Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ama

Ama

(Àma) [mety hidika hoe Hakiho].

Havoana iray “tandrifin’i Gia, eo amin’ny lalana mankany amin’ny tany efitr’i Gibeona.” Teo i Abnera no nanohitra farany ny tafik’i Joaba sy Abisay izay nanenjika azy rehefa avy nandresy azy teo amin’ny Dobon’i Gibeona. Lehiben’ny tafik’i Saoly teo aloha i Abnera. Niaro an’i Isboseta, izay zanaka sady mpandova an’i Saoly, izy tamin’izay. Teo amin’io havoana io àry i Abnera no nandresy lahatra an’i Joaba hijanona tsy hanenjika azy intsony, ka nifarana teo ilay ady. (2Sa 2:12-32) Marina fa tany atsinanan’i Gibeona no nisy an’i Ama, nefa tsy tena fantatra hoe iza amin’ireo havoana any amin’iny faritra iny izy io.