Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Alitara

Alitara

Zavatra na toerana avoavo fanolorana sorona na fandoroana emboka manitra ho an’ilay tena Andriamanitra na andriamani-kafa. Avy amin’ny matoanteny fototeny hoe zavah (mamono; manao sorona) ny teny hebreo hoe mizbeah (alitara), ka ilazana toerana famonoana na fanaovana sorona. (Ge 8:20; De 12:21; 16:2) Avy amin’ny matoanteny fototeny hoe tyô (mamono; manao sorona) koa ny teny grika hoe tysiasteriôn (alitara). (Mt 22:4; Mr 14:12) Ilazana alitaran’ny andriamani-diso ny teny grika hoe bômôs.​—As 17:23.

Taorian’ny Safodrano no nisy firesahana voalohany momba ny alitara. “Nanorina alitara ho an’i Jehovah i Noa”, ka nanolotra fanatitra dorana teo amboniny. (Ge 8:20) I Kaina sy Abela no hany voatantara fa nanao fanatitra talohan’ny Safodrano. Azo inoana fa nampiasa alitara izy ireo, na dia tsy resahin’ny Baiboly aza izany.​—Ge 4:3, 4.

Nanorina alitara tao Sekema i Abrahama (Ge 12:7), avy eo nanorina teo anelanelan’i Betela sy Ay (Ge 12:8; 13:3), tany Hebrona (Ge 13:18), ary teo an-tendrombohitra Moria, izay nanolorany ondrilahy nomen’Andriamanitra azy ho solon’i Isaka. (Ge 22:9-13) Teo amin’io tendrombohitra io ihany no voalaza hoe nanao sorona teo ambony alitara i Abrahama. Azo inoana anefa fa nanao fanatitra izy isaky ny nanorina alitara, rehefa jerena ny dikan’ny teny hebreo. Nanorina alitara tany Beri-sheba i Isaka (Ge 26:23, 25), ary nanorina tany Sekema sy Betela i Jakoba. (Ge 33:18, 20; 35:1, 3, 7) Nitovy tamin’ny alitara notakin’ny Lalàn’Andriamanitra ny alitara naorin’ny loham-pianakaviana fahiny: Dongon-tany na vato tsy voapaika maromaro mifanongoa natao marin-tampona ilay izy.​—Ek 20:24, 25.

Nanorina alitara nantsoiny hoe Jehovah-nisỳ (Tsato-kazo Famantarana ho Ahy i Jehovah) i Mosesy, rehefa resy ny Amalekita. (Ek 17:15, 16) Nanorina alitara teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay koa izy, rehefa natao tamin’ny Israely ny fifaneken’ny Lalàna. Nisy sorona natolotra teo ambonin’ilay alitara, ary nafafy teo amboniny sy teo amin’ny boky sy ny vahoaka ny ran’ireo biby, mba hampanan-kery an’ilay fifanekena.​—Ek 24:4-8; He 9:17-20.

Alitaran’ny tranolay masina. Alitara roa no naorina araka ny modely nomen’Andriamanitra, rehefa natsangana ny tranolay masina. Hazo akasia natao miendrika vata poakaty, toa tsy nisy tampony sy fanambaniny, no nanaovana ny alitaran’ny fanatitra dorana (na “alitara varahina” [Ek 39:39]). Efamira ilay izy, ka nirefy 2,2 m ny lafiny iray, ary 1,3 m ny haavony. Nasiana “tandrony” ny zorony efatra ambony. Nopetahana takela-barahina ilay alitara manontolo. Nasiana makarakara varahina miendrika harato teo “ambanimbanin’ny” molotry ny alitara, ‘teo amin’ny fisasahany.’ Teo amin’ny zorony efatra teo akaikin’ilay makarakara ny tahony boribory efatra, izay toa nanatsofohana bao filanjana roa vita tamin’ny hazo akasia nopetahana takela-barahina. Mety ho notatahana ny andaniny roa tamin’ilay alitara mba hitsofohan’ilay makarakara, ary tetỳ ivelany teo akaikin’ilay makarakara ireo tahony boribory. Maro anefa ny manam-pahaizana mihevitra hoe valo ireo tahony, ka tetỳ ivelany ny efatra nanatsofohana an’ireo bao filanjana. Varahina ireo fitaovan’ny alitara: Fitoeran-davenona sy lapelina fanesorana lavenona, vilia baolina fanantazana ram-biby, fitrebika fakana hena, ary fitondrana afo.​—Ek 27:1-8; 38:1-7, 30; No 4:14.

