Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aleksandria

Aleksandria

(Aleksandrìa).

Tanàna lehibe indrindra nalaza tany Ejipta, tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoliny. Eo amin’ny toerana nisy azy io ihany no misy an’i Aleksandria (na Al-Iskandariyah amin’ny teny arabo) ankehitriny. Seranan-tsambo izy io, fa mbola misy sisa tsy rava tamin’ilay tanàna taloha ao.

SARITANY: Aleksandria Fahiny, Ejipta

I Aleksandra Lehibe no nanorina an’io tanàna io tamin’ny 332 na 331 T.K., ka izany no niantsoana azy hoe Aleksandria. Nanjary tanàna lehibe indrindra tany Ejipta izy io. Lasa renivohitra mihitsy aza izy io tamin’ny fotoana nitondran’ireo tarana-mpanjaka grika avy tamin’i Ptolémée, ka hatramin’ny taona 30 T.K. rehefa nozanahin’i Roma i Ejipta. Avy tao no nitantanana ny raharaham-panjakana rehetra tany Ejipta tamin’ny fotoana nitondran’i Roma sy Byzance, mandra-pandresin’ny Arabo an’i Ejipta tamin’ny taonjato fahafito A.K.

Mety ho nahatratra 500 000 ny mponina tao Aleksandria tamin’ny fotoana nampahalaza be azy, ary maro tamin’izy ireo no Jiosy. Taranak’ireo nitsoaka tany Ejipta taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. ny ankamaroany. Jiosy avokoa, hono, ny ampahatelon’ny mponina tao, tamin’ny andron’i Tiberio. Teo amin’ny faritra avaratratsinanan’ilay tanàna ry zareo no nipetraka, ary navela hanaraka ny lalàny sy hanana ny governorany izy ireo.

Tao Aleksandria no nanaovana ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Io no fandikana voalohany ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny grika. Jiosy tao ihany no nandika azy io, nanomboka tamin’ny fotoana nitondran’i Ptolémée (II) Philadelphe (285-246 T.K.).

Tsy dia voaresaka firy ao amin’ny Baiboly i Aleksandria. Voalaza ao fa nisy “Aleksandrianina”, na Jiosy avy any Aleksandria, ireo niady hevitra tamin’i Stefana talohan’ny nitsarana azy. Avy any Aleksandria koa i Apolosy, lehilahy nahay nandaha-teny. Avy any koa ny roa tamin’ireo sambo nandehanan’i Paoly ho any Roma, tamin’izy voafonja. Anisan’ny andian-tsambo lehibe mpitondra voamadinika angamba izy ireny, ary namakivaky ny Ranomasina Mediterane mba hankanesana tany Potioly, any Italia. Indraindray koa anefa izy ireny nanaraka ny morontsiraka, rehefa nankany amin’ireo seranan-tsambon’i Azia Minora.​—As 6:9; 18:24; 27:6; 28:11.