Akoba
(Akòba) [mety hidika hoe Ilay Mihazona Voditongotra; Mpangala-toerana].
1. Razamben’ny fianakaviana netinima iray, izay niara-niverina tamin’i Zerobabela avy tany Babylona tamin’ny 537 T.K.—Ezr 2:1, 2, 43, 45.
2. Levita mpiandry vavahady taorian’ny sesitany. Loham-pianakaviana i Akoba, ary mpiandry vavahady koa ny taranany.—1Ta 9:17; Ezr 2:42; Ne 7:45; 11:19; 12:25.
3. Anisan’ireo Levita 13 nanampy an’i Ezra ‘hanazava ny lalàna tamin’ny vahoaka.’—Ne 8:7, 8.
4. Zanakalahin’i Elioenay, ary ny anarany no voatonona fahefatra tamin’izy fito mirahalahy. Any amin’ny faramparan’ny lisitra ny anaran’i Akoba, rehefa misy fitanisana ny taranak’i Davida ao amin’ny Soratra Hebreo.—1Ta 3:24.