Almona
(Almôna).
Tanànan’ny Levita, tao amin’ny tanin’i Benjamina. Nomena ho anjaran’ny taranak’i Arona izy io tamin’ny andron’i Josoa sy Eleazara mpisorona. (Js 21:1, 18) Antsoin’ny 1 Tantara 6:60 hoe Alemeta izy io. Tao Kirbet ʽAlmit (Horvat ʽAlmit) no nisy azy io fahiny. Tanàna efa rava any amin’ny 6 km eo ho eo any avaratratsinanan’i Jerosalema i Kirbet ʽAlmit, tokotokony ho 2 km any atsinanana avaratratsinanan’i Anatota, izay tanànan’ny Levita koa.