Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Akora

Akora

(Akòra) [Loza; Olana].

Lohasaha na lemaka iva teo amin’ny ilany avaratratsinanana amin’ny sisin-tanin’i Joda. (Js 15:7) Midika hoe “Loza; Olana” ny anaran’ilay lohasaha, satria teo i Akana sy ny ankohonany no notoraham-bato ho faty. Nangalatra sy nanafina zavatra azo babo tany Jeriko mantsy i Akana, ka nitondra loza ho an’ny firenen’Israely. Resy izy ireo, ohatra, rehefa nanafika voalohany an’i Ay.​—Js 7:5-26.

Misy milaza fa ny Lohasaha Falehandriaka el Kilt, izay toy ny hadivory lalina falehan-driaka any akaikin’i Jeriko, ny Lohasahan’i Akora. Tokony ho tany atsimo kokoa anefa izy io raha jerena ny Josoa 15:7, ary tokony halalaka kokoa araka ny Isaia 65:10. Misy àry mihevitra azy io ho i el Bokeiʽa (Bikʽat Horekanya), izay lemaka ngazana sy iva. Mivelatra mianavaratra sy mianatsimo izy io ary manapaka ny Lohasaha Falehan-driaka Qoumrân (Nahal Qoumerân), any akaikin’ny tendrony avaratrandrefan’i Ranomasina Maty. Hitan’ny mpikaroka fa nisy tanàna na tanàna voaro mafy ary koa tohodrano teo amin’io toerana io taloha.

Ao amin’ny Hosea 2:15, dia nampahatsiahy ny fahatanoran’i Israely tamin’izy ireo niala tany Ejipta i Jehovah, sady naminany fa ho lasa babo izy ireo nefa hampodiana indray. Nampanantena izy fa ho lasa “varavaram-panantenana” “ny lemaka ivan’i Akora”, izay toerana nahitan-doza taloha. Voalazan’ny faminaniana hafa iray mitovy amin’io fa ho lasa ‘toeram-pialan-tsasatra ho an’ny omby’ ny lemaka ivan’i Akora, na dia tany efitra aza izy io.​—Is 65:10.