Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amana

Amana

(Amàna) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mendri-pitokisana; tsy mivadika; maharitra ela”].

Anarana hebreo hita ao amin’ny Tononkiran’i Solomona 4:8, ary tononina miaraka amin’i Libanona sy ny Tendrombohitra Hermona. Nandika fotsiny an’ireo litera hebreo ny ankamaroan’ny Baiboly.

Misy tandavan-tendrombohitra roa any Libanona: I Amana no tandavan-tendrombohitra eo atsinanana (Anti-Liban ankehitriny), ary ny Tandavan-tendrombohitra Libanona no eo andrefana. Manomboka eo amin’ny lembalemban’i Basana, eo atsinanan’i Dana, ka hatrany amin’ny Lemak’i Émèse, any akaikin’i Ribla, ny Tandavan-tendrombohitra Amana. Ny 100 km eo ho eo amin’izy io dia mifanatrika tsara amin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona. Misy lohasaha lavalava antsoina hoe Cœlésyrie (“Lavak’i Syria”) na hoe Bekaʽ eo anelanelan’ireo tandavan-tendrombohitra roa ireo, ary eo no mikoriana ny reniranon’i Oronte sy Litani.​—Js 11:17.

Teritery ny velaran’ny Tandavan-tendrombohitra Amana any avaratra, ary misy tendrony maromaro miavaka. Mivelatra sy avo kokoa izy io eo afovoany, ary miaka-midina be. Mamakivaky ny ilany atsimo kosa ireo lohasaha falehan-driaka lavabe, izay miantsinanana sy mianatsimo. Ahitana lembalemba maromaro eo atsinanan’ny ilany lehibe indrindra amin’ilay tandavan-tendrombohitra. Midina toy ny tohatohatra ireo lembalemba ireo mandra-pitoviny tantana amin’ny Lemak’i Damaskosy. Any amin’ny ilany atsimo no misy ny Tendrombohitra Hermona, izay mahatratra 2814 m. Mitovy ihany ny karazam-bato sy ny nofon-tany ao amin’ireo tendrombohitr’i Amana ireo sy ny an’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona: Vatosokay ny ankamaroany, ary mivolombatolalaka ireo hantsana mijidina be sy ireo tendrony dombodombo.

Misy mihevitra an’i Amana ho tendrombohitra iray mitokana, kanefa toa ilay tandavan-tendrombohitra iray manontolo izy io na ny ampahany aminy. Miresaka momba ny tandavan-tendrombohitra “Libana” sy “Ammanana”, ohatra, ny soratra nataon’i Tiglato-pilesera III sy Sankeriba (samy mpanjaka asyrianina). Antsoin’ny Peshitta syriàka sy ny Targoma Aramianina hoe “Amana” koa ny Reniranon’i Abana (Barada ankehitriny) ao amin’ny 2 Mpanjaka 5:12. Any amin’ny ilany atsimo amin’ny Tandavan-tendrombohitra Amana (Anti-Liban) no misy ny loharanon’io renirano lehibe indrindra any Damaskosy io. Mety ho io ampahany amin’ilay tandavan-tendrombohitra io àry no nantsoina hoe Amana, na ilay izy manontolo.

Tsy misy lanezy ny ankamaroan’ny tendron’ny Tandavan-tendrombohitra Amana, ka vitsy ihany ny renirano na ny sakelidrano any. Zara raha misy zavamaniry any, nefa ahitana ala manify misy hazo oaka botry kely sy zenevrie eny amin’ny tehezan’ireo tendrombohitra. Vitsy ihany ny hazo sedera maniry any ankehitriny. Mbola ahitana tanimboaloboka sy sahan’oliva ary saham-boankazo toy ny tamin’ny andron’ny Baiboly anefa any.