Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Alfeo

Alfeo

(Alfèo).

1. Rain’ny apostoly Matio Levy, izay mpamory hetra.​—Mt 9:9; Mr 2:14.

2. Rain’i Jakoba kely. Voatonona faha-9 amin’ireo apostoly 12 io Jakoba io. (Mt 10:3; Mr 3:18; Lk 6:15; As 1:13) Voalazan’ny lovantsofina fa i Alfeo ihany no Klopa (Jn 19:25), ary maro ny manam-pahaizana miombon-kevitra amin’izany. Raha izany no izy, dia vadin’ilay “Maria anankiray” i Alfeo. (Mt 27:56; 28:1; Mr 15:40; 16:1; Lk 24:10) Nahoana no mety ho i Alfeo ihany no Klopa? Angamba nisy fomba samy hafa nanononana ny fototenin’ny anarana hoe Alfeo, na nanana anarana roa izy, toy ny fahita tamin’izany andro izany.