Teo anoloan’ny fidirana amin’ny tranolay io alitara varahina nanolorana fanatitra dorana io. (Ek 40:6, 29) Tsy dia avo izy io ka tsy nilana fiakarana. Mety ho nasiana tovon-tany ihany anefa nanodidina azy na nasiana lalana misolampy kely, mba hanamorana ny fikarakarana an’ireo sorona. (Ampitahao amin’ny Le 9:22, izay milaza fa “nidina” i Arona rehefa avy nanao fanatitra.) Teo atsimon’ny alitara ilay tovon-tany na lalana satria novonoina ‘teo avaratry ny alitara’ ny sorona (Le 1:11), teo atsinanany ny “toeran’ny lavenona feno menaka”, dia ny lavenona nesorina teo amin’ny alitara (Le 1:16), ary teo andrefany ny kovetabe varahina fisasana (Ek 30:18).

Alitaran’ny emboka manitra. Natao tamin’ny hazo akasia koa io alitara io (na “alitara volamena” [Ek 39:38]). Nopetahana takela-bolamena ny tampony sy ireo lafiny, ary nasiana sisiny volamena nanodidina ny tampony. Efamira ilay alitara, ka nirefy 44,5 sm ny lafiny iray, ary 89 sm ny haavony. Nasiana “tandrony” koa ny zorony efatra ambony. Nisy tahony boribory volamena roa avy, teo amin’ny andaniny roa, teo ambanin’ilay sisiny volamena. Teo no nitsofohan’ny bao filanjana vita tamin’ny hazo akasia nopetahana takela-bolamena. (Ek 30:1-5; 37:25-28) Nandorana emboka manitra hafakely indroa isan’andro (maraina sy takariva) teo ambonin’ilay alitara. (Ek 30:7-9, 34-38) Nandorana emboka manitra koa ny fitondrana afo, ary azo inoana fa nampiasaina teo amin’ny alitaran’ny emboka manitra izy io. (Le 16:12, 13; He 9:4; Ap 8:5; ampit. 2Ta 26:16, 19.) Teo anoloan’ny ridao nanasaraka ny Masina Indrindra sy Masina ilay alitara, ka azo lazaina hoe ‘teo anoloan’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona.’​—Ek 30:1, 6; 40:5, 26, 27.

Fanamasinana sy fampiasana ny alitaran’ny tranolay masina. Nohosorana sy nohamasinina ireo alitara roa, rehefa napetraka teo amin’ny toerany ny mpisorona. (Ek 40:9, 10) Nahosotra teo amin’ny tandroky ny alitaran’ny fanatitra dorana ny ran’ny biby natao sorona tamin’izay, sy ny ran’ny biby natao fanatitra noho ny ota tatỳ aoriana. Nararaka teo am-pototr’ilay alitara kosa ny ambin-dra. (Ek 29:12; Le 8:15; 9:8, 9) Nisy nafafy tamin’i Arona sy ny zanany lahy ary ny fitafian’izy ireo ny menaka masina fanosorana sy ny ra teo ambony alitara, mba hanamasinana azy ireo rehefa ho vita ny fametrahana azy ireo teo amin’ny toerany. (Le 8:30) Naharitra fito andro ny fanamasinana ny alitaran’ny fanatitra dorana. (Ek 29:37) Nafafy teo amin’ireo lafin’ilay alitara ny ran’ny biby natao fanatitra dorana sy fanatitra iombonana ary fanatitra noho ny heloka tatỳ aoriana. Ny ran’ny vorona kosa nafafy na navela hitsika teo amin’ny lafin’ny alitara. (Le 1:5-17; 3:2-5; 5:7-9; 7:2) Nodorana mba hidona-tsetroka teo ambonin’ilay alitara ny fanatitra varimbazaha, ho “hanitra mampitony” an’i Jehovah. (Le 2:2-12) Nohanin’ny mpisoronabe sy ny zanany teo akaikin’ny alitara ny ambin’ny fanatitra varimbazaha. (Le 10:12) Nodiovin’ny mpisoronabe sy nohamasininy ilay alitara tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana fanao isan-taona, rehefa nisy nahosony teo amin’ny tandrok’ilay alitara sy nafafiny impito teo amboniny ny ran’ny biby natao sorona.​—Le 16:18, 19.

