Akziba
(Akzìba) [Toerana Mamitaka].
Anaran-tanàna roa.
1. Tanàna tany amin’ny faritra atsimon’ny Tany Nampanantenaina, tao amin’ny anjara tanin’i Joda. (Js 15:44) Io ihany ilay “Keziba” (Ge 38:5, Prot.), toerana nahaterahan’i Sela zanakalahin’i Joda. Any amin’ny faritra be havoana any Sefela no misy azy io, araka ny Josoa 15:33. Toa izy ilay Tell el-Beida (Horvat Lavnin), 5 km any andrefana atsimoandrefan’i Adolama. Ao amin’io faritra io no misy an’i Lakisy sy Moreseta-gata ary Maresa (tononina miaraka amin’i Akziba ao amin’ny Mi 1:13-15). Voalaza fa i Akziba ihany ilay Kozeba resahin’ny 1 Tantara 4:22.
2. Tanàna fenisianina teny amoron-tsiraka, tao amin’ny anjara tanin’ny fokon’i Asera. (Js 19:29) Tsy resin’ny fokon’i Asera mihitsy anefa i Akziba, sy Ako (Akra) tanàna lehibe kokoa tany atsimo, noho ny fanakanan’ireo sambo fenisianina angamba. (Mpts 1:31, 32) Azon’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria anefa i Akziba tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka. Nantsoiny hoe Akzibi izy io tao amin’ny tantarany. Ecdippa kosa no niantsoana azy tamin’ny andron’ny Grika sy ny Romanina. Maro no mihevitra azy io ho i ez-Zib (Tel Akziv), tokotokony ho 14 km any avaratr’i Ako, eo amin’ny fidirana amin’ny Lohasaha Falehan-driaka Karn (Nahal Keziv).