i ʽAkko indray ankehitriny no nalaza sy lehibe kokoa noho i ʽAkko.