Nodorana mba hidona-tsetroka teo ambonin’ilay alitara ny ampahany tamin’ny biby rehetra natao sorona, ka navela hirehitra teo foana ny afo. (Le 6:9-13) Afo avy teo no nandoroana emboka manitra. (No 16:46) I Arona sy ny taranany tsy nanan-takaitra ihany no nahazo nanolotra fanatitra teo ambony alitara. (Le 21:21-23) Nanampy azy ireo fotsiny ny Levita hafa. Novonoina ho faty izay tsy taranak’i Arona nanakaiky an’ilay alitara. (No 16:40; 18:1-7) Naringana i Kora sy ny olony satria tsy nanaiky an’io fandaharan’Andriamanitra io. Natao takelaka manify ireo fitondrana afo varahina nentin’izy ireo ka napetaka teo amin’ilay alitara, ho famantarana fa tsy nisy nahazo nanatona teo ankoatra ny taranak’i Arona.​—No 16:1-11, 16-18, 36-40.

Nahosotra indray mandeha isan-taona teo amin’ny tandroky ny alitaran’ny emboka manitra ny ran’ny biby natao sorona, ho fandrakofam-pahotana ho an’ilay alitara. Natao toy izany koa ny ran’ny biby natao fanatitra noho ny ota, raha nanota ny mpisorona.​—Ek 30:10; Le 4:7.

Norakofana lamba manga sy hoditra faoky ny alitaran’ny emboka manitra, ary norakofana lamba volonondry nolokoana volomparasy somary mena sy hoditra faoky ny alitaran’ny fanatitra dorana, rehefa nolanjain’ny taranak’i Kehata.​—No 4:11-14; jereo TRANOLAY MASINA.

Alitaran’ny tempoly. Ilay alitara varahina namboarina tany an-tany efitra no nanolorana fanatitra teo amin’ny toerana avo tany Gibeona, talohan’ny nitokanana ny tempolin’i Solomona. (1Mp 3:4; 1Ta 16:39, 40; 21:29, 30; 2Ta 1:3-6) Avo 16 heny noho ny velaran’ilay alitara varahina tao amin’ny tranolay masina ny an’ilay tao amin’ny tempoly. Nirefy 8,9 m teo ho eo ny lafiny iray, ary 4,5 m teo ho eo ny haavony. (2Ta 4:1) Avo ilay izy ka tsy maintsy nasiana fiakarana. Voarara anefa ny nampiasa tohatra satria nampihanjahanja. (Ek 20:26) Misy mihevitra fa azo nasiana tohatra ihany ilay izy, satria nanao kilaoty lava tamin’ny lamba rongony i Arona sy ny zanany lahy. (Ek 28:42, 43) Azo inoana anefa fa lalana misolampy no niakarana nankeo amin’ilay alitaran’ny fanatitra dorana. Toy izany ny fiakarana nankeo amin’ilay alitaran’ny tempoly naorin’i Heroda, hoy i Josèphe. (Ny Adin’ny Jiosy, V, 225, [v, 6]) Mety ho teo atsimon’ilay alitara ilay lalana, raha hoatran’ny tamin’ilay alitaran’ny tranolay masina ihany. Tsara toerana àry ilay “fitoeran-drano lehibe” nisasan’ny mpisorona satria teo atsimo koa izy io. (2Ta 4:2-5, 9, 10) Toa nisy lafiny hafa nitovizan’ny alitaran’ny tempoly tamin’ny alitaran’ny tranolay masina, saingy tsy voalaza ny bikabikany.

