Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ala

Ala

Ilazana faritra misy ala ny hoe yaʽar (heb.), ary nadika hoe “ala.” (De 19:5; 1Sa 14:25; Js 17:15) Be ala mikitroka nisy hazo isan-karazany tany Palestina fahiny. Rehefa jerena ny fitantaran’ny Baiboly momba ny ala sy ny fampiasana hazo (2Ta 27:4; Mpts 9:48, 49) ary ny bibidia nisy tany, dia betsaka noho ny ankehitriny ny hazo tany, na eo aza ny ezaka atao hambolena hazo any tato ho ato. Fialofana sy fonenana nety tsara ho an’ny orsa (2Mp 2:23, 24), liona (1Sa 17:34; 1Ta 11:22), ary bibidia hafa (Ezk 34:25) ny ala.

Be anefa ny ala ripaka noho ny ady, sy ny fanaovana hazo fisaka be dia be nefa tsy misy fambolen-kazo, ary ny fihinanan’ny osy sy biby hafa tafahoatra ny tsimoky ny hazo vao maniry. Tsy noraharahaina nandritra ny taonjato maro ny ala ka ripaka ny ankamaroany, hoy i Denis Baly. Nofon-tany lonaka 2 m be izao koa no nokaohin’ny riaka ka tany be vato sy ngazana sisa tavela.​—Jeografian’ny Baiboly, 1974, p. 77, 115, 116.

Ireto misy ala vitsivitsy resahin’ny Baiboly: Ny alan’i Libanona izay tsy misy afa-tsy ala kely vitsivitsy ankehitriny, nefa feno hazo nijoalajoala fahiny (1Mp 5:2-10, 13-18; 2Mp 19:23), toy ny sedera, zenevrie, siprey, ary hazo hafa; ny “alan’i Efraima” (angamba “alan’i Mahanaima”), izay nahitan’i Absaloma loza, ary mety ho teo atsinanan’ny Reniranon’i Jordana teo akaikin’i Mahanaima sady toa ala nikitroka fahiny (2Sa 18:6, 8, 17); ary ny “alan’i Hareta” tany Joda. (1Sa 22:5) Nampahalaza ny faritr’i Gileada ny ala sy ny hazo balsama, ary nampahalaza an’i Basana tany avaratra ny “hazo goavam-be”, toa anisan’izany ny hazo oaka. (Is 2:13; Za 11:2) Be aviavidia tany Sefela (izay faritra iva), tamin’ny andron’i Davida sy Solomona. (1Mp 10:27; 1Ta 27:28; 2Ta 1:15; 9:27) Nikitroka ny alana tamariska sy hazomalahelo teo amin’ny Lohasahan’i Jordana, ka nisy liona namitsaka tao.​—Je 12:5; Za 11:3.

Heviny an’ohatra. Oharin’ny Baiboly amin’ny hazo ny olona na mpitondra tsirairay. Ohariny amin’ny ala koa àry ny vahoaka na firenena sy ny mpitondra azy. Ho toy ny afo ny faharatsian’i Joda nivadi-pinoana ka handevona ny vahoakany (Is 9:18), ary ho toy ny lelafo tsy mety maty izay handoro an’i Joda (fanjakana tany atsimo) ny fahatezeran’i Jehovah. (Ezk 20:46-48) Hisy afo koa handoro ny firenena mpanompo sampy fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra. Ny miaramila asyrianina kosa hokapaina toy ny hazo any an’ala ka ho lasa vitsy kely.​—Sl 83:14, 15; Je 46:22, 23; Is 10:19, 34.