Aloka
Faritra tsy tongan’ny hazavana fa takon’ny vatolampy (Is 32:2), rahona (Is 25:5), rantsankazo (Is 4:6), hazo (To 2:3; Ezk 17:23; Ho 4:13), na zavamaniry hafa (Jo 4:5, 6). Mety ho fiarovana amin’ny hainandro ny aloka. Ny hoe ‘mialoka’ àry dia teny an’ohatra ilazana olona mitady fiarovana na fialofana. Hoy i Lota tamin’ny olona tao Sodoma, momba ireo nivahiny tao an-tranony: “Ireo lehilahy ireo kosa aza atao na inona na inona, satria ny hiarovana azy indrindra no antony nankanesany ato amiko [“ato ambany aloky ny tafontranoko”, f.a.p.].” (Ge 19:8) Nasain’i Jehovah naminany i Isaia fa hahita loza ireo ‘nialokaloka tamin’i Ejipta’, izany hoe nitady fiarovana taminy. (Is 30:1-3; jereo koa Ft 4:20; Ezk 31:6, 12, 17.) Manome alokaloka na miaro ny vahoakany i Jehovah. (Sl 91:1; 121:5; Is 25:4) Miaro azy ireo eo ambany aloky ny “tanany” na ny ‘elany’ koa izy.—Sl 17:8; 36:7; 57:1; 63:7; Is 49:2; 51:16.
Fohy sy mihelina ny androm-piainan’ny olombelona, ka oharina amin’ny aloka miovaova mandritra ny andro ary avy eo tsy misy intsony. (1Ta 29:15; Jb 8:9; 14:1, 2; Sl 102:11; 144:4; Mpto 6:12; 8:13) “Toy ny aloka madiva hanjavona” ny andron’ny olona iray efa ho faty. (Sl 102:11; 109:23) Miovaova arakaraka ny fihodinan’ny tany ny habe sy ny fitodiky ny aloky ny masoandro, fa i Jehovah kosa tsy mba miovaova. Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka izy.”—Jk 1:17.
Azo an-tsaina ny bikabikan’ny zavatra iray rehefa jerena ny aloka eo ivohony. Tsy ilay zavatra tena izy anefa ilay aloka. Nanazava i Paoly fa aloky ny zavatra lehibe kokoa ho avy ny Lalàna, anisan’izany ny tranolay sy ireo fety ary ireo sorona. Hoy izy: “Ny tena izy dia an’i Kristy.”—Kl 2:16, 17; He 8:5; 9:23-28; 10:1.
Milaza ny 2 Mpanjaka 20:9-11 sy ny Isaia 38:8 fa nisy fotoana nihemotra tamin’ny fomba mahagaga ny aloka. Manazava izany ny lahatsoratra hoe MASOANDRO.