Nanorina alitara teo amin’ny Tendrombohitra Moria i Davida, ary natao teo koa ny an’ny tempoly. (2Sa 24:21, 25; 1Ta 21:26; 2Ta 8:12; 15:8) Teo koa i Abrahama, hoy ny lovantsofina, no saika hanolotra an’i Isaka ho sorona. (Ge 22:2) Nararaka teo am-pototr’ilay alitara ny ran’ny biby natao sorona, ary azo inoana fa nisy karazana fantsona nivoahan’ny ra avy teo amin’ny faritry ny tempoly. Nisy fantsona toy izany, hono, nifandray tamin’ny tandroka atsimoandrefan’ny alitara, tao amin’ny tempolin’i Heroda. Nahitana lavaka mifandray amin’ny tionelina ambanin’ny tany mivoaka eo amin’ny Lohasahan’i Kidrona koa tao anaty vatolampy, teo amin’ny faritry ny tempoly.

Natao tamin’ny takela-kazo sedera ny alitaran’ny emboka manitra tao amin’ny tempoly. Toa izay ihany no tsy nitovizany tamin’ilay tao amin’ny tranolay masina. Nopetahana takela-bolamena koa izy io.​—1Mp 6:20, 22; 7:48; 1Ta 28:18; 2Ta 4:19.

Teo anoloan’ny alitaran’ny fanatitra dorana i Solomona no nivavaka rehefa notokanana ny tempoly. Nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra nandevona an’ireo sorona teo ambonin’ilay alitara, rehefa vita ilay vavaka. (2Ta 6:12, 13; 7:1-3) Nirefy 79 m2 mahery ny velaran’ilay alitara varahina. Tsy antonona teo anefa ireo sorona maro be, ka nohamasinina ny ampahany tamin’ny tokotanin’ny tempoly mba hanolorana sorona.​—1Mp 8:62-64.

Natao tsirambina ny alitaran’ny fanatitra dorana tamin’ireo taona faramparany nanjakan’i Solomona, sy tamin’ny andron’i Rehoboama sy Abiama Mpanjaka, ka nohavaozin’i Asa Mpanjaka ilay izy. (2Ta 15:8) Lasa boka i Ozia Mpanjaka satria saika handoro emboka manitra teo amin’ny alitaran’ny emboka manitra. (2Ta 26:16-19) Nafindran’i Ahaza Mpanjaka ny alitaran’ny fanatitra dorana ka nosoloany alitara ho an’ny sampy. (2Mp 16:14) Nasain’i Hezekia zanany nodiovina sy nohamasinina ary nampiasaina indray kosa ilay alitara mbamin’ny fitaovany.​—2Ta 29:18-24, 27; jereo TEMPOLY.

Alitara taorian’ny sesitany. Ny alitaran’ny fanatitra dorana no zavatra voalohany naorin’i Zerobabela sy Jesoa Mpisoronabe ary ireo Jiosy avy tany an-tsesitany. (Ezr 3:2-6) Nisy alitaran’ny emboka manitra natao koa tatỳ aoriana.

Nalain’i Antiokosa Epifana mpanjakan’i Syria ilay alitara volamena fandoroana emboka manitra. Nanorina alitara teo ambonin’ny alitara lehiben’i Jehovah izy roa taona taorian’izay (168 T.K.), ka nanolotra sorona ho an’i Zeosy teo. (1 Makabeo 1:20-64) Nanao alitara vaovao tamin’ny vato tsy voapaika i Jodasy Makabeo tatỳ aoriana, ary naveriny tamin’ny toerany ilay alitaran’ny emboka manitra.​—1 Makabeo 4:44-49.

Vato tsy voapaika koa no nanaovana ny alitaran’ny fanatitra dorana tao amin’ny tempolin’i Heroda. Efamira ilay izy ka nirefy 50 hakiho ny lafiny iray, ary 15 hakiho ny haavony, hoy i Josèphe. (Ny Adin’ny Jiosy, V, 225 [v, 6]) Ny Mishnah jiosy (Middôt 3:1) kosa milaza fa kely kokoa ilay izy. Niresaka momba an’io alitara io i Jesosy. (Mt 5:23, 24; 23:18-20) Tsy voalaza ny bikabikan’ny alitaran’ny emboka manitra tao amin’ilay tempoly. Nitsangana teo ankavanan’izy io ilay anjely niseho tamin’i Zakaria rain’i Jaona.​—Lk 1:11.

