Akofa
Vary akotry (orza na varimbazaha) poakaty. An’ohatra ny akofa resahin’ny Baiboly, nefa ahalalana ny asa teny am-pamoloana fahiny ihany ny andininy miresaka azy ireny. Tsy nilaina ny akofa taorian’ny fijinjana satria tsy azo nohanina, ka nety tsara hilazana zavatra maivan-danja, tsy misy dikany, tsy ilaina, na zavatra tokony havahana sy hariana satria tsy tsara.
FIKOROROHANA.) Toy izany koa no hanesoran’i Jehovah Andriamanitra ny mpivadi-pinoana tsy ho eo anivon’ny vahoakany, sy hamongorany ny ratsy fanahy sy ny firenena manohitra azy. (Jb 21:18; Sl 1:4; 35:5; Is 17:13; 29:5; 41:15; Ho 13:3) Hotorotoroin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fahavalony, ka ho mora paohin’ny rivotra toy ny akofa.—Da 2:35.
Niraraka ny akofa rehefa novelezina teny am-pamoloana ny varimbazaha. Nopaohin’ny rivotra toy ny vovoka izy io avy eo, rehefa nokororohina ny vary. (JereoTsy nilaina ny akofa ka nangonina sy nodorana, sao notsofin’ny rivotra niverina nankeo amin’ny antontam-bary avy nokororohina. Hodorana na haringana koa ny mpitondra fivavahana ratsy fanahy, hoy i Jaona Mpanao Batisa. Hangonin’i Jesosy Kristy ny vary izay toy ny hoe eny am-pamoloana, “fa ny akofa sy ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mety maty.”—Mt 3:7-12; Lk 3:17; jereo ASA ENY AM-PAMOLOANA.