Amaleka
(Amalèka), Amalekita.
Zanakalahin’i Elifaza (lahimatoan’i Esao) sy Timna vadikeliny i Amaleka, izany hoe zafikelin’i Esao. (Ge 36:12, 16) Anisan’ny lehibem-poko tany Edoma izy. (Ge 36:15, 16) Nantsoina hoe Amaleka koa ny taranany.—De 25:17; 1Sa 14:48; 15:2.
Misy mihevitra hoe tsy taranak’i Amaleka, zafikelin’i Esao, ny Amalekita, fa foko efa nisy taloha kokoa, na dia tsy misy porofo manamarina izany aza. Ilay oha-teny nataon’i Balama no mahatonga azy ireo hieritreritra an’izany. Hoy mantsy izy: “I Amaleka no voalohany tamin’ireo firenena, nefa ho ringana no hiafarany.” (No 24:20) Tsy niresaka momba ny tantara amin’ny ankapobeny, na ny niandohan’ireo firenena (700 na 800 taona talohany) anefa i Balama eto. Ny mombamomba an’ireo firenena fahavalon’ny Israelita fotsiny no noresahiny. Nokaramaina hanozona an’ireo Israelita efa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina mantsy izy. Rehefa avy niresaka momba an’i Moaba sy Edoma ary Seira fahavalon’i Israely izy, dia nilaza fa ny Amalekita ‘no voalohany amin’ireo firenena’ hiady amin’ireo Israelita niala avy tany Ejipta ho any Palestina. ‘Ho ringana àry no hiafaran’i’ Amaleka.
Tsy te hilaza àry i Mosesy hoe efa nisy talohan’i Amaleka ny Amalekita, rehefa nitantara ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Abrahama, izay velona talohan’i Amaleka, izy. Azo inoana kosa fa ilay faritra fantatry ny olona tamin’ny androny no nantsoiny hoe “faritra rehetra nisy ny Amalekita.” (Ge 14:7) Tany avaratr’i Kadesi-barnea tany an-tany efitr’i Negeba, any amin’ny faritra atsimon’i Palestina, no nisy ny Amalekita. Nisy toby nandoa hetra tamin’izy ireo anefa hatrany amin’ny Saikinosin’i Sinay ka hatrany amin’ny faritra avaratr’i Arabia. (1Sa 15:7) Mety ho nisy fotoana aza nipaka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Efraima mihitsy ny faritra nofehezin’izy ireo.—Mpts 12:15.
Ny Amalekita no “voalohany tamin’ireo firenena” nanafika ny Israelita nafahana avy tany Ejipta, tao Refidima akaikin’ny Tendrombohitra Sinay. Tsy nila ady taminy anefa ny Israelita. Namoaka didy àry i Jehovah fa tokony hofongorana tanteraka ny Amalekita. (No 24:20; Ek 17:8-16; De 25:17-19) Nandositra teo anoloan’izy ireo ny Israelita herintaona tatỳ aoriana, rehefa nitady hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina nefa efa noraran’i Jehovah. (No 14:41-45) Nanafika an’i Israely indroa ny Amalekita tamin’ny andron’ny Mpitsara: Tamin’ny andron’i Eglona mpanjakan’i Moaba (Mpts 3:12, 13); sy tamin’izy ireo nanafika ny tanin’i Israely niaraka tamin’ny Midianita sy ny Tatsinanana, fito taona talohan’ny nandresen’i Gideona sy ireo 300 lahy azy ireo.—Mpts 6:1-3, 33; 7:12; 10:12.
Nankahala ny Israelita foana ny Amalekita. ‘Nataon’i Jehovah hampamoaka’ àry izy ireo tamin’ny andron’ny mpanjaka. Nasainy namely azy ireo i Saoly Mpanjaka. Izany tokoa no nataon’i Saoly “hatrany Havila ka hatrany Sora, tandrifin’i Ejipta”, saingy tsy tena nankatò ny baikon’i Jehovah izy satria notsimbininy ny ain’i Agaga mpanjakan’ny Amalekita. Tsy azo vazivazina anefa Andriamanitra, ka “notetitetehin’i Samoela teo anatrehan’i Jehovah tao Gilgala i Agaga.” (1Sa 15:2-33) Anisan’ny notafihin’i Davida ny tanàna kelin’ny Amalekita. Namaly faty anefa ny Amalekita ka notafihin’ izy ireo i Ziklaga, ary nentiny ireo vadin’i Davida sy ny fananany. Nenjehin’i Davida sy ireo 400 lahy niaraka taminy izy ireo, ka tratrany. Azon’i Davida indray ny zava-drehetra nangalarin’izy ireo. (1Sa 27:8; 30:1-20) Naripaky ny olona sasany avy tamin’ny fokon’i Simeona ny sisa tamin’ireo Amalekita, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka.—1Ta 4:42, 43.
Tsy miresaka momba ny Amalekita intsony ny Baiboly sy ny tantara, aorian’izay. Mety ho Amalekita anefa i ‘Hamana zanaka Agagita’, satria anaram-boninahitry ny mpanjaka amalekita sasany ny hoe “Agaga.” (Es 3:1; No 24:7; 1Sa 15:8, 9) Naripaka ny Amalekita sy ireo firenena hafa voatonona ao amin’ny Salamo, mba ho fantatry ny olona fa i Jehovah irery ihany no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!—Sl 83:6-18.