Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aksa

Aksa

(Aksà) [Rojokely haingon-tongotra].

Zanakavavin’i Kaleba, mpitsikilo avy amin’ny fokon’i Joda. Rehefa nahazo ny taniny ny fokon’i Joda, dia nomen’i Kaleba ho vadin’izay mahazo ny tanàna voaro mafin’i Debira i Aksa. I Otniela, zana-drahalahin’i Kaleba sady mpitsara voalohany taorian’i Josoa (Mpts 3:9, 10), no nahazo ilay tanàna ka nanambady an’i Aksa.​—Jereo OTNIELA.

Nangatahin’i Aksa tamin-drainy ho fanomezana fanampiny, ilay faritra tena tsara nisy an’i Golota Ambony sy Golota Ambany rehefa hody tany amin’ny fonenany vaovao izy, ka nomen-drainy azy izany. (Js 15:15-19; Mpts 1:12-15) Mety ho i Aksa no renin’i Hatata.​—1Ta 4:13.