Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Alika

Alika

[Heb.: kelev; gr.: kyôn; kynariôn, “alikakely” (Mt 15:26)].

Biby maloto ny alika araka ny Lalàna nomena ny Israelita, ka azo inoana fa tsy tao an-tsainy ny hiompy azy ireny. (Le 11:27; Is 66:3) I Joba irery, izay tsy Israelita, no niresaka momba ny ‘alika mpiandry ny ondriny’, nefa resahin’ny Baiboly matetika ny ondry sy mpiandry ondry.​—Jb 30:1.

Mpihinana fatim-biby toy ny vorona sasany ihany ny alika (Canis familiaris), indrindra fa ireo mpirenireny tao an-tanàna. Milaza ny Lalàna fa tokony hatsipy ho azy ireny ny hena efa noviravirain’ny bibidia. (Ek 22:31) Nomelohin’i Jehovah ny fahavalony hoe hohanin’ny alika ny fatin’izy ireo, ary holelafiny ny ran’izy ireo. Hohanin’ny alika, ohatra, izay ankohonan’i Jeroboama sy Basa ary Ahaba maty tao an-tanàna, satria nivadika tamin’i Jehovah ireo mpanjaka ireo. (1Mp 14:11; 16:4; 21:24) Nolelafin’ny alika tokoa ny ran’i Ahaba, ary nohanin’ireny ny nofon’i Jezebela vadiny. (1Mp 21:19; 22:38; 21:23; 2Mp 9:10, 35, 36) Voalaza koa fa holelafin’ny alika ny ran’ny fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah. (Sl 68:23) Hitaritarika sy hamiravira ary hihinana ny fatin’ireo novonoina tao Jerosalema sy Joda nivadika ny alika, ary hilelaka ny ran’izy ireo.​—Je 15:3.

Heviny an’ohatra. Fanaon’ny alika ny mihinana indray ny sakafo efa naloany. Oharina amin’io fanao maharikoriko io ny ataon’ireo miala amin’ny lalan’ny fahamarinana ka miverina indray amin’ny fahalotoana. (2Pe 2:20-22; Oh 26:11) Alika no iantsoana an’ireo maloto fitondran-tena. Noraran’Andriamanitra, ohatra, ny Israely hoe: “Aza entina ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao mba hanefana voady ny karaman’ny mpivaro-tena na ny vidin’alika [“lehilahy mpijangajanga”, Kat.; “azo inoana fa lehilahy manao firaisana amin-dehilahy, indrindra fa amin’ankizilahikely”, TV, f.a.p.], satria samy zava-maharikoriko amin’i Jehovah Andriamanitrao ireny.” (De 23:18) Hoatran’ny alika mpirenireny mpihinana fatim-biby ireo mpanao zava-maharikoriko, toy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, sy ireo masiaka sy lozabe, ka tsy avela hiditra ao amin’i Jerosalema Vaovao.​—Ap 22:15; jereo koa Fi 3:2.

Fanamavo ireny alika mpirenireny ireny, matoa nivazavaza toy izao i Goliata rehefa nanatona azy tamin’ny tehina i Davida: “Izaho angaha alika?” (1Sa 17:43) Nihevi-tena ho tsinontsinona sy toy ny amboa maty tsy afaka hanisy ratsy an’i Saoly Mpanjaka kosa i Davida, ka hoy izy taminy: “Iza no enjehinao? Amboa maty ve?” (1Sa 24:14) Nanetry tena be koa i Mefiboseta zanak’i Jonatana rehefa niresaka tamin’i Davida Mpanjaka, ka niantso ny tenany hoe “amboa maty.” (2Sa 9:8; jereo koa 2Sa 3:8; 16:9; 2Mp 8:13.) Noharin’i Isaia mpaminany tamin’ny alika moana, matoritory, manam-paniriana mafy, ary tsy misy ilana azy rehefa misy loza, ireo nihambo ho mpitily notendren’Andriamanitra. (Is 56:10, 11) Toy ny alika koa ny fahavalon’ny mpanompon’i Jehovah sy ny tsy Jiosy. (Sl 22:16, 20; 59:6, 14; Mt 15:26, 27; jereo SYRIANINA-FENISIANINA.) Noharin’i Jesosy Kristy tamin’ny alika ireo tsy mankasitraka zavatra ara-panahy. Hoy mantsy izy: “Aza omena ny alika ny zava-masina.”​—Mt 7:6.

Manana heviny ratsy foana ny alika an’ohatra, ka hoy i Jesosy momba ny fietren’ilay Lazarosy tao amin’ny fanoharana nataony: “Tonga ny alika nilelaka ny feriny.” (Lk 16:21) Aleo anefa alika velona toy izay liona maty tsy mahalala na inona na inona, satria sarobidy ny aina.​—Mpto 9:4, 5.

Fomban’ny alika ny milelaka rano sady mijerijery ny manodidina azy. Niresaka an’izany Andriamanitra rehefa nampanao fitsapana an’ireo nirotsaka an-tsitrapo ho miaramilan’i Gideona. Izay mailo ka naka rano tamin’ny tanany ary nilelaka izany “toy ny filelaky ny alika” ihany, no voafidy hiady tamin’ny Midianina.​—Mpts 7:5.