Alitaran’ny tempoly hitan’i Ezekiela. Natao teo anoloan’ny tempoly (Ezk 40:47) koa ny alitaran’ny fanatitra dorana tao amin’ny tempoly hitan’i Ezekiela, saingy hafa ny bikany. Nisy ambaratonga mantsy izy io. Hakiho lava (51,8 sm) no refy nampiasaina. Iray hakiho ny hatevin’ny fototr’ilay alitara, ary nisy “molony” nirefy irain-jehy (angamba 26 sm) nanodidina ny sisiny ambony, izay toy ny lakandrano nitanty ny ra nararaka angamba. (Ezk 43:13, 14) Nisy ambaratonga hafa teo ambonin’ilay fototra. Roa hakiho (104 sm teo ho eo) ny haavony, ary latsaka iray hakiho avy ny lafiny efatra, raha oharina amin’ny an’ilay fototra. Efatra hakiho (207 sm teo ho eo) ny haavon’ny ambaratonga nanaraka, ary latsaka iray hakiho avy ny lafiny efatra raha oharina amin’ny an’ny eo ambaniny. Niakatra antsasaky ny hakiho (26 sm teo ho eo) ny sisiny ambony ka toy ny lakandrano kely koa. Farany, nisy fitoeran’afo teo an-tampony. Efatra hakiho ny haavony, ary latsaka iray hakiho avy ny lafiny efatra, raha oharina amin’ny an’ny eo ambaniny. Nisy “tandroka” efatra izy io. Teo atsinanana ny tohatra niakarana nankeo. (Ezk 43:14-17) Naharitra fito andro ny fandrakofana ny fahotan’izy io sy ny fitokanana azy, toy ny tamin’ilay alitara tany an-tany efitra. (Ezk 43:19-26) Natao isaky ny 1 Nisana ny fandrakofana ny fahotan’ilay alitara sy ny toerana masina. (Ezk 45:18, 19) Nikoriana niantsinanana avy tao amin’ny tempoly ny renirano nitondra fanasitranana, ary nandalo teo atsimon’ilay alitara.​—Ezk 47:1.

Tsy resahina ao amin’ilay fahitana ny alitaran’ny emboka manitra. Azo inoana anefa fa ilay alitaran’ny emboka manitra, fa tsy ny latabatry ny mofo aseho, ilay “alitara hazo” (Ezk 41:22) antsoina hoe “latabatra eo anatrehan’i Jehovah.” (Ampit. Ek 30:6, 8; 40:5; Ap 8:3.) Telo hakiho ny haavon’izy io (155 sm teo ho eo), ary roa hakiho (104 sm teo ho eo) ny lafiny iray.

Alitara hafa. Nanaraka ny fivavahana marina i Noa. Nanompo sampy anefa ny olona taorian’ny Safodrano, ka maro ny alitara naorina. Efa nisy hatry ny ela izy ireny, araka ny voka-pikarohana tany Kanana, Mezopotamia, ary tany an-toeran-kafa. Nanorina alitara teo amin’ny toerana telo i Balama tamin’izy nitady hanozona ny Israely. Alitara fito no naoriny isaky ny toerana tsirairay.​—No 22:40, 41; 23:4, 14, 29, 30.

Nasaina noravan’ny Israelita daholo ny alitaran’ny mpanompo sampy mbamin’ireo tsangambato masina sy tsato-kazo masina teo anilan’izy ireny. (Ek 34:13; De 7:5, 6; 12:1-3) Tsy tokony haka tahaka an’ireny izy ireo, na handoro ny zanany ao anaty afo toy ny nataon’ny Kananita. (De 12:30, 31; 16:21) Tokony ho iray fa tsy maro ny alitara haorin’izy ireo ho an’ilay tena Andriamanitra, eo amin’ny toerana efa nofidiny. (De 12:2-6, 13, 14, 27; ampifanohero amin’ny alitara tany Babylona, izay nisy 180 ny an’i Ishtar andriamanibavy fotsiny.) Nasaina nanao alitara tamin’ny vato tsy voapaika izy ireo rehefa tafita ny Reniranon’i Jordana. (De 27:4-8) Naorin’i Josoa teo amin’ny Tendrombohitra Ebala izy io. (Js 8:30-32) Nanorina alitara lehibe teo akaikin’i Jordana ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, rehefa voazara ny Tany Nampanantenaina. Nisahotaka ny foko hafa satria nihevitra hoe nivadi-pinoana izy ireo. Hay ilay izy natao ho fahatsiarovana ny tsy fivadihan’izy ireo amin’ilay tena Andriamanitra.​—Js 22:10-34.

