Akoila
(Akoìla) [avy amin’ny teny lat., ary midika hoe “Voromahery”].
Lehilahy jiosy teraka tany Ponto, tany amin’ny faritra avaratr’i Azia Minora. Voatonona miaraka amin’ny anarany foana ny an’i Prisila vadiny sady namany tsy nivadika taminy. Niorim-ponenana tao Korinto izy ireo, rehefa noroahin’i Klaodio Mpanjaka hiala tany Roma ny Jiosy, tamin’ny taona 49 na tany am-piandohan’ny taona 50 tany ho any. (As 18:1, 2) Noraisin’izy mivady tsara tao an-tranony i Paoly rehefa tonga tao Korinto, tamin’ny fararanon’ny taona 50. Lasa mpinamana be izy ireo. Samy mpanao tranolay mantsy izy ireo ka niara-niasa, sady azo inoana koa fa nanampy an’i Paoly tamin’ny fanorenana fiangonana vaovao tao i Akoila sy Prisila.—As 18:3.
Niaraka tamin’i Paoly hatrany Efesosy i Akoila sy Prisila, rehefa nandeha sambo nankany Syria i Paoly tamin’ny faran’ny dia misionera faharoa nataony, tamin’ny lohataonan’ny taona 52 tany ho any. (As 18:18, 19) Nijanona tany izy mivady, fara faharatsiny, mandra-panoratr’i Paoly ny taratasiny ho an’ny Korintianina, tamin’ny taona 55 tany ho any. Tany Efesosy mantsy i Paoly no nanoratra an’io taratasy io. Tao an-tranon’izy mivady no nivory ny fiangonana tany, ary afaka nanampy an’i Apolosy hahazo tsara kokoa ny lalan’Andriamanitra izy ireo, na dia efa mpandahateny mahay aza izy io. (1Ko 16:19; As 18:26) Efa tsy nanjaka intsony i Klaodio tamin’ny taona 56 tany ho any, rehefa nanoratra ho an’ny Romanina i Paoly. Efa niverina tany Roma i Akoila sy Prisila tamin’izay matoa nandefa fiarahabana ho an’ireo “mpiara-miasa” taminy ireo i Paoly. (Ro 16:3) Tao an-tranon’izy ireo koa no nivory ny fiangonana tany. (Ro 16:5) Nisy fotoana nanaovan’i Akoila sy Prisila “vivery ny ainy” hamonjena an’i Paoly, ka mendrika ny hisaoran’ny fiangonana rehetra izy ireo noho izany. (Ro 16:4) Nonina tany Efesosy indray izy ireo tatỳ aoriana satria nasain’i Paoly nampitain’i Timoty tamin’izy mivady ny fanaovam-beloman’i Paoly. Tany Roma i Paoly tamin’izay, taloha kelin’ny hamonoana azy ho faty (t. taona 65).—1Ti 1:3; 2Ti 4:19.