Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Alina

Alina

Ilay fotoana isian’ny haizina eo anelanelan’ny filentehan’ny masoandro sy ny fiposahany no nantsoin’i Jehovah Andriamanitra hoe “Alina.” (Ge 1:5, 14) Neshef no iantsoan’ny Hebreo an’ilay takariva somambisamby ahatazanana voalohany ny kintana aorian’ny filentehan’ny masoandro. Io fotoana fohy io ilay hoe “eo anelanelan’ny takariva roa.” (Ek 12:6; Oh 7:9) Neshef koa no iantsoana ny mangiran-dratsy, rehefa mifarana ny alina. Hoy ny mpanao salamo: “Vao mangiran-dratsy dia efa mifoha aho.”​—Sl 119:147.

Fomba nizaran’ny Hebreo azy. Nozarain’izy ireo ho fotoam-piambenana ny alina. “Rehefa mahatsiaro anao eo am-pandriako aho, mandritra ireo fotoam-piambenana amin’ny alina, dia misaintsaina momba anao.” (Sl 63:6) Toa nisy fotoam-piambenana telo fahiny (nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny fiposahany), matoa nisy “fotoam-piambenana teo antenatenan’ny alina.” (Mpts 7:19) Mety ho naharitra adiny efatra teo ho eo avy izy ireo, arakaraka ny fizaran-taona. Nisy ny fotoam-piambenana voalohany (6:00 hariva eo ho eo-10:00 alina); ny “fotoam-piambenana teo antenatenan’ny alina” (10:00 alina eo ho eo-2:00 maraina eo ho eo), izay fotoana nanafihan’i Gideona tampoka ny tobin’ny Midianita ka nahareseny azy ireo; ary ny fahatelo na “fiambenana maraina” (2:00 maraina eo ho eo-fiposahan’ny masoandro). Tamin’io fiambenana maraina io no nataon’i Jehovah nifanaritaka ny tafika ejipsianina, ka sahirana mafy rehefa namakivaky ny Ranomasina Mena.​—Ek 14:24-28; jereo koa 1Sa 11:11.

Fomba nizaran’ny Romanina azy. Nanahaka ny Grika sy Romanina ny Jiosy nozanahin’ny Romanina, ka nozarainy ho fotoam-piambenana efatra ny alina. Ireo fizarana efatra ireo no noresahin’i Jesosy tamin’ilay hoe: ‘Miambena hatrany, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana no ho avy ny tompon-trano, na amin’ny takariva, na amin’ny misasakalina, na amin’ny maneno akoho, na vao maraina.’ (Mr 13:35) Ireto avy izany: Ny fiambenana “takariva” (filentehan’ny masoandro-9:00 alina eo ho eo); ny fiambenana faharoa na ny “misasakalina” (9:00 alina eo ho eo-misasakalina) (Lk 12:38); ny “maneno akoho” (misasakalina-3:00 maraina eo ho eo; mety ho tamin’io ilay akoho resahin’ny Marka 14:30 no naneno indroa. [Jereo MANENO AKOHO.]); ary ny fiambenana fahefatra na “vao maraina” (3:00 maraina-fiposahan’ny masoandro).​—Mt 14:25; Mr 6:48.

Ny Asan’ny Apostoly 23:23 ihany no miresaka ora voafaritra tsara tao anatin’ny alina (nisy adiny 12). Voalaza ao fa tamin’ny “ora fahatelo” na tamin’ny 9:00 alina teo ho eo no nasaina nalain’ny miaramila tany Jerosalema i Paoly mba ho any Kaisaria.

Niandoha tamin’ny filentehan’ny masoandro ny andro iray tamin’ny Jiosy. Ny an’ny Romanina kosa niandoha sy nifarana tamin’ny misasakalina, ka azo nozaraina ho adiny 12 foana ny andro sy alina tao anatin’ny taona, fa tsy hoe lava kokoa na fohy kokoa arakaraka ny fizaran-taona (tsy toy ny rehefa nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ny andro iray). Izany koa no arahin’ny ankamaroan’ny firenena izao.

Heviny an’ohatra. Manana heviny an’ohatra indraindray ny hoe “alina” ao amin’ny Baiboly. Hoy i Jesosy: “Ho avy ny alina izay tsy hahafahan’ny olona hiasa.” (Jn 9:4) Hotsaraina sy hofantsihana amin’ny hazo fijaliana ary hovonoina tokoa izy, ka tsy ho afaka hanao ny asan-dRainy.​—Jereo Mpto 9:10; Jb 10:21, 22.

Vanim-potoanan’ny haizina anjakan’ilay Fahavalon’Andriamanitra ilay “alina” resahin’ny Romanina 13:11, 12, ary hifarana rehefa manjaka i Kristy Jesosy. (Jereo Ef 6:12, 13; Kl 1:13, 14.) Ny mpanompon’Andriamanitra kosa ao amin’ny mazava satria nampahalalana ny marina, fa tsy hoatran’ity tontolo ity. (1Te 5:1-11) Hita amin’ny fomba fiainany fa “zanaky ny mazava sy zanaky ny andro” izy ireo, ary ‘tsy an’ny alina sady tsy an’ny haizina.’ (Jereo Jn 8:12; 12:36, 46; 1Pe 2:9; 2Ko 6:14.) Hoy koa i Mika mpaminany momba an’ireo mandà ny tari-dalan’Andriamanitra: “Koa ho ao anatin’ny alina ianareo ka tsy hisy fahitana, ary ho ao anatin’ny haizina ka tsy hanao sikidy. Dia hilentika tsy hanazava an’ireo mpaminany ny masoandro, ary ho maizina aminy ny andro.”​—Mi 3:6; ampit. Jn 3:19-21.

Oharina amin’ny alina koa ny fotoan-tsarotra. Amin’ny alina maizina mantsy no misy bibidia mirenireny, miaramila manafika tampoka, mpangalatra miditra an-tsokosoko, ary olona manao zava-dratsy hafa. (Sl 91:5, 6; 104:20, 21; Is 21:4, 8, 9; Da 5:25-31; Ob 5) Tsy hisy an’ireo zava-dratsy ireo ao amin’i “Jerosalema Vaovao” satria “tsy hisy alina intsony” ao.​—Ap 21:2, 25; 22:5.