Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Alikadia

Alikadia

[Heb.: tan].

Karazana alika mitovitovy amin’ny amboadia, lava matsoko ny vavany, ary matevina ny rambony. Mbola misy alikadia (Canis aureus) any Palestina. Mety hihaza sy hamono vorona sy zanak’ondry mihitsy izy io, ary saika ny zava-drehetra no haniny, anisan’izany ny voankazo. Fatim-biby anefa no tena haniny. Mahasoa ny olona izany, satria amin’izay tsy miparitaka ny mikraoba amin’ireny fatim-biby ireny. Mihaza amin’ny alina ny alikadia, ary mandeha irery, tsiroaroa, na maromaro. Ny antoandro kosa izy matory any amin’ny toerana lao na rava, lavaka anaty tany, lava-bato, na trano aolo.

Monina any amin’ny faritra mitokana sy ngazana ny alikadia, ka ilazana toerana lao sy tsy misy mponina ny fonenany ao amin’ny Baiboly, toy ny ao amin’ireo faminaniana milaza fa ho lao i Jerosalema, ny tanànan’i Joda, Hazora, Babylona, ary Edoma. (Je 9:11; 10:22; 49:33; 51:37; Is 34:5, 13; Ml 1:3) Voalaza koa fa minaonaona sy midradradradra ny alikadia. (Is 13:22; Mi 1:8) Manomboka mitomany valala izy rehefa mody ny masoandro. Averiny intelo na inefatra izany, ary mihamaranitra ny feony isaky ny miverina ilay izy. Farany mikonainaina izy ary mivovò mafy imbetsaka saingy vetivety.

Manana heviny an’ohatra matetika ny hoe alikadia ao amin’ny Baiboly. Nahatsiaro ho ory dia ory i Joba ka nilaza fa “lasa rahalahin’ny alikadia” izy. (Jb 30:29) Miangona amin’ny toerana nisy ady ny alikadia mba hihinana an’ireo voavono (ampit. Sl 68:23), ka izany angamba no nampitaraina ny mpanao salamo toy izao rehefa resy ny vahoakan’Andriamanitra: “Notorotoroinao tany amin’ny toerana iangonan’ny alikadia izahay.” (Sl 44:19) Mosarena ny mponin’i Jerosalema izay nataon’i Babylona fahirano (607 T.K.), ka lasa lozabe tamin’ny zanany ny reny. Lozabe “ny oloko”, hoy i Jeremia, tsy mba hoatran’ny alikadia vavy mikarakara ny zanany.​—Ft 4:3, 10.

Mafy ny hain-tany tany Joda noho izy io tsy notahin’i Jehovah, ka nisefosefo toy ny fanaon’ny alikadia ny zebra. (Je 14:1, 2, 6) Nampanantena kosa i Jehovah fa hisy ahi-maitso sy bararata ary zozoro ny fonenan’ny alikadia, mba hilazana fa hody any amin’ny taniny ny vahoakany. Hanome voninahitra Azy ny biby, toy ny alikadia, rehefa manome rano ny olony any an-tany efitra Izy.​—Is 35:7; 43:20, 21.