Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aleksandra

Aleksandra

(Aleksàndra) [Mpiaro Olona].

1. Aleksandra Lehibe, zanakalahin’i Philippe II mpanjakan’i Makedonia, ary i Olympias no reniny. Teraka tao Pela izy tamin’ny 356 T.K. Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny anarany, kanefa efa voalaza 200 taona talohan’ny nahaterahany fa izy no hitondra ny firenena fahadimy matanjaka indrindra eran-tany.​—Da 8:5-7, 20, 21.

Meday heverina fa misy ny sarin’i Aleksandra Lehibe

Lasa mpanjaka i Aleksandra tamin’izy 20 taona teo ho eo, rehefa nisy namono ny rainy. Ny hifehy an’izao tontolo izao no tanjony ka nandeha niady tamin’ireo firenena izy, roa taona taorian’ny nahazoany fahefana. (Da 8:5) Vitsy ihany ny miaramilany, kanefa nampiasa tetikady tena nahomby io mpitari-tafika tanora sahisahy io. Nasainy nanao andiany nifanety kely sy niara-namindra ny miaramilany, izay samy nitondra ampinga sy lefona. Efa nampiasain-drainy ihany io tetikady io, fa nohatsarain’i Aleksandra fotsiny.

Resiny indroa ny Persianina tany Azia Minora, ka vaky nandositra (ny voalohany teo amoron’ny Renirano Granique; ny faharoa teo amin’ny Lemak’i Issus, izay nandreseny tanteraka ny miaramila persianina tombanana ho 500 000). Tsy nanenjika azy ireo anefa izy, fa ny nosin’i Tyro indray no nokendreny hotafihina. Efa nambaran’ny faminaniana an-jatony taona mialoha fa hatsipy any an-dranomasina ny mandan’i Tyro, ny tilikambony, ireo trano tao ary ny vovoka tao aminy mihitsy aza. (Ezk 26:4, 12) Izany indrindra no nataon’i Aleksandra! Nalainy ireo sisa tavela tamin’ilay tanàna noravan’i Nebokadnezara taona maro talohan’izay, ka nanaovany lalana 800 m hiampitana teny amin’ilay nosy. Nampiasa tafika an-dranomasina sy fitaovam-piadiana hafa izy avy eo, mba hanapotehana an’ilay tanàna nirehareha, ka rava izy io tamin’ny Jolay 332 T.K.

Ny mponin’i Jerosalema kosa nilavo lefona, ka navelan’izy ireo nidanadana ny vavahadiny. Nilaza i Josèphe (Rakitry ny Ela Jiosy, XI, 337 [viii, 5]) fa naseho an’i Aleksandra ny faminanian’i Daniela, angamba ny toko faha-8, izay milaza fa hisy mpanjaka grika handresy ny Fanjakana Persianina. Tsy notafihiny àry i Jerosalema, fa lasa izy nianatsimo nankany Ejipta. Noraisina ho toy ny mpanafaka izy rehefa tonga tany. Nanorina ny tanànan’i Aleksandria izy tany. Lasa nisy sekoly ambony tao, ary tao koa no nanaovana ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Niantsinanana i Aleksandra avy eo, ka nandalo an’i Palestina ary tonga tany akaikin’i Gaugamèles niaraka tamin’ny miaramilany 47 000. Resiny indray ny tafika persianina tany, izay efa nahangona miaramila maro be. Novonoin’ny namany taloha i Dariosy III taoriana kelin’izay, ary nitolo-batana ny Babylonianina. Nataon’i Aleksandra avy eo izay hahazoana an’i Sosa sy Persepolisy. Nanohy ny fanafihany hatrany India (Inde) koa izy, ary niankandrefana indray.

Zava-nitranga taorian’ny fandreseny. Nikasa ny hanorina indray an’i Babylona sy hanao azy io ho renivohiny i Aleksandra, nefa tsy tanteraka izany. Araka ny faminanian’i Daniela, dia tapaka ilay tandroka lehibe. (Da 8:8) Maty tampoka mantsy i Aleksandra tamin’ny 323 T.K., raha vao herotrerony (32 taona). Voan’ny tazomoka izy kanefa tsy noraharahainy loatra ny fahasalamany, ka vao mainka nihombo ilay aretiny. I Jehovah mihitsy koa no efa nilaza hatry ny ela fa tsy haorina intsony i Babylona.​—Je 50:35-40.

Nanana vady roa i Aleksandra: I Roxane, zanakavavin’ilay mpanjakan’i Bactriane efa resiny, sy Statira, zanakavavin’i Dariosy III, mpanjaka persianina. Niteraka an’i Aleksandra (Aigos) izy sy Roxane. Niteraka an’i Héraclès (Hercule) koa izy tamin’ny vehivavy iray hafa natao hoe Barsine. Efa naminany anefa i Daniela fa “tsy ho an’ny taranany” ny fanjakany. Tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra tokoa, dia nisy namono daholo ny fianakaviany sy ny mpandova azy. (Da 11:3, 4) Hoy koa ny Baiboly: “Ary satria tapaka io tandroka io ka nisy efatra nipoitra nisolo azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny fireneny, saingy tsy hitovy hery aminy.” (Da 8:22) Tsy kisendrasendra àry no nifampizaran’ny efatra tamin’ireo jeneraliny an’ilay fanjakany: Lasan’i Séleucus Nicator i Mezopotamia sy Syria, lasan’i Cassandre i Makedonia sy Gresy, lasan’i Ptolémée Lagus i Ejipta sy Palestina, ary lasan’i Lysimaque i Thrace sy Azia Minora.

Namela soritra lalina teo amin’ny tantara i Aleksandra. Nampiely be ny fiteny sy ny kolontsaina grika mantsy ireo fandreseny. Ny fiteny grika tsotra (koine) àry no lasa fiteny iraisam-pirenena, ka teny koine fa tsy teny hebreo intsony no nanoratana ireo boky faramparany ao amin’ny Baiboly.

2. Zanakalahin’i Simona avy any Kyrena sy rahalahin’i Rofosy. I Simona rainy no noterena hitondra ny hazo fijalian’i Jesosy.​—Mr 15:21; Lk 23:26.

3. Havan’i Anasy, lehiben’ny mpisorona, nanatrika ny fitsarana an’i Petera sy Jaona.​—As 4:6.

4. Jiosy iray tany Efesosy rehefa nisahotaka ireo mpanefy volafotsy izay tsy faly tamin’i Paoly. Saika hiresaka tamin’ny vahoaka i Aleksandra, nefa nikiakiaka be izy ireo ka tsy afa-niteny mihitsy izy.​—As 19:33, 34.

5. Ilay notanisaina niaraka tamin’i Hymeneo ka voalaza fa ‘toy ny olona vaky sambo ny amin’ny finoana.’ Noroahina izy satria nanevateva an’Andriamanitra. (1Ti 1:19, 20) Izy ihany angamba ilay No. 6 eo ambany.

6. Ilay mpanefy varahina nampitandremana an’i Timoty, satria efa “betsaka ny ratsy” vitany tamin’i Paoly.​—2Ti 4:14, 15.