Nisy alitara koa naorina rehefa nisy anjely niseho, toy ilay alitara tany Bokima sy ilay naorin’i Manoa. Nisy koa nasain’ny anjely naorina, toy ilay nataon’i Gideona. Vetivety ihany anefa no nampiasana azy ireny. (Mpts 2:1-5; 6:24-32; 13:15-23) Nanorina alitara ny Israelita rehefa nifampidinika hoe ahoana no hatao mba tsy ho lany tamingana ny fokon’i Benjamina. Tsy fantatra anefa raha nankasitrahan’i Jehovah ilay izy, na “nanao izay noheveriny fa nety” fotsiny izy ireo. (Mpts 21:4, 25) Solontenan’Andriamanitra i Samoela ka nanolotra sorona tao Mizpa ary nanorina alitara tao Rama (1Sa 7:5, 9, 10, 17), satria angamba tsy niseho tao amin’ilay tranolay masina tao Silo intsony i Jehovah rehefa tsy tao ny Vata masina.​—1Sa 4:4, 11; 6:19-21; 7:1, 2; ampit. Sl 78:59-64.

Alitara nampiasaina vetivety. Imbetsaka no nisy alitara toy izany. Nanolotra sorona tao Gilgala, ohatra, i Saoly, ary nanorina alitara tao Aialona. (1Sa 13:7-12; 14:33-35) Voateny mafy izy tao Gilgala satria tsy nahandry an’i Samoela, fa tsy hoe tsy nety ny toerana nofidiny.

Nasain’i Davida nanazava tamin’i Saoly i Jonatana hoe lasa tany Betlehema izy mba hiaraka amin’ny fianakaviany hanao sorona fanao isan-taona, ka tsy hiara-hisakafo amin’i Saoly amin’ny tsinam-bolana. Tetika fotsiny anefa izany ka tsy fantatra raha tena nanao an’ilay sorona ny fianakaviany na tsia. (1Sa 20:6, 28, 29) Nanorina alitara teo amin’ny famoloan’i Araona (Ornana) i Davida Mpanjaka tatỳ aoriana, araka ny baikon’i Jehovah. (2Sa 24:18-25; 1Ta 21:18-26; 22:1) ‘Nanolotra sorona teo amin’ny alitara’ i Solomona (1Mp 9:25), amin’ny heviny hoe izy no nandidy an’ireo mpisorona hanao izany.​—Ampit. 2Ta 8:12-15.

Azo lazaina fa efa tao amin’ilay ‘toerana nofidin’i Jehovah Andriamanitra’ ilay alitara tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, ka ‘tany no nalehan’ny’ Israelita. (De 12:5) Tamin’i Elia nifanandrina tamin’ireo mpisoron’i Bala no nanorina alitara teo amin’ny Tendrombohitra Karmela. (1Mp 18:26-35) Mpivadi-pinoana kosa no nanorina an’ireo alitara hafa. I Solomona no voalohany nivadi-pinoana toy izany, noho ny fitaoman’ireo vadiny hafa firenena. (1Mp 11:3-8) Nanorina alitara tao Betela sy Dana koa i Jeroboama raha vao niforona ny fanjakany tany avaratra, mba tsy handehanan’ny vahoakany intsony tany amin’ny tempolin’i Jerosalema. (1Mp 12:28-33) Nilaza ny mpaminany iray fa haripaka ireo mpisoron’ilay alitara tao Betela amin’ny andron’i Josia mpanjakan’ny Joda, ary hisy taolan’olona hodorana eo ambonin’ilay alitara. Ho fambara, dia nitresaka ilay alitara, ary tanteraka tokoa ilay faminaniana tatỳ aoriana.​—1Mp 13:1-5; 2Mp 23:15-20; ampit. Am 3:14.

