Almona-diblataima
(Almôna-diblatàima).
Toerana teo anelanelan’i Dibona-gada sy ireo tendrombohitr’i Abarima. Nitoby teo ny Israelita tamin’ny 1473 T.K., izany hoe tamin’ny taona faha-40 taorian’ny nialan’izy ireo avy tany Ejipta. Teo no toerana faramparany nitobiany rehefa avy nirenireny tany an-tany efitra izy ireo. (No 33:46, 47) Tsy tena fantatra ny toerana nisy an’i Almona-diblataima. Misy anefa manam-pahaizana mihevitra azy io ho i Kirbet Deleilat esh-Sherkiyeh, any amin’ny 16 km eo ho eo any avaratra avaratratsinanan’i Dibona (Dhiban). Mety ho i Almona-diblataima ihany no i Beti-diblataima.—Je 48:22.