Be dia be ny alitaran’ny mpanompo sampy, tamin’ny andron’i Ahaba mpanjakan’ny Israely. (1Mp 16:31-33) Nisy alitara “isaky ny zoron-dalana tao Jerosalema”, tamin’ny andron’i Ahaza mpanjakan’ny Joda. Maro koa ny “toerana avo.” (2Ta 28:24, 25) I Manase aza nanorina alitara tao an-tranon’i Jehovah, sy alitara ho an’izay “rehetra eny amin’ny lanitra” teo amin’ny tokotanin’ny tempoly.​—2Mp 21:3-5.

Nandrava an’ireny alitaran’ny mpanompo sampy ireny foana ireo mpanjaka tsy nivadika. (2Mp 11:18; 23:12, 20; 2Ta 14:3; 30:14; 31:1; 34:4-7) Hoy anefa i Jeremia talohan’ny nandravana an’i Jerosalema: “Lasa maro toy ny tanànanareo ny andriamanitrareo, ry Joda ô! Ary lasa maro toy ireo lalamben’i Jerosalema ny alitara naorinareo ho an’ilay zava-mahamenatra. Teny amin’ireny alitara ireny no nanolorany setroka ho sorona ho an’i Bala.”​—Je 11:13.

Nandritra ny sesitany sy tamin’ny andron’ny apostoly. Nanorina tempoly sy alitara ireo Jiosy nandositra tany Eléphantine tany Ejipta Ambony, hoy ny Horonana Papyrus tao Éléphantine. Nanao toy izany koa ny Jiosy tany akaikin’i Leontopolisy tatỳ aoriana. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIII, 62-68 [iii, 1]; Ny Adin’ny Jiosy, VII, 420-432 [x, 2, 3]) I Oniasa Mpisorona no nanorina an’ilay tempoly sy alitara tany akaikin’i Leontopolisy, mba hanatanterahana ny voalazan’ny Isaia 19:19, 20, hono.

Nilaza ny apostoly Paoly fa nanorina alitara “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra” ny Atenianina. (As 17:23) Maro ny porofon’izany araka ny tantara. Nilaza toy izao, hono, i Apollonius avy any Tyane, izay nitsidika an’i Atena taorian’i Paoly: “Hita fa hendry sy lalin-tsaina kokoa izay midera ny andriamanitra rehetra, indrindra fa eto Atena, izay misy alitara naorina ho an’andriamanitra tsy fantatra.” (Philostrate, Ny Fiainan’i Apollonius avy any Tyane, VI, III) Nilaza koa i Pausanias (mpahay jeografia, taonjato faha-2) fa nahita “alitara ho an’ireo andriamanitra nantsoina hoe Tsy Fantatra sy ho an’ireo olo-malaza” izy, teo amin’ilay lalana avy tany amin’ny seranan-tsambon’ny helodranomasin’i Phalère nankany Atena. Nisy “alitara ho an’ireo Andriamanitra Tsy Fantatra” koa tany Olympie, hoy izy. (Ny Mombamomba An’i Gresy, Attique, I, 4; Elisa I, XIV, 8) Nahitana alitara toy izany koa tany Pergamosy tamin’ny 1909, tao amin’ny faritry ny tempolin’i Demetera.

Izay mifanitsy amin’ireo alitara. Nilaza i Paoly fa tandindona fotsiny ny zava-drehetra tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly mbamin’ny fanompoana tao. (He 8:5; 9:23) Asehon’ny Soratra Grika Kristianina hoe inona no mifanitsy amin’ireo alitara roa. Mifanitsy amin’ny alitaran’ny fanatitra dorana ny ‘sitrapon’Andriamanitra’, dia ny fahavononany hanaiky ny sorona lavorary nataon’ny Zanany lahitokana. (He 10:5-10) Teo anoloan’ny fidirana amin’ny toerana masina ilay alitara. Tsy maintsy mino an’ilay sorom-panavotana koa àry ny olona iray vao mahazo sitraka amin’Andriamanitra. (Jn 3:16-18) Iray monja io alitara fanaovana sorona io. Izany no antony nilazan’i Kristy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” Maro koa ny andininy manasongadina fa tokony ho tafaray ny Kristianina.​—Jn 14:6; Mt 7:13, 14; 1Ko 1:10-13; Ef 4:3-6; mariho koa ny Is 56:7; 60:7, izay milaza fa hankeo amin’ny alitaran’Andriamanitra ny olona avy amin’ny firenena rehetra.

Nisy olona nankeo amin’ny alitara sy nihazona ny tandrok’izy io mba ho voaro. Izay ninia namono olona anefa dia tsy maintsy nosamborina ‘na dia teo amin’ny alitara aza, ary novonoina ho faty’, araka ny lalàn’Andriamanitra. (Ek 21:14; ampit. 1Mp 1:50-53; 2:28-34.) Hoy ny mpanao salamo: “Hanasa tanana aho fa tsy manan-tsiny, ary handeha manodidina ny alitaranao aho, Jehovah ô.”​—Sl 26:6.

Manorina alitara ireo mihambo ho Kristianina. Manaraka izay voalazan’ny Hebreo 13:10, hono, izy ireo. “Alitara” an’ohatra anefa ilay ao, fa tsy ara-bakiteny, rehefa jerena ny teny manodidina. (He 13:10-16) Hoy ny Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong (1882, Boky I, p. 183) momba ny Kristianina voalohany: “Nomen-tsiny ireo mpiaro ny finoana kristianina satria tsy nanana tempoly, alitara, na toerana masina. Hoy fotsiny anefa izy ireo: ‘Tsy manana toerana masina na alitara izahay.’” Hoy ny Famakafakana Teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao nataon’i M. Vincent (1957, Boky Faha-4, p. 567) momba ny Hebreo 13:10: “Diso hevitra izay mieritreritra hoe mety ho ny lakroa na ny otelin’ny eokaristia na i Kristy no mifanitsy amin’ny alitara, ao amin’ny fiangonana kristianina. Sary an’ohatra kosa ny alitara, ary ilazana ny fanatonana an’Andriamanitra: Sorona, fandrakofam-pahotana, famelan-keloka, fankasitrahana, ary famonjena. Fomba nanatonana an’Andriamanitra tamin’ireo fomba rehetra ireo koa mantsy ny alitaran’ny Jiosy.” Nomelohin’ny mpaminany hebreo ireo nanorina alitara maro. (Is 17:7, 8) “Nanao alitara be dia be” i Efraima “mba hanotany”, hoy i Hosea. (Ho 8:11; 10:1, 2, 8; 12:11) Vita sokitra teo amin’ny “tandroky ny alitarany” ny fahotan’ny Joda, hoy i Jeremia. (Je 17:1, 2) Hiampatrampatra “eny amin’ny manodidina ny alitarany” ny fatin’ny mpanompo sampy, hoy i Ezekiela (Ezk 6:4-6, 13).

Eo akaikin’ilay tena alitara no ivoahan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra. (Is 6:5-12; Ezk 9:2; Am 9:1) ‘Eo ambany alitara’ no miantsoantso mafy ny ran’ireo novonoina noho ny fitoriana momba an’Andriamanitra, hoe: “Ry Tompo Fara Tampony, izay masina sy marina ô, rahoviana ianao vao hitsara sy hamaly ny ranay amin’izay monina eny ambonin’ny tany?”​—Ap 6:9, 10; ampit. 8:5; 11:1; 16:7.

Atolotra eo amin’ny alitara volamena fandoroana emboka manitra ny vavaky ny olo-marina. (Ap 8:3, 4) Fanaon’ny Jiosy mantsy ny nivavaka tamin’ny “ora fanolorana emboka manitra.” (Lk 1:9, 10; ampit. Sl 141:2.) Iray ihany ny alitaran’ny emboka manitra. Iray monja koa ny fomba anatonana an’Andriamanitra, resahin’ny Soratra Grika Kristianina.​—Jn 10:9; 14:6; 16:23; Ef 2:18-22; jereo FANATITRA.